- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Fitanjahana sy ny fahasimban'ny fitondrantena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2008)

Fitanjahana firy amin'ny fahitalavitra no azo raisina ho toy ny zavakanto, ary firy amin'izany no mandray anjara amin'ny famotehana ny fitondrantena? Miezaka mamaly ity fanontaniana ity amin'ity lahatsoratra manaraka ity ilay bilaogera Syriana Emad [1] [Ar]:

بحجة الفن اصبحنا نرى التعري على شاشاتنا العربيه دون ان نستطيع التكلم لأنه عند السؤال عن المشاهد (الساخنه)التي نراها يبررها اصحابها بأنها معالجه للواقع المؤلم او انها شرح لما يدور في مجتمعاتنا
لكن التسميه الحقيقيه لها هي (انحلال اخلاقي وتعري فاضح) وبعد ذلك تصبح بطلة الفيلم او المسلسل سيدة مجتمع وقدوه للكثير من الفتيات وعند حديثها في اي مقابله نرى كل الاحترام والتقدير من المشاهدين الكرام لجهودها المبذوله في سبيل الفن

وفي المقابلات والسهرات التلفزيونيه التي نشاهدها نرى بأن الفنانه الفلانيه تاخذ دور السيده الفاضله في المجتمع الفاضل وتبدأ بالتكلم عن الاخلاقيات والاصول والاتيكيت وكأنها (الامرأه المثاليه)

والمؤسف في الامر هو انه عند مشاهدة هكذا افلام وخصوصا من قبل الفئه الاكبر في مجتمعاتنا وهي الفئه (المكبوته والمنغلقه) نرى ان معظم الفتيات ينظرون الى العالم الخارجي من خلال ما يشاهدونه في هذا المسلسل او ذاك الفيلم مما يسبب الكثير من الانحلال الاخلاقي عند اعطاء الحريه لهذا النوع من الفتيات اللواتي يحسبن انهن بهذه الطريقه وهذه التصرفات سيكونون ……….سيدات المجتمع

Mampiasa ny zavakanto ho toy ny fialantsiny, mahita fitanjahana amin'ny fahitalavitra Arabo isika kanefa tsy afaka manohitra ny sehatra ‘manainga’ izay hitantsika ary faritan'ireo mpamokatra fa ‘miatrika ny zava-misy henjana sy mamaritra izay tena zava-mitranga eo amin'ny fiarahamonintsika’.

Ny filazalazana tena marina momba ny zavatra hitantsika amin'ny fahitalavitra dia ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny fitanjahana mahamenatra. Aorian'izany, lasa vehivavin'ny fiarahamonina sy maodely ho an'ny tovovavy maro ilay maherifovavy ao amin'ny sarimihetsika na ny tantara mitohy, izay hita ao amin'ny tafatafa amin'ny fahitalavitra ary misitraka fanajana sy fankasitrahana avy amin’ ny mpijery noho ny ezaka ataony hampiroboroboana ny zavakanto. Ao anatin'ny tafatafa toy izany, mandray ny andraikitry ny vehivavy manan-kaja amin'ny fiarahamonina izy, ary miresaka etika, ny marika an-taratasy ary ny fiavian'ny fianakaviana, tahaka ny hoe izy no vehivavy maodely.

Ny mampalahelo amin'izany dia ny ankamaroan'ny olona mijery ny fandaharana toy izany tahaka ireo izay mijaly sy miaina anaty fiarahamonina tery. Izany no mahatonga anao mahita ankizivavy maro mijery ny tontolo ivelany amin'ny alàlan'ny zavatra hitany ao anatin'izany tantara mitohy na sarimihetsika izany. Miteraka fahalotoam-pitondran-tena izany, indrindra rehefa mihevitra ireo tovovavy ireo, fa hahatonga azy ireo ho vehivavin'ny fiarahamonina ny mitondra tena tahaka izany ary manome azy ireo ny fahafahany.