- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanonta hajia fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana i Libanona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Tiorkia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tantara, Vaovao Tsara

(Lahatsary teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2014)

Hanamboatra hajia ho fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana [1] ny paositra Libaney. Nanasongadina ny maha zava-dehibe ny marika amin’ izany hajia izany ny fanambaran'ny minisitry ny fifandraisan-davitra, Nicolas Sehnaoui tao amin'ny Twitter.

Nanasonia didy hanamboatra hajia nasionaly vaovao manome voninahitra ireo niharam-boina rehetra tamin'hy fandripahana ny Armeniana izahay androany.

Ho antso ataontsika amin'izao tontolo izao mba hahafantatra ny fandripahana ny Armeniana izany hajia ho apetaka amin'ny valopy alefa manerana izao tontolo izao izany.

Fanambarana ho an'ireo namana olom-pirenena Armeniana ihany koa izany fa anisan'ny ivon'ny fiarahamonintsika Libaney izy ireo ary mirehareha amin'izy ireo isika.

Sarin'ny hajia vaovao hivoaka ho fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana

Tombanana ho Armeniana anelanelan'ny 1 kahatramin'ny 1,5 tapitrisa no namoy ny ainy tao Torkia amin'izao  fotoana izao (teo ambanin'ny fitondrana ottoman tamin'izany fotoana izany), nanomboka ny volana avrily 1915, tamin'ilay antsoina hoe fandripahana Armeniana.

Nanararaotra izany ireo mpikatroka sy mpanohana mba hampahatsiahy an'izao tontolo izao ny maha zava-dehibe ny fankatoavana fisian'ny fandripahana Armeniana.

Misaotra anareo izahay manome voninahitra ireo niharam-boina tamin'ny fandripahana, toko mahatsiravina teo amin'ny tantara tamin'ny taonjato faha-20.

Should be used on the turkish embassy's docs 😉 “@NicolaSehnaoui [7]: the new stamp in memory of the Armenian Genocide pic.twitter.com/QXLR9rlSrR [9]

— Adham Hassanieh (@AdhamMG) January 28, 2014 [10]

Tokony ampiasaina amin'ireo antontan-taratasin'ny ambasady Tiorka 😉 @NicolaSehnaoui: ny hajia vaovao ho fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana

@NicolaSehnaoui Handefa valopy any Torkia miaraka amin'ilay hajia aho

@NicolaSehnaoui misaotra tamin'ny fandraisanao anjara ho an'ny armeniana #mankatoa fisian'ny fandripahana armeniana

Mpahay tantara, Rory Yeomans any Londra, milaza ny maha zava-dehibe azy ara-tantara:

Tapitra ny fireharehan'i Hitler: “Iza ankehitriny no mahatsiaro ny Armeniana?” Izao tontolo izao, angamba 🙂

Tsy miombon-kevitra kosa ilay Tiorka, Mehmet Kosucu tao amin'ny Twitter:

@NicolaSehnaoui Fahatezerana manohitra ny maha-izy ny Tiorka mifototra amin'ny fihantsian'ny tandrefana. Lainga imperialista ny fandripahana.
@MFATurkey [Minisiteran'ny raharaham-bahiny Tiorka] @NicolaSehnaoui Ampitandremo azafady ity minisitra mankahala avy any Liban ity, izay mahita fankahalana mora foana amin'i Liban.