“Tsy afa-mipetraka sy miandry fotsiny izahay…”

apc ColombiaNy lahatsoratra manaraka etoana dia nivoaka voalohany tao amin'ny APC News ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny Association for Progressive Communications sy ny Rising Voices.

Hita ho midadasika tokoa ny “hantsana nomerika” ao Colombia any amin'ny fiarahamonina ambanivohitra, rehefa mivangongo any amin'ireo faritra an-tanandehibe ny tolotra fandrakofana Nanapa-kevitra hiatrika izany toe-draharaha izany ka namolavola sy nandrafitra ny tambajotram-pifandraisany manokana tamin'ny septambra 2017 ny vondrom-piarahamoniona ao amin'ny fiadidian'i Buenos Aires, miorina ao amin'ny departemantan'i Cauca. Rehefa niaritra ny herisetran'ny fifandonana mitam-piadiana an-taonany maro sy ny fahatongavan'ny dinam-pandriampahalemana, “tonga ny fotoana ho an'ny vondrom-piarahamonina vazimba, mainty ary campesino hiasa mankany amin'ny fananana fotodrafitrasanay manokana,” hoy ny nambaran-dry zareo.

“Efa taonjato faha-21 izao ary vao manomboka zatra amin'ny teknolojia vaovao izahay ao amin'ny vondrom-piarahamonina anay, noho ny tsi-firaharahian'ny fanjakana, ary tena mampalahelo tokoa izany toe-javatra izany,” hoy ny mpitarika ny vondrom-piarahamonina José Robinson Ordóñez. Nosoritan'i Boris Gueva, mpiadin'ny FARC teo aloha kosa: “Ny sarotra indrindra dia ny nahazo ny fitokisan'ny vondrom-piarahamonina, satria maro loatra ny fampanantenana tsy tanteraka. Tsy afa-mipetraka sy miandry ny governemanta hanao ireo zavatra ireo ho anay fotsiny izahay. Tsy maintsy nisantatra ny andraikitra izahay, niasa teny an-kianja niaraka tamin'ny vondrom-piarahamonina, ary izay no ataonay izao.”

Notontosaina niaraka tamin'ny fanohanan'ny Internet Society sy avy amin'ireo fikambanana Colnodo sy Rhizomatica mpikambana ao amin'ny APC izao fanorenana asa izao. Nampirisihana tamin'ny alalan'ny programam-batsy ho an'ny mpikamban'ny APC (izay nisy fanampiana ara-bola tamin'ny taona 2017 sy tamin'ny taona 2018) mbamin'ny asa nataon'ny tetikasa Local Access Networks ny fandraisana anjaran'ireo fikambanana miisa roa ireo.

Nasongadina manokana ny fijery lahyvavy tamin'ny fananganana ireo tambajotram-piarahamonina, ka nandray anjara mavitrika hatrany amin'ny fiandohana ireo vehivavy avy amin'ny vondrom-piarahamonina, hoy ny fanazavan'i Lilian Chamorro mpitarika ny tetikasa Colnodo.

“Nihaona tamin'ireo vondrom-piarahamonina manodidina izahay hieritreritra ny amin'izay filàn'ny ara-pifandraisana ao amin'ny faritra ary nandre avy amin-dry zareo izahay fa banga fandrakofana tambajotra am-pinday ry zareo ao amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo,” hoy ny nampiany.

Asehon'ity lahatsary ity fa nanatsara ny fari-piainan'ny rehetra ny tambajotra an'onjam-pifandraisana niarahan'ireo vondrom-piarahamonina ireo nanangana sy nikojakoja ihany.

Lahatsoratra nampitain'i Suzanne Lehn

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.