Fanirian'i Netzahualcóyotl López, mpitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 29 Avrily ka hatramin'ny 5 May ny hisian'ny fitenin-janatany amin'ny aterineto

Sary nomen'i Netzahualcóyotl López

Mandritra izao taona 2019 izao izahay manasa olona maro hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas (Fahavitrihana ara-piteny) sy hizara ny niainan-dry zareo tamin'ny famelomana indray sy tamin'ny fampiroboroboana ny fitenin-drazan-dry zareo. Miresaka momba an'i Netzahualcóyotl López (@tunchakua) ity lahatsoratra ity sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiatrano azy.

Rising Voices (RV): lazalazao anay ny momba anao azafady.

Soy originario de Yucuhiti, Oax. Hablo el Mixteco del suroeste, entusiasta por el desarrollo de software, ayudo en la localización del navegador Firefox para mixteco del suroeste en la versión móvil y web, en un tiempo atrás desarrollé una App para aprender mixteco.

Avy any Yucuhiti, Oaxaca aho. Miteny Mixtec avy ao atsimo andrefana. mpiondana fampivelarana rindrambaiko aho ary manampy amin'ny famangitana ny fitety Firefox any Mixtec atsimo andrefana na amin'ny endrika finday na amin'ny endrika vala (web). Efa nandrafitra fampiasa ianarana Mixtec ihany koa aho.

RV: manao ahoana ary ny fiteninareo an-tserasera sy andavanandro?

El mixteco cada vez tiene más presencia en sitios web, desde campañas en Facebook hasta traductores en línea, sin embargo es una integración continua que evolucionara constantemente. No obstante, con la presencia del mixteco en la red aún es necesario concientizar a los hablantes nativos para revitalizar el uso del mixteco en las comunidades, principalmente con las generaciones nuevas.

Efa mihahita kokoa amin'ny tranonkala ny fiteny Mixtec, toy ny amin'ny fanentanana Facebook sy amin'ny fampiasa fandikanteny an-tserasera. Fampiatiana izay andalam-pivoarana hatrany izany. Na eo aza anefa izany fisian'ny fiteny Mixtec amin'ny aterineto izany dia mbola ilaina hatrany ny manao fanairana mba ahafahan'ny mpiteny teratany mamelona indray ny fiteny Mixtec ao amin'ny vondrom-piarahamonina, voalohany amin'izany eo amin'ireo taranaka vaovao.

RV: Lohahevitra manao ahoana no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @ActLenguas?

Lenguas indígenas con presencia en las tecnologías.

Ny fisian'ny fiteny zanatany eo amin'ny teknolojia.

RV: Inona no tena nandrisika anao havitrika ara-nomerika ho an'ny fiteninareo? Inona avy ny fanantenanao sy ny nofinofinao ho amin'ny fiteninareo?

Lo estupendo que es visualizar contenidos en mi lengua en la red. Que las nuevas generaciones continúen hablándola y la sigan preservando de generación en generación.

Hatsarana tahaka ny ahoana moa izany mahita ny fiteniko amin'ny aterineto izany. Enga anie hanohy amin'ny fitenenana azy ny taranaka vaovao ary hanohy amin'ny fikolokoloana aza miampita isa-taranaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.