- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Ny Hijab sy i Frantsa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Frantsa, Fahasalamàna, Fanabeazana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2008)

Tamin'ny taona 2004, noraràn'i [1] i Frantsa ireo mpianatra ao amin'ny sekoliny mba tsy hanao fitafiana hanehoana marika ara-pivavahana sy fitafiana maneho maha-mpikambana amin'ny fivavahana – anisan'izany ny fehiloha Silamo na ny Hijab ho an'ny vehivavy. Manohitra ny fitsipika ankehitriny ireo vehivavy Saodiana – efa-taona aty aoriana, hoy ireo bilaogera.

Ahmed Al Omran, na Saudi Jeans [2], miresaka momba ny fanehoan-keviny tamin'ny lahatsoratra an-gazety  [3]izay manadihady mpianatra manohitra ny didin'ny fitondrana Frantsay.

Hoy izy nanamarika:

When the French government decided to ban all religious symbols in schools few years ago the decision hardly went unnoticed, especially by Muslims as many of them found the rule directly targeting the hijab. While I find this French rule idiotic, I find it equally if not more idiotic what some Saudi female students who got scholarships to France have to say about the implications of this rule on their education.

Rehefa nanapa-kevitra ny governemanta Frantsay mba handràra ireo marika ara-pivavahana rehetra any an-tsekoly, taona vitsy lasa izay, dia nisy nahafantatra ny fanapahan-kevitra indrindra fa ny Miozolomana satria maro tamin'izy ireo no nahita fa mikendry mivantana ny hijab ilay fitsipipika. Raha mahita ity fitsipika Frantsay ity ho adala aho, dia hitako fa mbola adala mitovy amin'izany, na adala kokoa ny nolazain'ireo mpianatra sasantsasany vehivavy Saodiana nahazo vatsim-pianarana ho any Frantsa momba ny fiantraikan'izany fitsipika izany eo amin'ny fianaran'izy ireo.

Miantso ireo manampahefana Saodiana mba “hijery” ny olana miaraka amin'ny manampahefana Frantsay, mba hamela ny vehivavy Saodiana hisarom-boaly ny iray tamin'ireo zazavavy nohadihadian'ny gazety. Namaly i Saudi Jeans ary nilaza hoe:

The only way I see for our “officials” to “sort it out” is this: one of them gets the French citizenship, he wins the presidential elections there, and then he makes the parliament change the law. Pretty straight forward, huh? No offense to Ms. Abdulhadi, but don’t you think you could have spent a few hours learning some general information about France and its laws before you apply for a scholarship there?

Another student went as far as asking the government to stop scholarships to France altogether. Sorry Missy, just because you think French laws contradict what you believe in doesn’t give you the right to deny others the chance to go and pursue a better education in that place as long as it suits their beliefs.

Ny hany fomba hitako ho an'ireo “manampahefana” mba “hamaha ny olana” dia ity: manana ny zom-pirenena frantsay ny iray amin'izy ireo, mandresy amin'ny fifidianana filoham-pirenena any izy ary avy eo manova ny lalàna amin'ny alalan'ny parlemanta. Tsotra be, huh? Tsy manompa an-dRtoa Abdulhadi, saingy tsy heverinao ve fa efa nandany ora vitsivitsy nianatra momba ny fampahalalana ankapobeny momba an'i Frantsa sy ny lalànany ianao alohan'ny nangatahanao ny vatsim-pianarana tany?

Lasa lavitra ny mpianatra iray hafa ary nangataka tamin'ny governemanta mba hampitsahatra ny vatsim-pianarana ho any Frantsa amin'ny ankapobeny. Miala tsiny Missy, satria mihevitra fotsiny ianao fa mifanohitra amin'ny zavatra inoanao ny lalàna Frantsay, tsy manome anao ny zo handà ny hafa amin'ny fahafahana handeha sy hanohy fianarana tsaratsara kokoa any amin'izany toerana izany raha toa ka mifanaraka amin'ny zavatra inoany izany.

Iray amin'ny mpamaky, Hala in the USA [4], tsy faly tamin'ny latom-peon'i Al Omran. Hoy izy:

Saudi Jeans, I didn’t like your sarcastic tone, after all, those girls were grown in here, it’s part of a sacred belief to cover up, how did you catch this tone? people can express what they think about laws, laws and policies are changing every now and then with any new and worthy viewpoints, and democracy oblige people to take all opinions into consideration even from foreigners…People can voice their requests in a free world like France as you know!!!

Saudi Jeans, tsy tiako ny feonao maneso, na izany aza, lehibe teto ireo ankizivavy ireo, anisan'ny finoana masina ny manao voaly, ahoana no nahitanao izany feo izany? Afaka maneho izay heviny momba ny lalàna ny olona, miovaova hatrany ny lalàna sy ny politika miaraka amin'ny fomba fijery vaovao sy mendrika, ary mandidy ny olona handinika ny hevitra rehetra na dia avy any ivelany aza ny demaokrasia … Afaka maneho ny fangatahan'izy ireo any amin'ny tontolo malalaka tahaka an'i Frantsa ny olona, fantatrao ve!!!

Crossroads Arabia  [5]mampifandray lahatsoratra an-gazety ary manome izao fanazavana manaraka izao:

This Arab News story reports that female Saudi students are running into problems with their hijabs in French medical schools. The article—and apparently some of the students—confuses the French law that prohibits wearing of religious symbols in elementary and secondary schools (which ban also includes kippeh or yarmulke and large crosses), with separate rules of medical schools which ban head coverings as unhygienic.

Wearing hijab in French universities is not, as a rule, forbidden. Medical schools, however, have other issues than laïcité in mind. I realize that Saudi medical schools don’t see this as a problem, but the French see it otherwise.

 

Mitatitra ny vaovao ao amin'ny Arab News fa misedra olana amin'ny hijab any amin'ny fianarana sampana fitsaboana any Frantsa ireo mpianatra Saodiana vehivavy. Ny lahatsoratra—sy ny sasany amin'ireo mpianatra koa—no toa manafangaro ny  lalàna Frantsay izay mandràra ny fanaovana famantarana ara-pivavahana any amin'ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa fototra (izay mandrara ny kippeh na yarmulke sy ny hazo fijaliana lehibe ihany koa), sy ny fitsipika miavaka any amin'ny sekoly ara-pitsaboana izay mandrara ny fanaronana ny loha satria tsy ara-pahasalamana .

Ny fanaovana hijab any amin'ny oniversite Frantsay dia tsy voararan'ny lalàna. Na izany aza, manana olana hafa noho ny maha-laika ao an-tsaina ny sekoly ara-pitsaboana. Tsapako fa ny sekolim-pitsaboana Saodiana dia tsy mahita izany ho olana, fa ny frantsay kosa mahita izany ho olana.