- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: 20 taona an-tranomaizina, sazy tsy mbola fahita hatrizay ho an'ny bilaogera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fandrahonana-lalàna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manolotra fotoana fohy ho fakana aina ny fanoratana momba ireo bilaogera Iraniana. Tsy misy fiafaràny ny tantara mampalahelo ary toa tsy mihena ny fandrahonana. Toy ny hoe tsy ampy ny famoretana sy ny sivana [1], fa toa miseho ihany koa ny vintan-dratsy. Ny tantaran'ireo bilaogera telo, izay samy nanefa sazy tena maharitra ela tany Iran ireto manaraka ireto.

Sakhi Rigi

Bilaogera voaheloka 20 taona an-tranomaizina tany Zahedan [2], ao amin'ny faritanin'i Sistan sy Baluchistan i Sakhi Rigi, noho ny fiampangana azy tamin'ny famoahana vaovao tsy marina sy ny “hetsika manakorontana ny fiarovam-pirenena.” Ity no sazy lava indrindra nomena ny bilaogera tao Iran.

Sakhi Rigi

Sakhi Rigi

Antsoina hoe Balouchestan Sarfaraz [3] (Rehareha ho an'ny Baluchistan) ny bilaoginy. Voasambotra ny 18 Jona 2009 i Rigi ary voatazona tao anatin'ny fepetra mampalahelo tao amin'ny fonjan'i Karon, ao Ahvaz. Nampiasaina ny fampijaliana mba hibabohany. Ankoatra ny vintan-dratsiny , nahavoarohirohy azy teo imason'ny manampahefana ny anarany mitovy amin'ny ny an'i Abdolmalek Rigi [4], ilay Balochi lehiben'ny vondrona Jundallah mpanohitra mitam-piadiana izay efa maty.

Nitatitra [5] ny Sampan-draharahan'ny Mpiaro ny Zon'olombelona fa:

… the blogger is 31 years old and was arrested six days after presidential election in 2009 and was jailed in solitary cell for seven months… he was studying in university and had just few months to end his studies… it seems his posts played a role in his jail sentence.

… 31 taona ilay bilaogera ary voasambotra enina andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2009 ary nogadraina tao anaty efitrano irery nandritra ny fito volana … nianatra tany amin'ny oniversite izy ary volana vitsy monja sisa dia hifarana ny fianarany … toa fantatra fa ny lahatsorany no nahatonga azy higadra am-ponja.

Nisy lahatsoratra vitsivitsy momba ny fifidianana filoham-pirenena nampiady hevitra tamin'ny taona 2009 sy fanehoan-kevitra momba ny fanambaràna nataon'ny mpitarika ny mpanohitra Mir Hussein Mousavi tao amin'ny bilaoginy. Namoaka lahatsoratra momba ny tantara fahiny tao Balochestan ihany koa izy sy ny momba ny mpitondra fivavahana ambony indrindra amin'ny Sonita Miozolomana ao Iran.

Hossein Derakhshan

Hossein Derakhshan

Hossein Derakhshan

Ny 8 Jona 2011, nilaza ny fianakavian'ilay bilaogera Iraniana Hossein Derakhshan fa nandà ny fangatahan'izy ireo ny fitsarana ary nanamafy ny sazy an-tranomaizina 19 taona sy tapany [6]. Nosamborina izy tamin'ny taona 2008.

Tsy mbola nisy tatitra na vaovao farany momba ity lohahevitra ity tao amin'ny bilaogy nosoratana tamin'ny teny Farsi izay noforonin'ny fianakavian'i Derakhshan, Edalat Baraye Hossein Derakhshan (midika hoe Rariny ho an'i Hossein Derakhshan). Miresaka momba [7] ny famotsorana vonjimaika an'i Hossein nandritra ny Taombaovao Iraniana volana Aprily ny lahatsoratra farany .

Nilaza [8] tamin'ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona any Iran ny loharanom-baovao fa nangataka fivoahana ny fonja vonjimaika  [9]i Derakhshan taorian'ny niampangan'ny fitsarana ambaratonga voalohany azy higadra 19 sy tapany taona an-tranomaizina tamin'ny volana Septambra 2010.

Nandefa kopian'ny mailaka nifanakalozany tamin'i Derakhshan [10] nandritra ny fotoana fohy nivoahany ny fonja ilay bilaogera sady mpanoratra Cyrus Farivar.

Vakio bebe kokoa ny momba an'i Derakhshan ao amin'ny Global Voices Advocacy [11]. Natsangan'ireo mpikatroka miaro ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera ny bilaogy Free Hoder [12] fotoana fohy taorian'ny nisamborana azy.

Hossein Rongahi Maleki

Hossein Rongahi Maleki

Hossein Rongahi Maleki

Voasazy [13] higadra 15 taona an-tranomaizina ilay bilaogera Iraniana Hossein Rongahi Maleki ary nijaly tamin'ny olana ara-pahasalamana. Nitatitra ny HRNA fa nolavina ny fahazoany fikarakarana ara-pitsaboana. Nahemotra fanintelony ny fandidiana azy faharoa .

Fanentanana ao amin'ny aterineto izay natomboka hanomezana vaovao momba ity bilaogera voafonja ity ny Avotsory Hossein [14]. Nanolo-tena ho “komity manaraka ny raharahan'i Hossein” ny Free Hossein. Araka ny fanentanana hoe:

Hossein suffers from kidney and mouth problems and is in a lot of pain. He wrote a letter about how he was tortured by Intelligence Ministry agents to be forced to confess to a prosecutor, but the letter was confiscated.

Manana olana ara-pahasalamana amin'ny voa sy ny vava i Hossein ary ao anaty fijaliana tanteraka. Nanoratra taratasy izy mikasika ny fomba nampijalian'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fitsikilovana azy tamin'ny fanerena azy hibaboka tamin'ny mpampanoa lalàna, saingy nalaina an-keriny ilay taratasy.

Nosamborina i Hossein tamin'ny volana Novambra 2009 ary nogadraina tao anaty efitrano mitokana nandritra ny herintaona mahery.

Amin'ny vaovao hafa …

Nosamborina [15] tany Iran i Ali Pour Soleiman, bilaogera sady mpampianatra. Mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Mpampianatra izy ary nanoratra tao amin'ny bilaogy Sokhane Molem (midika hoe tontolon'ny mpampianatra).

Notorian'ny [16] Biraom-panjakana ho an'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana ao amin'ny faritanin'i Chahrmahal Bakhtyari i Houman Khakpour, bilaogera miresaka momba ny tontolo iainana ao Iran, noho ny fampitandremana amin'ny loza ateraky ny tetikasan'ny fantsona mitondra etona manoloana ny tontolo iainan'ny faritra.

Inoana fa ny hany vaovao tsara dia ny famadihan'ny [17] fitsarana tampony ao Iran ny sazy fanamelohana ho faty an'ilay mpamolavola rindrambaiko sy tranonkala Saeed Malekpour izay voampanga ho namorona tranonkala mamoafady sy nanevateva ny finoana Islamo.

Ny tatitra tsy voamarina maro momba ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera nogadraina no vaovao ratsy. Miatrika ny ‘ririnina amin'ny lohataona’ indray ireo bilaogera Iraniana.