Tantara tamin'ny 28 Avrily 2019
Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia
Tantosa soa aman-tsara ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.
Arabia Saodita: Ny Hijab sy i Frantsa
Tamin'ny taona 2004, noraràn'i i Frantsa ireo mpianatra ao amin'ny sekoliny mba tsy hanao fitafiana hanehoana marika ara-pivavahana sy fitafiana maneho maha-mpikambana amin'ny fivavahana - anisan'izany ny fehiloha Silamo na ny Hijab ho an'ny vehivavy. Manohitra ny fitsipika ankehitriny ireo vehivavy Saodiana - efa-taona aty aoriana, hoy ireo bilaogera.
Bahrain: Omar Al Bashir sy ny fitsarana mitanila
Maneho hevitra amin'ny vaovao momba ny didy fisamborana ny filoha Sodaney Oma, navoakan'ny Fitsarana Heloka bavava Iraisam-pirenena (ICC amin'ny teny Anglisy).
Iran: Nogadraina 14 taona an-tranomaizina ilay bilaogera
Nitatitra ny bilaogera marobe fa voasazy higadra 14 taona an-tranomaizina i Mehdi Khazali, bilaogera sady mpanao matoandahatsoratra. Voasazy amin'ny kapoka karavasy in-90 ihany koa ity bilaogera ity. Azony atao ny mampakatra fitsarana amin'ity sazy ity.