- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fanantenan'ny mpisera twitter Shinoa amin'ny fitsidihan'i Obama an'i Shina

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tonga tany Shanghai ny filohan'i Etazonia Barack Obama ary nanomboka ny fitsidihany ofisialy voalohany tany Shina ny volana Novambra 2009. Nandritra ny tapa-bolana, nampiasa ny tenirohy #obamacn [1] ny mpisera Twitter Shinoa mba hametrahana fanontaniana sy fanehoan-kevitra ary ny iray amin'ireo ahiahiny lehibe mikasika ny Rindrin'Afo Lehibe.

Miangavy anao izahay mba handrava ny Rindrina!

Ilay bilaogera avy ao Guangzhou wenyunchao [2] no namoaka ny sioka tena niparitaka indrindra :

奥巴马总统,请跟胡锦涛主席说:柏林墙已经被推倒了20年,请拆除GFW这堵墙。(Link [3])

Ry Filoha Obama, azafady mba lazao amin'ny filoha Hu Jintao fa efa rava ny Rindrin'i Berlin nandritra ny 20 taona, miangavy anao mba handrava ny Rindrin'afo Lehibe.

Eny tokoa, sioka maro no naneho fiahiana sahala amin'izany. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

czdmmaochong: Obama,pl pull down the fucking Great Firewall! (link [4])
-
cranewang: @barackobama China's effort to block the web is affecting both US inet companies & civil liberty in cn. will u do anything? (link [5])
-
newsinchina: President Obama,Please ask Mr.Hu to visit berlintwitterwall.com to listen to the voice of Chinese netizen. (link [6])
-
Free2E: Chinese now hope to pull down GFW. Please told Chairman Hu to pull off GFW, and give freedom to chinese (Free2E: Chinese now hope to pull down GFW. Please told Chairman Hu to pull off GFW, and give freedom to chinese
http://twitter.com/Free2E/statuses/5441100439>Link)
-
greenhome521: what can America do with the censorship in China?(link [7])
-
Trigant: Mr. Obama, help us KO the bloody GFW. Yes, you can! Thank you very much.(Link [8])

czdmmaochong: Obama, ravao ny Rindrin'Afo Lehibe ! ( rohy [4] )
-
cranewang: @barackobama Ny ezak'i Shina hanakana ny tranonkala dia sady misy fiantraikany eo amin'ny orinasa Amerikana sy ny fahalalahana sivily ao cn. Inona no ataonao? (rohy [5])
-
newsinchina: Filoha Obama, miangavy anao mba hangataka an'Atoa Hu hitsidika  ny  berlintwitterwall.com mba hihaino ny feon'ny mpisera Shinoa. (rohy [6])
-
Free2E: Manantena ny Shinoa ankehitriny fa hanongotra ny Rindrin'Afo Lehibe. Miangavy anao mba hilaza amin'ny Filoha Hu mba handrava ny Rindrin'Afo Lehibe, ary hanome fahalalahana ho an'ny Shinoa
-
Greenhome521: Inona no azon'ny Amerikana atao amin'ny sivana any Shina? (rohy [7])
-
Trigant: Andriamatoa Obama, ampio izahay hamotika ny Rindrin'Afo Lehibe mihosondrà. Eny, azonao atao izany! Misaotra betsaka (Rohy [8])


Fivoriana mivantana tao amin'ny Lapan'ny Tanana ho an'ny daholobe tamin'ny alalan'ny Twitter sy Facebook

Nandritra izany fotoana izany,  ny fihaonana tao amin'ny Lapan'ny Tanana [9] niaraka tamin'ny mpianatra tao Shanghai ny 16 Novambra 2009 no hetsika ampahibemaso voalohany nataon'i Obama tao Shina. Araka ny bilaogin'ny Trano Fotsy:

the President will interact with young Chinese and discuss the relationship between our two countries in the years ahead.  Attendees of the event will come from several Universities in the Shanghai area. During this event, the President will take questions from the live audience, as well as from the online Chinese community. The online community in China has been submitting questions on a variety of websites including Xinhuanet [10], Sohu [11] and the U.S. Embassy in Beijing’s website [12].

The Town Hall will be livestreamed on Whitehouse.gov/live [13]. You can also join us on the official White House page on Facebook [14] or the Embassy's website [12] to view and participate in a live discussion during the event.

hifanerasera amin'ireo tanora Shinoa ny filoha ary hiresaka momba ny fifandraisana misy eo amin'ny firenena roa tonta ato ho ato.  Avy amin'ny Oniversite marobe any amin'ny faritra Shanghai ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika. Nandray fanontaniana avy amin'ny mpihaino mivantana ny filoha nandritra ity hetsika it , ary avy amin'ny vondrom-piarahamonina Shinoa an-tserasera. Nametraka fanontaniana avy amin'ny tranonkala isankarazany ny vondrom-piarahamonina an-tserasera ao Shina, anisan'izany ny Xinhuanet [10], Sohu [11] ary ny Masoivohon'i Etazonia ao amin'ny vohikalan'i Beijing . [15]

Hitanao mivantana ao amin'ny Whitehouse.gov/live [13] ny fihaonana tao amin'ny Lapan'ny Tanana. Azonao atao ihany koa ny mitsidika ny tranonkalan'ny Trano Fotsy ofisialy ao amin'ny Facebook [14] na ny tranokalan'ny Masoivoho [15] raha hijery sy (handray anjara) tamin'ny adihevitra mivantana nandritra ny hetsika.

Ankoatra ireo fikarakarana ofisialy ireo dia nampita mivantana ny fihaonana tao Shanghai tamin'ny alàlan'ny kaonty twitter @GZPAS ihany koa ny Masoivoho Jeneraly ao Guangzhou. Nanangona fanontaniana tamin'ny alalan'ny connectsolutions [16] ihany koa ny Departemantam-panjakana Amerikana .

Hodidinina rindrina ve i Obama?

Since both facebook and twitter are now blocked in China, twitterers wonder if the Chinese government would show its hospitality to Obama by unblocking the sites tomorrow? If that's the case, for how long will these sites be accessible to Chinese netizens? Twitterers like try2feel wonder:

Satria samy voasakana tany Shina tamin'io fotoana io ny facebook sy ny twitter dia nanontany tena ny mpisera Twitter raha toa ka hampiseho ny fitiavany mandray vahiny an'i Obama ny governemanta Shinoa amin'ny alàlan'ny fanalàna ireo sakana amin'ny tranonkala ? Raha izany no izy, mandra-paharahoviana ary no azo idirana ireo tranonkala ireo ho an'ny mpisera Shinoa? Nanontany tena ny mpisera Twitter toa an'i try2feel:

Thinking what Obama will say in SH when Chinese youth ask him how 2 connect Facebook & Twitter in this country #Obamacn (Link [17])

Eritreretina hoe inona no holazain'i Obama ao amin'ny SH rehefa manontany azy ny tanora Shinoa hoe ahoana no fomba hidirana amin'ny Facebook sy Twitter eto amin'ity firenena ity #Obamacn (Rohy [17])