- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Libanona, Palestina, Tonizia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2008)

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana – ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana lanonam-panjakana.

Bilaogera Toniziana, Sami ben Gharbia [1] manasokajy ireo mpiady, maty nandritra ny taona 80 sy ny taona 90, ho toy ny maritiora, milaza fa mendrika ny halevina any Tonizia izy ireo. Hoy izy nanoratra:

تزامن خبر تحرير الأسرى اللبنانيين الخمسة وعلى رأسهم عميد الأسرى العرب سمير القنطار و الذي جاء نتيجة أخر عملية تبادل مع الكيان الصهيوني التي صار يتقنها حزب الله اللبناني مع النداء باسترجاع رفات ثمانية شهداء تونسيين لقوا نحبهمه في جبهات الجنوب الللبناني المقاوم

Ny vaovao momba ny fanafahana ireo Libaney dimy gadra noho ny ady, tarihin'ilay zokiolona avy amin'ireo gadra Arabo Samir Kuntar, dia vokatry ny fifanakalozana gadra farany niaraka tamin'ny fitondrana Zionista, izay efa notanterahin'ny Hezbollah Libaney, ary nifanindran-dalana tamin'ny antso ho amin'ny fiverenan'ireo sisa tavela tamin'ireo maritiora Toniziana valo, izay maty nandritra ny ady tany amin'ny faritra atsimon'i Libanona.

Manome rohy ny pejy misy ny anarana sy ny sarin'ireo mpiady Toniziana ato  [2]i Ben Gharbia.

Annaqued [3] [Ar] indray miaraka amin'ny namany amin'ny fitakiana fandevenam-panjakana ho an'ireo Toniziana valo. Hoy izy nanoratra:

لم لا عودة رفات ابطالنا الثمانية الى تونس … بمراسم رسمية؟؟؟

Nahoana no tsy naverina tany Tonizia ireo sisa tavela tamin'ireo valo maherifontsika.. ka natao tanaty lanonam-panjakana?

Manoratra momba ity lahatsoratra ity. Hoy i Al-Hallège:

هذا أبسط ما يكرم به الشهيد..و الأمة التي لا تحترم شهداءها هي أمة الى زوال

Ity no kely indrindra azontsika atao mba hanajana ny maritiorantsika .. ary ny firenena iray izay tsy manaja ny maritiorany dia iray izay ho ringana tsy ho ela.

Mpaneho hevitra iray hafa, Abunadem nanampy hoe:

فعلا هدا هو الحد الادنى لحق المواطنة في اي دولة وهو الاعتراف بالانسان حيا او ميتا .انظر مادا يفعل الصهاينة حين يفقد او يموت لهم انسان ؟؟يطالبون به حتى وا كلفهم التنازل عن الكثير اما نحن فلا يهتز لنا جفن ؟؟؟
لمادا لم تتحدث تلفزتنا الوطنية عن هؤلاء على الاقل ؟؟؟

Ny zavatra kely indrindra mendrika ho an'ny olom-pirenena any amin'ny firenena rehetra dia ny fankatoavana fa olombelona izy, na maty izy na velona. Jereo ny nataon'ny Zionista rehefa maty ny iray tamin'ireo zanany lahy na ny iray amin'izy ireo. Mitaky ny vatany izy ireo na dia manery azy ireo hanao sorona betsaka aza izany. Tsy misy miraharaha kosa ny eto amintsika. Nahoana no tsy miresaka momba ireo olona ireo farafaharatsiny ny fahitalavitra nasionalintsika???.

Manoratra ao amin'ny Nocturnal Thoughts [4], bilaogera Tarek [Ar] mandinika ny gazety Toniziana ary manontany tena hoe nahoana ny tantaran'ireo mpiady Toniziana valo no tsy nambara loatra.

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, bilaogera Chiheb [5] midera ny Hezbollah noho ny fanalam-baraka an'i Israely. Hoy izy:

خلال عمليّة تبادل الأسرى اللّبنانيّين {…} أثبت حزب اللّه قدرته على تركيع أسطورة الكيان الصّهيوني،وحرّك مشاعر العرب التّي تعاني المرارة من المحيط إلى الخليج ،ويعلن إنتصار المقاومة من جديد بعد حرب 2006

Nandritra ny fifanakalozana ireo gadra Libaney, nanaporofo ny fahaizany manala baraka ny fitondrana Sionista ny Hezbollah ary manetsika ny fihetseham-pon'ny Arabo, izay mijaly noho ny fahoriana manomboka ao amin'ny Oseana hatrany amin'ny Golfa, ary manambara ny fandresen'ny fanoherana indray taorian'ny ady tamin'ny taona 2006.