- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampientanentana ny mponina ny fitsidihan'i Obama an'i Indonezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2011)

[1]

Barack Hussein Obama ao amin'ny Oniversiten'i Indonesia, 10 Novambra 2010. Sary avy amin'i @FadylWiraadiPutra amin'ny alàlan'ny Plixi

Nampientanentana ireo vahoaka Indoneziana maherin'ny 6 500 izay tonga nanatrika ny filoha amerikana nitafa tamin'ny firenen'izy ireo tao amin'ny Oniversiten'i Indonezia tamin'ny alarobia maraina i Barack Obama. Nanafangaro ny kabariny tamin'ny fiteny Bahasa Indoneziana izay nianarany tamin'izy nipetraka tany Jakarta fony mbola zaza, nampientanentana ny vahoaka i Obama raha nanomboka ny kabariny mana-tantara tamin'ny fanambarana hoe:

Indonesia bagian dari didi saya. [Indonesia is a part of me].

Indonesia bagian dari didi saya. [ampahako i Indonezia].

Nisaotra ny vahoaka indoneziana noho ny fitiavany mandray vahiny aloha, ary avy eo nanome fiarahabana manokana ho an'ny Jakartana ny filoha amerikana:

… to the people of Jakarta, pulang kampong nih [I’m coming home!].

… ho an'ny vahoakan'i Jakarta, pulang kampong nih [Tonga aty an-trano aho!].

Nanintona ireo mpijery an-tapitrisany tamin'ny alàlan'ny fahitalavitra manerana ny firenena ireo famantarana ara-kolotsaina momba ny sakafo, toy ny sate sy besok [sate sy lasopy hena baolina], ary nanjary malaza be tampoka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra [2].

Midoka tahaka izany ihany koa ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny Twitter any Indonezia—izay anisan'ny iray amin'ireo lehibe indrindra manerantany [3]— satria maro no nilaza fa nanamafy ny fahatsapana ny fahatokisana sy ny rehareham-pirenena tamin'ny fomba izay mbola tsy nataon'ireo mpitarika azy ireo manokana ny kabarin'i Obama:

pritya [4]:do you think #ObamadiRI [5] speech at UI would be able to remind SBY of his homework as president? repair relationships, make us 1 country again

desianwar
:
I hope our leaders cld learn how to deliver a speech like @BarackObama [6] – connected, inspiring, riveting

dila_tri [7]: Obama shows his leadership, humbleness, smartness … Truly inspiring for us, Indonesia next leaders .. #obamadiRI [8]

AlandaKariza [9]: I admired how he convinced that combatting corruption is the key to make Indonesians feel they have a stake in the country.#ObamadiRI [5]

ardansyahreza [10]: Yes, It's true that Indonesia is a potential key player in the global market due to its growing market. #ObamadiRI [5]

cellacea [11]: It isnt coz he's d prsdnt of d US.I dont care if Bush come here.But Obama's stories always inspiring me that nothing's impossible #obamadiRI [8]

desianwar [12]: Pres @BarackObama [6] greeted like a star … We love you Barry!

DanielZiv [13]: Obama today looks like a rock star who happens to be politician rather than a politician who happens to be a rock star.

rayafahreza [14]: Geezus this guy is winning hearts. Goddamn he good at this.

pritya [4]mihevitra ve ianao fa ny kabarin'i #ObamadiRI [5] tao amin'ny oniversiten'i Indonezia dia afaka mampatsiahy ny SBY amin'ny asany amin'ny maha-filoha? mahatonga antsika ho firenena indray ny fanarenana ny fifandraisana

desianwar
Manantena aho fa afaka mianatra momba ny fanaovana kabary tahaka ny an'i @BarackObama [6] – izay mifandray, manome aingam-panahy sy manintona ireo mpitondra antsika

dila_tri [7]: Mampiseho fitarihana, fanetre-tena sy faharanita-tsaina i Obama … manomeza aingam-panahy anay ry mpitarika manaraka ao Indonezia .. #obamadiRI [8]

AlandaKariza [9]: Tena tiako ny fomba nandreseny lahatra fa vahaolana hahatonga ny Indoneziana hahatsiaro hanana andraikitra ao amin'ny firenena ny fiadiana amin'ny kolikoly.#ObamadiRI [5]

ardansyahreza [10]: Eny, marina fa mety ho mpandray anjara lehibe amin'ny tsena manerantany i Indonezia noho ny tsenany miha-mitombo. #ObamadiRI [5]

cellacea [11]: Tsy noho izy filohan'i Etazonia. Tsy raharahiako raha tonga eto Bush: Saingy manintona ahy hatrany ny tantaran'i Obama fa azo atao ny zava-drehetra #obamadiRI [8]

desianwar [12]: Noraisina toy ny kintana i @BarackObama [6] … Tianay ianao Barry!

DanielZiv [13]: Tahaka ny kintan'ny rock i Obama izay niseho ho mpanao politika fa tsy mpanao politika niseho ho kintan'ny rock.

rayafahreza [14]: Mahazo ny fon'ny olona ity lehilahy ity. Tena angadiny izany.

Nifantoka tamin'ny fampandrosoana, ny demaokrasia sy ny fandeferana ara-pivavahana ny lahatenin'ny filoha, sehatra telo izay nosoratana tamin'ny lalàmpanorenana laika an'i Indonezia ary, araka ny voalazan'i Obama, dia azo ampiasaina ho fototra hanamafisana ny fifandraisana eo amin'ny fanjakana demaokratika roa tonta.

Nanaitra an'i Indonezia ny lahateny  [15]noho ny fanavaozana ny demokratikany vao haingana izay nanosika ny firenena handroso ho amin'ny dingana manerantany:

…that spirit of tolerance that is written into your Constitution; symbolized in mosques and churches and temples standing alongside each other; that spirit that’s embodied in your people — that still lives on. Bhinneka Tunggal Ika — unity in diversity.  This is the foundation of Indonesia’s example to the world, and this is why Indonesia will play such an important part in the 21st century.

… izany toe-tsaina fandeferana izay voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenanareo izany; voasokajy ao amin'ny masikiriny sy ny fiangonana ary ny tempoly izay mijoro mifanakaiky; izany toe-tsaina izay miseho ao amin'ny vahoakanareo – izay mbola mitoetra. Bhinneka Tunggal Ika  – firaisankina ao anatin'ny fahasamihafana. Izany no fototra amin'ny ohatra asehon'i Indonezia ho an'izao tontolo izao, ary izany no mahatonga an'i Indonezia hanana anjara toerana lehibe amin'ny taonjato faha-21.

Mifantoka amin'ny fanarenana sy fambolena ny fifamatoran'i Etazonia-sy ny Miozolomana, nanaiky i Obama fa mbola betsaka ny asa tokony hatao mba handresena ireo “taonan'ny tsy fitokisana” eo amin'i Etazonia sy ny Silamo. Raha nitodika tamin'ny firenena be miozolomana indrindra manerantany, noraisina toy ny fikasana faharoa lehibe indrindra nataon'ny filoha mba hifandray amin'ny tontolon'ny silamo hatramin'ny kabariny tao Kairo [16] tamin'ny taona lasa ny kabarin'i Obama.

Niantso ny kabary ho “Cairo II”, nilaza ny fampahalalam-baovao mahazatra Amerikana sasany [17] fa tsy ampy ny kabary, ary fanampim-panazavana fotsiny tamin'ny fanolotatenan'i Obama voalohany tamin'ny tontolo Miozolomana.

Saingy nilaza ny CogitAsia [18], bilaogy ho fandinihana ny Southeast Asia Program [19] (SEAP) fa sehatra iray fotsiny tamin'ny kabary mizara telo nataon'ny filoha ny fivavahana. Tsy azo sokajiana ho miresaka amin'ny fiarahamonina Miozolomana manontolo ny firesahana amin'i Indonezia – firenena iray ahitana nosy 17.000 sy fivavahana lehibe Hindoisma, Bodisma ary ny Kristianisma. Hoy ny lahatsoratra [20] hoe:

Nor should the President have given a Cairo II in Jakarta– because Cairo is not in Indonesia. Though Indonesia is the world’s most populous Muslim-majority country, it is not a center of the Islamic world [21]. Its national leadership has often declined to take a leadership role in the Islamic world, and has regularly refused earlier American suggestions that it trumpet the coexistence of Indonesian Islam and Indonesian democracy in its conversations with Middle Eastern countries. President Obama understood this sensitivity and addressed it carefully in his speech.

Tsy tokony nanome Cairo II tao Jakarta ny filoha satria tsy any Indonezia i Cairo. Na dia firenena be mponina Miozolomana indrindra eran-tany aza i Indonezia, dia tsy foiben'ny tontolon'ny silamo  [21]izy. Matetika nandà handray andraikitra fitarihana eo amin'ny tontolo Islamika ny fitantanam-pireneny, ary nandà matetika ny tolo-kevitra Amerikana taloha fa mifanohitra amin'ny fisian'ny Indoneziana Silamo sy ny demaokrasia Indoneziana amin'ny resaka ataony amin'ny firenena Afovoany Atsinanana. Takatry ny filoha Obama izany fahatsapana izany ary niresaka izany tamim-pitandremana izy tamin'ny lahateniny.

Na dia teo aza ny fitsikerana kely nataon'ny haino aman-jery, noraisina ho fahombiazana amin'ny ankapobeny ny fitsidihana fohy nataon'i Barack tany Indonezia, nahitana ireo Indoneziana nandray ny filoham-pirenena amerikana tamin'ny fihobiana matetika fanao amin'ireo kintan'ny rock na olo-malaza. Manamarika ny bilaogy ao an-toerana Dances in My Mind [22]  fa na dia eo aza ny fahasamihafan'ny fivavahana sy ny firehana ara-politika, dibo-kafaliana tsotra izao fotsiny ny ankamaroan'ny Indoneziana nandray ilay olona antsoin'izy ireo hoe zanaka lahy nozanahana.

But Indonesians, mostly Jakartans, went giddily gaga like teenagers watching [a] concert of Glee casts featuring both Lady Gaga and Justin Bieber. Former school friends appeared on talk-shows, while students of his former elementary school rehearsed an especially-penned song just in case President Obama managed to swing by.

Saingy tena nifalihavanja toy ny zatovo mijery fampisehoana filatroana Glee, mampiseho an'i Lady Gaga sy Justin Bieber ny Indoneziana, indrindra indrindra ny Jakartana. Nandray anjara tamin'ny fandaharana resadresaka ireo namana taloha tany am-pianarana, raha namerina hira nosoratana manokana ireo mpianatra tamin'ny sekoly ambaratonga fototra taloha nisy azy raha nahavita nandalo ny filoha Obama.