- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandà Ny Fidiran'I Chelsea Manning i Aostralia Raha Nanome Fahazoandàlana Kosa I Nouvelle Zélande

Sokajy: Oseania, Aostralia, Etazonia, Nouvelle Zelande, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2018)

[1]

Chelsea Manning nitafàna tamin'ny alàlan'ny lahantsary tao amin'ny Sydney Opera House, ny 2 Septambra. Sary : pikantsary / Instagram an'i the_adventuresofsyd

Ny Alahady 2 Septambra teo, taorian'ny nanambaran'ny manampahefana Aostraliana fa tsy handray fanapahankevitra momba ny fangatahany fahazoana visa ara-potoana ho an'ilay hetsika “character grounds [2]” dia niresaka tao amin'ny Sydney Opera House tamin'ny alalan'ny lahatsary i Chelsea Manning [3], ilay miaramila Amerikana teo aloha izay lasa mpitsoka fanairana sy mafana fo  .

Nandritra izany fotoana izany, nomen'i Nouvelle Zélande hanao fangatahana fahazoandàlana ho an'ny asa i Manning izay nikasa hanao hetsika ny 8 sy 9 Septambra. Tao amina fanambarana ampahibemaso iray, nilaza ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fifindramonina fa tsy nisy fandikandalàna nataon-dramatoa Manning hatramin'izay nivoahany ny fonja izay ary kely dia kely ny fiheverana azy hanao fandikandalàna ao Nouvelle Zélande.

Voasazy higadra 35 taona an-tranomaizina i Ramatoa Manning ny taona 2013 taorian'ny famoahana tao amin'ny Wikileaks ireo antontan-taratasy saropady tsy nahazoana alalana mikasika ny tafika, efa ho 750 000 isa, azony tamin'ny maha mpandalina momba ny fitsikilovana ho an'ny tafika amerikana azy. Ny taona 2017, ny filoha teo aloha Barack Obama no nanala ny saziny.

Voatondro hanao valan-dresaka ao Melbourne sy Brisbane ihany koa i Ramatoa Manning ny 7 sy 11 septambra. Tsy mbola mazava ny departemantan'ny atitany raha handray fanapahankevitra ara-potoana ho an'i fandraisana anjaran-dramatoa Manning mivantana amin'ireo hetsika ireo.

View image on Twitter [4]

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ireo firenena roa tonta io lohahevitra io nandritry ny roa andro.

Nanao izay azony natao ireo mpiaro zon'olombelona ao Aostralia nanakana ny tsy haha voarara azy. Anisan'izany ny The Castan Centre :

Maro no mihevitra fa misy ifandraisany bebe kokoa amin'ny politika ilay izy fa tsy noho ny fiahiana ny ara-piarovana :

Mifanohitra amin'izany, i Rodger Shanahan avy amin'ny vondrona Lowy Institute, mpandinika politika iraisam-pirenena, dia nanontany hoe : [11]

Ao anatin'ny zony tanteraka ny Governemanta Aostraliana hanontany raha tokony hiditra ao amin'ny firenena ny olona iray voaheloka noho ny fitsikilovana ary navotsotry ny tafika amerikana tamin'ny fomba tsy mendrika sy nofaritan'ny mpitsara ho mampidi-doza ho an'ny hafa ny zavatra nataony, tsy resahana ny hoe homena vola izy ho tambin'ny fisehoany. Tsy mbola ary tsy mpitsoka fanairana i Manning. Olona voaheloka noho ny fitsikilovana izy ary nomena sazy famonjàna lava dia lava.

Clementine Ford, mpanoratra sady mpanentana anaty onjampeo, no nandrisika ny olona handray anjara tamin'ilay fanangonan-tsonia hanohanana ny fitsidihan'i Manning :

Ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny elatra avaratra, Lauren Southern [15], Kanadiana malaza ao amin'ny YouTube sy Milo Yiannopoulos [16], Britanika mpanadihady ara-politika no nomena fahazoandàlana handray anjara tamin'ilay fitetezam-paritra hanao lahateny tao Aostralia ny taona 2017.

Vokatra mifanohitra tao Nouvelle Zélande

Adihevitra mitovitovy amin'izany no niseho tao Nouvelle Zélande nandritra ny herinandro lasa teo rehefa nitaky ny fanakanana ny fampidirana an'i Chelsea Manning [17] tsy hanao valandresaka ny mpikambana avy amin'ny Antoko Nasionaly mpanohitra .

Bryce Edwards, manoratra ao amin'ny newsroom.pro [18] ao Nouvelle-Zélande, no naka ity lohahevitra ity :

Tsy niandry ela ny Antoko Nasionaly hanehoana ny tenany ho mpihatsaravelatsihy amin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra. Ny antso nataon'i Michael Woodhouse handàvana ny fahazoandàlana hidiran'i Chelsea Manning ao Nouvelle Zélande dia mampiseho fa vonona ny antokony ny hanakatona ny fahalalahana ara-politika mifototra amin'ny firehana sy ny ideolojian'ireo olona voakasika amin'izany.

Ny zo hanana fahalalahana miteny no vato fototra ho an'ireo izay manohana ny fanomezana azy ny fahazoandàlana ho any Nouvelle Zélande. Na izany aza, samy nifampiampanga ho mpihatsaravelatsihy na ny andaniny na ny ankilany nandritra ilay adihevitra.

Tamin'ny firesahana ireo tranga tany aloha, niampanga olona avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ho mpihatsaravelatsihy i Martyn Bradbury. Hoy izy tao amin'ny tranonkalan'ny The Daily Blog [19] :

“Rehefa manaiky izay lazainareo izahay, izay vao atao hoe fahalalahana hiteny”, tsy misy vidiny ho an'iza na iza.

Ny fijerena ny Woke Left & Feral Right mitazona ny heviny avy manoloana ny fahalalahana hiteny, rehefa nifanohitra be ihany ny toerana noraisin-dry zareo iray volana lasa izay, dia  mahatsikaiky raha tsy ho fototry ny maha-demokrasia antsika izany.

Stu, mpampiasa Twitter, tetsy ankilany izay, nanome tsiny ireo donendrina :

Samy mpikambana ao amin'ny Maso Dimy i Aostralia, Nouvelle Zélande, i Kanada, Royaume-Uni ary i Etazonia.

Greens Ghagraman, solombavambahoaka avy amin'ny Greens Party (Antoko maitso) izay manohana ny fanomezana ilay fahazoandàlana, niteny hoe :