Tantara tamin'ny 02 Mey 2019
Bahrain: ‘Tetidratsin'ny Mpampihorohoro’ miteraka tsy fahatokiana
Taorian'ny fanadihadiana iray niteraka adihevitra mikasika ny nahitàna ny "toby iray fanofanana mpampihorohoro" tany amin'ny iray tamin'ireo vohitra Shiita tao Bahrain, Bani Jamra, blaogera Bahrain, Mahmood Al Yousif no manoratra lahatsoratra iray manesoeso milaza ny fankasitrahana ny Minisitry ny Atitanin'i Bahrain noho ny fanovana an'i Bahrain ho toerana azo antoka
Fantaro i Mama A. Nii Owo, mpitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 1-7 mey
Andao indray ary hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Mama A. Nii Owo, vahiny hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 1-7 mey 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Gã.
Fampandrenesana momba ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'Olontsotra Global Voices any Azia Pasifika: Manasa anao hiaraka aminay any Taipei, Taïwan amin'ny 2 Jona!
Hiresaka momba ireo fanamby vaovao momba ny teknolojia sy ny politika ary ny fiantraikan'izany amin'ny zon'ny aterineto sy ny fikatrohana, ny fiarovana nomerika sy ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana, ny fandraisan'najara nomerika ary ny fampandrosoana ny Vovonana.
Azia Atsimo: Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy
Manana rohy mankany amin'ny tafatafan'ny Voice of America tamin'ny Dr. Chanchal Khan, mpanolo-tsaina ao amin'ny Bankin'ny Fampandrosoana Aziatika izay miompana amin'ny olana momba ny fampandrosoana sy ny fampihorohoroana ara-polotika i Imtiaz. Manana lahatsoratra momba ny fihainon-dresaka amin'ny finday momba ny zon'olombelona ao amin'ny bilaoginy i Rezwan.
Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsaho momba ny pesta aretitratra
Nosamborina ny 3 Desambra 2009 i Ivan Peregorodiev, mpianatra ho mpitsabo sady bilaogera 22 taona, noho ny fanelezana tsaho momba ny pesta aretitratra tao an-tanàndehiben'i Saratov. Niampanga azy ho nanely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana ny manampahefana.
Global Lives: Mijery indray ny tetikasa mandrakitra ny fiainan'ny olona
Roa taona lasa izay, nanoratra momba ny tetikasa iray tany am-boalohany isika: Napetraka ny Global Lives mba handrakitra andro iray eo amin'ny fiainan'ny olona 10 avy amin'izao tontolo izao. Androany isika dia hijery indray ny tetikasa ary hanamarina ny fomba fiaviany.
Iran: Bilaogera noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra
Noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra ilay bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi Malki araka ny filazan'ny reniny. Tany Teheran izy no manefa ny saziny 15 taona an-tranomaizina .
Indonezia: Torian'i Sony Goliata i Sony Davida
Tamin'ny volana lasa teo, norahonan'ny Sony Corporation ao Japana hotoriana any amin'ny fitsarana noho ny fakàna tahaka ny marikany i Sony Arianto Kurniawan na Sony AK avy any Mega Kuningan, raha toa ka tsy manakatona ny tranonkalany manokana izay manana ny anaran-tserasera www.sony-ak.com