Afaho Kareem: Nirotsaka koa ny tao Karaiba

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Free Kareem

Ny olana an-tokantranony no matetika ifantohan'ireo bilaogy ao Karaiba, saingy nahatohina bilaogera vitsivitsy na izany aza ny zava-manjo mampiahiahy nahazo ilay Ejiptiana bilaogera, Abdel Kareem Suleiman, ka isan'ireny ilay Kiobàna-Amerikàna mpanao gazety, Marc Masferrer, izay matetika mandefa lahatsoratra momba ny olan'ny zon'olombelona mahakasika an'i Kiobà. Ny 19 Febroary, i Masferrer dia nandrisika ireo mpamaky mba hanao sonia fanangonantsonia iray, no sady hitsidika ny “Afaho Kareem“, tamin'ny filazàna hoe:

Ny fahalalahana miteny voaporiporitra any ananona any, dia famoriporetana ny fahalalahana miteny manerana ny tany. Na ohatra aza ny tenintsika tsy mitondra gidra tahaka izany ho antsika, tena iankinan'ny ain-dehibe ny fahamailoantsika hatrany, mba tsy ho voatohintohina ny fahalalahana.

Nantsoin'i Masferrer ho “vaovao ratsy ho an'i Abdul Kareem Nabeel Suleiman, ho an'i Ejipta sy ho an'ny fahalalahana maneho hevitra” ilay fananmbaràna ny fanamelohana an'i Kareem tamin'ny 22 Febroary

Tamin'iny andro iny ihany, nanoratra lahatsoratra fohy ny WeblogBahamas nitaterany ilay vaovao, nampiany hoe, “zavadoza io na ho inona na ho inona.”

Ary tao Bermuda, Christian S. Dunleavy nampifandrohy ny tatitry ny BBC sy nampitaha ny fihetsiky ny governemanta ao Ejipta tamin'ilay fandrahonana iray vao haingana nataon'ny manampahefana iray ao amin'ny governemanta ao Bermuda — “ilay polisin'ny bilaogy ao anivon'ny PLP/BIU” — mba hitoroka any amin'ny Ministeran'ny Fifindramonina ny bilaogera iray mpila ravinahitra ao amin'ny firenena.

Bahrain: ‘Terrorist Plot’ Sparks Cynicism

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.