Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Hatramin'ny taona 2005 i Rosia sy i Venezoela no nihazona fifandraisana ara-barotra akaiky: nampiasa vola 4 miliara dolara Amerikana ilay firenena Amerikana tatsimo tamin'ny famatsiana fitaovam-piadiana Rosiana tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tonga tany Rosia (fitsidihana fahasivy nataony ho an'ity firenena ity) tamin'ny 14 Oktobra lasa teo ny Filoha Hugo Chavez, izay nitsidika an'i Eoropa sy Azia ary nihaona tamin'ny filoha Dmitry Medvedev. Nandritra ny fihaonan'izy ireo, nanasonia “drafitrasa” tamin-javatra maro i Chavez sy i Medvédev: toy ny sehatra ara-bola, ny akoranafo, ny fivarotana fitaovam-piadiana (fiara mifono vy 35 T-72 sy T-90), ny fambolena, ny fifandraisandavitra, ny fitaterana, ny kolontsaina ary ny angovo atomika.

Hugo Chávez sy Dmitriy Medvedev. Sary avy amin'ilay mpisera flickr Globovisión, ampiasaina amin'ny lisansa Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons

Tanteraka ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.

Nanomboka nirongatra ny fanehoan-kevitra momba ilay fanambarana. Nilaza i Philip Crowley, mpitondratenin'ny Departemantam-panjakana Amerikana ao amin'ny Trano Fotsy, hoe: “Ity no zavatra hojerenay…. tena akaiky dia akaiky.”

Mpisera Twitter, William R. Tellechea (@twiwilliamramon) nanoratra hoe:

ya los gringos empezaron a chillar porque ahora vamos a usar energia nuclear, respeten, somos un país soberano, socialista, “viva Chavez”

ary ankehitriny, manomboka ny “gringos” satria hampiasa ny angovo nokleary isika ankehitriny, asehoy ny fanajana, firenena mahaleotena sy sosialista izahay, “viva Chavez”

Nitsikera ny governoran'ny fanjakan'i Miranda, Henrique Capriles Radonski [es], hoy izy: “Miresaka momba ny toby nokleary izy ireo kanefa mihoatra ny 3 tapitrisa ny zaza tsy tafiditra amin'ny rafi-pampianarana, tsy mahavita ny ambaratonga faha-9 ny 58%-n'ny ankizy eny amin'ny fampianarana voalohany ary 5% monja no mahavita ny famaranana isan-karazany. Tsy maintsy ovaintsika rehetra izany zava-misy izany, fitaovana aho, saingy raha tsy misy anao dia  tsy afaka manova izany isika.

Mandalo krizy momba ny angovon’ herinaratra ratsy indrindra teo amin'ny tantarany i Venezoelà, mahazatra ao amin'ny firenena ny fahatapahan'ny herinaratra, ka miteraka tsy fahafalian'ny mponina. Mpisera Twitter Miguel Angel Nieto, (@miguelnieto863) nilaza hoe:

‎​Como puede Venezuela Pasar a la era nuclear sino pudo con la era eléctrica? (Misterios de la Revolución)

Ahoana no ahafahan'i Venezoela miditra ao anatin'ny vanim-potoana nokleary raha toa ka tsy afaka mahatratra ny vanim-potoanan'ny herinaratra izy (Misiterin'ny Revolisiona)

Nanamarina ny solontena maharitra venezoeliana ao amin'ny Firenena Mikambana, Jorge Valero “fa tsy ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana nokleary ihany no tanjon'ny NPT (Dinan'ny tsy fanapariahana nokleary), fa mba samy ho afa-miditra amin'ny teknolojia nokleary amin'ny tanjona sivily avokoa ny rehetra, noho izany dia miaro zo fiandrianana ho an'ny firenena rehetra mba hampivelatra ny indostria nokleary miaraka amin'ny tanjona mitandro fahalemana ny governemanta Venezoeliana.”

Luís Fernando Angosto manadihady ny vaovao tao amin'ny tranonkala aporrea.org [es]:

Aparentemente, cuando se trata de llegar a “ser potencia”, no importa si la vía es la socialista o la capitalista: el ansiado fin justifica los medios. Además, está siendo fácil contar con socios en este tipo de empresa; socios bienintencionados y hasta altruistas que trabajan para que las naciones alcancen su independencia. En este caso, Venezuela tiene a Rusia.

Toa, raha ny momba ny hoe “lasa matanjaka be (superpuissance)”,  dia tsy maninona raha fomba sosialista na kapitalista aza: ny faniriana nandrasana ela no manamarina ny fomba. Ankoatra izany, mora ny manantena ireo mpiara-miasa amin'ny karazana orinasa tahaka izany; ireo mpiara-miasa tsara saina na tia asa soa mihitsy no miasa mba hahafahan'ny firenena mahatratra ny fahaleovantenan'izy ireo. Amin'izany, manana an'i Rosia i Venezoela.

Juan Cristobal avy ao amin'ny bilaogy Caracas Chronicles manolotra “antony 5 ny amin'ny tsy tokony hiahiahiana momba ny faniriana noklearin'i Hugo Chavez”:

1. This is a government of incompetents. Recession. Inflation. Collapsing infrastructure. Blackouts. Rotting food containers. Abandoned plans for refineries. The Gasoducto del Sur. Need I say more? The man is a megalomaniac, and the Russians play along with the hope of scoring hefty commissions.
2. No time, no money. […]
3. The government has alienated what little human capital it has. […]
4. Our neighbors are not concerned. There has been no reaction from the Colombian government, and no reaction from the Brazilian government. If they are not worried, why should anyone else be?
5. Hugo Chávez has no political capital left. As was demonstrated in the last Parliamentary election, the majority of Venezuelans reject the Chávez administration. If the elections were held today, he would lose. […]

1. Governemanta tsy mahavita azy ity. Fitotongan'ny toekarena. Fiakaram-bidim-piainana. Firodanan'ny fotodrafitrasa. Fahatapahan-jiro. Kaontenera feno sakafo lò. Drafitra tsy tontosa amin'ny fanadiovana solitany. Ny Gasoducto del Sur. Mila miteny bebe kokoa ve aho? Mati-kambo ilay lehilahy, ary milalao amin'ny fanantenana hahazo valin-kasasarana (commissions) lehibe ny Rosiana.
2. Tsy misy fotoana, tsy misy vola. […]
3. Narian'ny governemanta ny olombelona loharanon-karena kely izay ananany. […]
4. Tsy voakasika ny mpifanolo-bodirindrina amintsika. Tsy nisy ny fanehoan-kevitra avy amin'ny governemanta Kolombiana, ary tsy nisy koa ny fanehoan-kevitra avy amin'ny governemanta Breziliana. Raha tsy manahy izy ireo, nahoana no manahy ny hafa?
5. Tsy manana loharano ara-politika i Hugo Chávez. Araka izay naseho tamin'ny fifidianana parlemantera farany, nolavin'ny ankamaroan'ny Venezoeliana ny fitondran'i Chávez. Raha natao androany ny fifidianana, dia ho resy izy. […]

Ao anatin'ny dingana savaranonando ny fanorenana ny toby nokleary ary tsy mora ho an'ny firenena an-dalam-pandrosoana miatrika olana maro ny fametrahana ity karazana fotodrafitrasa ity: olana toy ny fitomboan'ny trosa amin'ny fomba tsy voafehy intsony, Antenimieram-pirenena izay tsy manana ny maro an'isa ny governemanta, ary ny fahasimbana ara-tsosialy hita taratra tamin'ny famonoan'olona 30 isan-kerinandro, izay mahatonga an'i Caracas ho iray amin'ireo tanàna mahery sehatra indrindra manerantany. Tsy maintsy mamakafaka ny filoha Chavez amin'ny hanatanterahana ny faniriany amin'izao fotoana izao.

Nanampy tamin'ny fandikan-teny i César Santiago

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.