- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ho avy tsy ho ela ny rindrina aroafon'i Shina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2008)

Eo amin'ny kitendry ny ilan-tanan'ireo bilaogera Ejiptiana ary eo amin'ny fony ny ilan-tanana iray hafa. Taorian'ny famoretana vao haingana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera taorian'ny fitroarana 6 Aprily [1], milaza mihitsy ny sasany fa mbola ho avy ny ratsy indrindra.

Tarek [2], ao amin'ny Not Gr33n Data, nanoratra hoe:

It's getting more and more fishy everyday, the Newspapers are attacking what they call “The Dark World of the Internet”, you may read Al-Ahram Newspaper's article here [3] [Ar]. They are blaming the Egyptian people because they use the internet to … ehm … spread rumours, call for strikes, and post videos that may harm the Egyptian National Security!

You know what, I am getting more and more confident now, that the Government's next move will be filtering the Internet. I already had similar suspicions a long while ago, but now I am really afraid that they may start filtering the Internet here in Egypt very soon, they may block sites such as Facebook, because what's said that the April 6th General Strike was organized there. They may also block YouTube, and who knows what will they block next.

Seems that the Great Firewall of China is on its way to Egypt.

Miha-mafana hatrany isan'andro, manafika ny antsoin'izy ireo hoe “Ny Tontolo Maintin'ny Aterineto” ny Gazety, azonao atao ny mamaky ny lahatsoratra ao amin'ny Gazety Al-Ahram ato [3] [Ar]. Manome tsiny ny vahoaka Ejiptiana izy ireo satria mampiasa aterineto ny vahoaka mba … ehm … hanely tsaho, hiantso fitokonana, ary handefa horonantsary izay mety hanimba ny fiarovam-pirenena Ejiptiana!

Fantatrao ve, lasa matoky tena bebe kokoa aho izao, fa ny hetsika manaraka ataon'ny Governemanta dia ny fanivanana ny aterineto. Efa hatry ny ela aho no efa niahiahy, saingy matahotra tanteraka aho izao fa mety hanomboka hanivana ny aterineto any Ejipta atsy ho atsy izy ireo, mety hanakana ireo tranonkala tahaka ny Facebook izy ireo, satria araka ny filazana, nokarakaraina tao ny Fitokonana Faobe 6 Aprily. Mety hanakanana ny Youtube ihany koa izy ireo, ary iza no mahalala hoe inona no hosakanany manaraka.

Tahaka ny hoe eny an-dalana ho any Ejypta ny Rindrina Aroafo an'i Shina.

Mostafa Hussein [4] [Ar], avy any Ejipta ihany koa, sahiran-tsaina amin'ny fanafihana ireo mpikatroka antserasera. Mampiasa fomba mitovy tamin'ny nanoratana ny lahatsoratra izy mba hanaratsiana ny fahatokisana ny gazety ary nanoratra hoe:

أكاذيب مفضوحة‏,‏ وألفاظ مطاطة‏,‏ وسب وقذف بلا حسيب ولا رقيب‏,‏ وأخبار كاذبة‏,‏ ودعوات للتشهير‏,‏ ومحاولات للوقيعة بين أبناء الشعب الواحد‏.‏ هذه هي الصورة السوداء للصحافة الرسمية في مصر حاليا للأسف الشديد‏,‏ والتي رسم سوادها قلة من السياسيين‏,‏ وإن كان هذا السواد يغطي حاليا علي أغلبية استخدامات هذه الوسيلة الإعلامية التي يفترض أنها أكثر عراقه ونظافة من هذا المستوي إلي الدرجة التي بات الأمر معها يستدعي وقفة من القراء ضد هذه الإساءات والانتهاكات الصارخة قبل المطالبة بتدخل الجهات الشعبية لإعادة التوازن إلي هذه المنطقة الخطرة علي المجتمع وعقلة واستقراره وحريته‏!‏
وعلي الرغم من أن مصر تفخر بأنها تملك أكبر عدد من قراء الصحف في المنطقة العربية‏,‏ فإنها عانت في الفترة الأخيرة إساءة استخدام السلطة لهذه الوسيلة‏,‏ حيث باتت جرائد الحكومية الشهيرة مثل الأهرام و الأخبار ساحة مناسبة يستغلها ضعاف النفوس للتضليل والكذب‏,‏ ولتبادل عبارات السب والقذف والتعليقات المبتذلة التي تسيء إلي مصر بالدرجة الأولي‏,‏ بل وتسيء إلي هذه الوسيلة المطبوعة الراقية التي يجيد الغرب المتحضر استخدامها بما ينفع مجتمعه‏,‏ وانتشرت حملات وهمية تكالب علي إطلاقها علي الصحف بعض السياسين المصريين المندفعين بحثا عن المال والكرسي‏,‏ وربما من المستترين خلف أسماء مستعارة أو وهمية‏,‏ بعضها يتضمن دعاوي تحريضية علي التخلف أو علي نشر الأكاذيب‏.‏

Lainga mora aseho, fiteny mandrobo, fanevatevana sy fanendrikendrehana, vaovao tsy misy fotony, fanalam-baraka ary fikasana hanangana korontana eo amin'ny olom-pirenena ao amin'ny firenena iray. Izany no sary mainty avy amin'ny gazety ofisialy Ejiptiana, mampalahelo. Mpanao politika vitsivitsy no nandoko ny hamaintisany, na dia mandrakotra ny ankamaroan'ny fampiasana ity haino aman-jery ity, izay tokony ho madio sy manan-karena aza izany hamaintisana izany. Tsy maintsy ilain'ny mpamaky ankehitriny ny mandray fepetra mba hanitsy ny tsy fifandanjana ao amin'ity fitaovana mampidi-doza ity eo amin'ny fiarahamonina, manoloana ny fitoniany sy ny fahalalàny!

Na dia mirehareha aza i Egypta fa manana mpamaky gazety betsaka indrindra amin'ny tontolo Arabo, dia vao haingana izy no nijaly noho ny fanararaotana nataon'ny manampahefana tamin'ity fitaovam-baovao ity. Ireo gazetim-panjakana malaza tahaka ny Al Ahram sy Al Akhbar ankehitriny no lasa sehatra sahaza ho an'ireo izay mamitaka sy mandainga, ary koa fifanakalozana fanendrikendrehana sy fanevatevana izay manimba an'i Ejipta indrindra sy ny gazety amin'ny ankapobeny, raha mbola manohy mampiasa ity fitaovana ity amin'ny fomba mahasoa ho an'ny fiarahamoniny kosa ny Tandrefana sivilize. Natombok'ireo mpanao politika Ejiptiana mitady vola sy fahefana ny fanentanana an'eritreritra manohitra ireo gazety. Mety ho izy ireo no miafina ao ambadiky ny anarana hosoka – ary manao fihetsiketsehana mba hanaparitaka hafatra mandrisika ny fihemorana sy ny fampielezana lainga.