- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Blogstock faharoa

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 1 novambra 2007)

Nandritra ny roa andro, nivory fanindroany izay fanao isan-taona ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana [ES] [1]tao amin'ny toerana iray lavitry ny renivohitra mba hanao fety miaraka amin'ny tarika mozika sy ny toaka.  Blogstock no anaran'ny “fety”. Tsy misy famelabelaran-kevitra na symposioma hamaritana ny tontolo dizitaly, na koa fehin-kevitra momba ny fampiasana avy amin'ireo mpisera aterineto. Fetibe ao anatin'ny fiarahan'ireo mpinamana nomerika fotsiny izany ary fety ankoatra ny hafa [2].

Ny taona faharoa nifanesy, nahangona bilaogera am-polony, mpisera Twitter, mpisera Flickr ary ireo endrika hafa vaovao avy amin'ny olom-pirenena (infocitizens) nandritra ny alin'ny fety, ny zava-pisotro sy ny sakafo, endrika-Venezoeliana ny Blogstock.

Nalefa mivantana an-tserasera ho an'ireo izay nijanona tany an-trano ny hetsika. Nisy ihany koa ny Flickr tag [3] hitantarana ny lanonana manontolo. “Tsy vonona amin'izany ianao” no teny filamatra izay nahangona olona tamin'ny alalan'ny hetsika Los Guaraos” (aka ireo “mpanakorontana), izay namintina ny hetsika tamin'ny lahatsary [4] [ES]. Nahitana “meme” (sary-sy-soratra) ihany koa ny hetsika mba hitanisana ireo zavatra hoentina amin'ilay fety, sy hisorohana ny fifandirana, toy ireo zavatra asehon'ny Impulsos y Sentidos [ES] [5].

David Luna, mpaka sary, nilaza fa ny fiarahana dia: [6]

Una noche bastante divertida, entretenida, llena de muchas anécdotas, de compartir con personas que solo leemos de vez en cuando y ponerle rostro a la mayoría de los nicks que abundan en la blogosfera.

Alina nahafinaritra sy nialàna voly izany. Feno tantara nozarain'ny olona izay novakianay matetika, afaka nahita tarehy tamin'ireo anaram-bositra be dia be ao amin'ny tontolon'ny blaogy izahay.

Natao tany Venezoelà izany? Azonao atao ny manontany ireo izay manaraka ny zava-misy ara-politika ao amin'ny firenena. Inti ao amin'ny Equizopedia [ES] manome valiny [7]:

Mientras el mundo exterior piensa que Venezuela va hacia el socialismo más “extraño” y “extremo” jamas visto, mucha gente aquí no se toma las cosas muy en serio. La mejor virtud del venezolano (a su vez el peor defecto) es que aquí la gente es feliz. Pocos habitantes del planeta tierra viven tan contentos, como los nacidos en la patria de Simón Bolívar. Quizás el petróleo, la (fuera de toda regla y estadística) cantidad alucinante de mujeres bellas, la cerveza o el ron, ayudan en definitiva a que la vida acá sea increíblemente más “relajada” que en el resto de los países. Y hasta en la pasión vertiginosa política que nos tiene atrapados actualmente, buscamos la manera de seguir viviendo, riendo, disfrutando y rumbeando. Y como en todos lados, hay gente más y menos responsable con sus actos. Algo tiene este desenfadado país, que es difícil de copiar, y más explicar.

Raha mihevitra ny tontolo any ivelany fa miditra amin'ny endrika sosialisma “vahiny” sy “tafahoatra” tsy mbola fahita hatramin'izay i Venezoela, marobe kosa ny olona eto tsy mandray ny zava-drehetra ho matotra be. Ny hatsarana Venezoeliana tsara indrindra (sy ny hadisoany ratsy indrindra) dia faly ny vahoaka eto. Vitsy dia vitsy ny olona eto an-tany miaina am-pifaliana raha oharina min'ireo teraka tao an-tanindrazan'i Simón Bolívar. Angamba noho ny solika, ireo vehivavy tsara tarehy tsy mampino (mihoatra ny antontan'isa), ny labiera na ny toaka no mahatonga ny fiainana ho “mahafinaritra kokoa” tsy mampino noho ny any amin'ny firenen-kafa. Na dia eo aza ny politika mahafaninana izay mamitaka antsika ankehitriny, dia mitady fomba hanohizana ny  fiainana, hihomehy, hifalifaly ary hiara-hifehy izahay. Ary eto tahaka ny any amin'ny toerana hafa, dia misy ireo olona izay tompon'andraikitra amin'ny ataony. Misy zavatra sarotra halain-tahaka ary koa hazavaina mihitsy aza ity firenena tsy misy fahamenamenarana ity.

Manohy ny làlany amin'ny fombafomba mahafinaritra sy mampiala-voly, ho an'ny mahasoa ny fitoniana manokana ny tontolon'ny bilaogy Venezoelana. Antenaina fa hiverina indray amin'ny taona 2008 na ny Krismasy manaraka izany.