Mampanontany ny fepetra noraisin'ny governemanta Sri Lankey taorian'ny daroka baomba tamin'ny Paska: Manampy ny media sosialy sa manimba?

Ny Hotel Kingsbury tao Colombo, Sri Lanka, iray amin'ireo toerana niharan'ny daroka baomba tao amin'ny firenena tamin'ny 21 Aprily. Sary avy amin'i AKS.9955 avy amin'ny Wikimedia Commons.

Satria nitranga tao Sri Lanka ny zava-doza manodidina ny fanafihana fiangonana sy trano fandraisam-bahiny tamin'ny alahadin'ny Paska, nandray fepetra tsy mahazatra nanakana vonjimaika ny tranonkala tambajotra sosialy ny governemanta Sri-Lankey..

Nanambara ny fanakanana Facebook sy Instagram ny biraon'ny filoha, noho ny antony mety ampiasàna izany hanaparitahana vaovao diso. Nitatitra porofo ny vondrona mpikaroka momba ny sivana aterineto fa nakatona ihany koa ny WhatsApp, YouTube, Viber, Snapchat ary Messenger.

Fanitsakitsahana mazava ny zo iraisam-pirenena momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana vaovao ny fanakatonana toy izany. Manan-danja indrindra amin'ny toe-javatra vonjy taitra ny fiarovana ireo zo ireo, satria mety mila vonjy na mifandray amin'ny fianakaviana sy ny namana ny olona mba hiantohana ny fiarovana azy ireo. Raha ampiasaina hatrany toy ny tetikady ataon'ny governemanta mba hifehezana ny fanehoan-kevitra antserasera ny fanakatonana ny aterineto, dia tsy fahita firy kosa ny fanakatonana vonjimaika. Ohatra, nanamarina ny fanakatonana ny Facebook, Viber ary WhatsApp tamin'ny taona 2016 i Bangladesh noho ny fepetra fiarovam-bahoaka.

Indrisy, tsy mahagaga loatra raha nandray ity fepetra ity ny governemanta Sri-Lankey, satria niverimberina tao amin'ny tambajotra sosialy ny tantara lavabe momba ny herisetram-piarahamonina ao Sri Lanka. Tamin'ny volana martsa 2018, nakaton'ny governemanta ny Facebook, WhatsApp sy Viber izay tafiditra amin'ny ezak'izy ireo hanakana ny herisetra ara-pivavahana taorian'ny fifandonana teo amin'ireo Miozolomana sy Bodista tao an-tanànan'i Kandy, izay nahatonga ny fandoroana ny masikiriny sy ny fanafihana ireo orinasan'ny Miozolomana

Tamin'izany fotoana izany, nanoratra tao amin'ny Groundviews, tranonkalan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra i Nalaka Gunawaredene, nilaza fa tsy mitera-bokatra sy tsy mahomby ireo fandraràna ireo, manakana ireo olona marobe tsy hahazo loharanom-baovao manan-danja raha mampiasa VPN fotsiny kosa ireo mpampiasa teknolojia sy ny mpanankarena mba hiala amin'ireo sakana ireo. Nahita ny fikarohana samihafa nataon'ilay mpikaroka sy mpanao gazety Yudhanjaya Wijeratne sy Ray Serrato fa maro ny olona nametraka VPN mba hialana amin'ny sakana, ary manimba ireo  orinasa miankina amin'ny sehatra media sosialy izany fanakatonana izany.

Tsy nanakana ny governemanta Sri-Lankey hamerina sy hanitatra ny fanakanana ireo fikarohana ireo, ary tamin'ny fikasana miharihary hanakana ny vaovao diso, ny lainga sy ny honohono, ary hanakanana ny olona tsy hanomana valifaty tamin'ity indray mitoraka ity.

Nitatitra tao amin'ny Twitter i Wijeratne fa mahita olona maro vonona hiala amin'ny sakana izy.

Fanamarihana ankapobeny: tamin'ity indray mitoraka ity, dia toa niomana lavitra ny olona mba hiasa hanivaka amin'ilay sakana. Mazava fa nahazo lesona tamin'ny volana marsa ny vahoaka, raha tsy ny governemanta.

Ny hafa kosa mbola mitodika amin'ireo sehatra media sosialy mba hifanome vaovao sy hifandray amin'ny vondrom-piarahamoniny.

Manaja ? ny Sri Lankey??!
Hatsaram-panahy marobe, Afaka mirehareha isika rehetra!
Mirohotra ireo mpanome rà, marobe ireo olona manome rà eny amin'ny hopitaly taorian'ny fangatahan'ny government #LKA #SriLanka #EasterSunday #EasterSundayAttacksLK #EasterAttackSL #Colombo pic.twitter.com/15pegwOnlV

Na dia voasakana ao Sri Lanka amin'izao fotoana izao aza ny Facebook, dia nanangana ny fitaovany valinteny ho an'ny krizy ny Facebook mba hitaterana vaovao, hanampy ny mpiserasera hanao tatitra raha voakasika izy ireo na mitady namana voakasika.

Fanehoan-kevitra mifangaro manoloana ny sivana

Nahatonga fahadisoam-panantenana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanakatona ny media sosialy, satria tsy mahomby amin'ny ankapobeny ny sakana toy izany ary manapaka ny olona amin'ny fantsom-pifandraisana lehibe amin'ny fotoana ilana izany.

Saingy ny hafa kosa naneho fanohanana ny fanapahan-kevitra. Nanonona mponina ao Colombo ny The Guardian izay nilaza fa: “mety hitarika ny olona hanao fanafihana sy fikomiana amin'ny Miozolomana ny tsy fanakatonana ny media sosialy .”

Ahitana fifanoherana sasany iombonana ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny governemanta sy ny mponina maro ao Sri Lanka raha mety hisy fiantraikany tsara amin'ny toe-draharaha vonjy taitra ireo sehatra ireo.

Fitantaràna samihafa tanteraka amin'ilay toa nanjakazaka tamin'ny taona vitsivitsy lasa izay ity fanakanana ity, rehefa noderaina toy ny fitaovana mahery vaika handrindrana fanampiana amin'ny fotoanan'ny krizy ny sehatra media sosialy. Lasa  adihevitra mihitsy ny fitaovana fanaraha-maso ny fiarovana ny Facebook rehefa tsy nampiasa izany ireo mponina ao an-tanàn-dehibe tahaka an'i Beirut, taorian'ny daroka baomba tamin'ny taona 2015.

Saingy misy fisalasalàna lalina androany mikasika ny fahafahan'ny orinasa hiantoka ny fiarovana ireo mpiserasera marefo amin'ny fotoanan'ny krizy. Ny fanehoan-kevitra feno fankahalana sy ny fampahalalam-baovao diso no hita fa antony amin'ity fiovana ity. Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nangataka tamin'ireo orinasan'ny media sosialy ireo Sri Lankey manam-pahaizana sy mpiaro ny media nomerika mba hitady fomba hanakanana ny kabarim-pankahalana, ny fanorisorenana sy ny vaovao diso saingy tsy nisy vokany.

Tamin'ny tatitra tamin'ny taona 2018, Digital Blooms: Media Sosialy sy ny Herisetra any Sri Lanka, nanamarika i Sanjana Hattotuwa fa tsy nahavita nampiato ny firongatry ny kabarim-pankahalàna sy ny fampahalalam-baovao diso manodidina ny herisetra tamin'ny taona 2018 na ny Facebook na ireo sehatra media sosialy hafa, sy ny governemanta Sri-Lankey. Mifantoka amin'ny Facebook i Hattotuwa, amin'ny maha sehatra manokana ho an'ny fifandraisana amin'ny teny Sinhala. Manamarika izy fa raha “tsy loharanon'ny fifandonana mahery vaika ny media sosialy”, dia nanome “fantsom-baovao hitarihana fankahalana sy herisetram-bahoaka”.

Nalefaka mazava ny valin-kafatry Facebook tamin'ny zava-nitranga tamin'ny Alahadin'ny Paska, nifantoka tamin'ny fanampiana ireo niditra an-tsehatra voalohany sy ny mpitandro filaminana, ary nilaza fotsiny fa “mahafantatra ny fanambaran'ny governemanta momba ny fanakanana vonjimaika ny sehatra media sosialy” izy ireo ary nanolo-tena hanampy .

Tahaka ny efa nahitantsika ny fanakanana ny tranonkala tambajotra sosialy mandritra ny fotoan-tsarotra ho sivana mahasosotra, mety hahita fanohanan'ny vahoaka hatrany ny fanakatonana isika raha tsy mahavita mitantana ireo fanehoan-kevitra sy vaovao diso ao amin'ny sehatr'izy ireo ny media sosialy.

Amin'izao fotoana misy horohoro sy alahelo ao Sri Lanka izao, mety ho olana madinika ny toeran'ny sehatra media sosialy sy ny fampiasana azy ireo. Saingy ny fanapahan-kevitra haingana hanakana ny fidirana amin'ireo sehatra ireo dia milaza fa, amin'ny governemanta Sri-Lankey, mety hanampy trotraka ny fiharatsian'ny toe-draharaha ireo sehatra media sosialy ireo. Afaka andro sy herinandro vitsivitsy, mety hahita izany ho fotoana handinihana ireo orinasa raha nanao ny tsy nety izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.