Kiobà : Fisamborana ilay bilaogera Yoani Sànchez

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina tany amin’ny faritanin’i Bayamo, ilay bilaogera sady mpiaro ny zon’olombelona, Yoani Sànchez. Nandeha tany an-toerana izy mba hitatitra ny fitsaràna an’ilay Espaniola Angel Carromero, izay voampanga tamin'ny famonoana olona tsy nahy taorian’ny lozam-pifamoivoizana iray nahafaty an’i Oswaldo Payá, izay mpiaro ny demaokrasia, sy ilay mpikatroka Harold Cepero. Tonga tany Kiobà i Angel Carromero tamin’ny volana Jolay (2012) mba hihaona amin’ireo mpikatroka ao amin’ny firenena.

Yoani Sanchez. Photo by Orlando Luis Pardo Lazo.

Yoani Sánchez. Sary avy amin'i Orlando Luis Pardo Lazo.

Nosamborina niaraka tamin’i Yoani Sànchez, izay mpanoratra ny bilaogy Generacion Y sady tompon’andraikitra ny fanoratana lahatsoratra ao amin'ny bilaogin’ny vondrom-piarahamonina Voces Cubanas, ny vadiny, Reinaldo Escobar, izay mpanao gazety mahaleotena, ary niaraka tamin’ilay bilaogera Augustin Diaz. Tamin’ny ora nanoratana, vitsivitsy ihany ny vaovao niparitaka momba ny fisamborana azy ireo. Mitaky ny famotsorana tsy misy hatak’andro ireo bilaogera miisa telo ireo ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety, fikambanana miaro ny fahalalahana an-gazety.

Sarotra ny mahazo vaovao sy manazava hoe avy aiza izy ireo. Na dia izany aza, maro ireo fampahalalam-baovao no nitatitra fa i Yohandry Fantana, ilay bilaogera mpomba ny governemanta, no voalohany nitatitra ny tantara. Nanoratra izy fa nanatrika ny fitsarana i Yoani Sànchez mba hamoronana ny «Fampisehoana [cirque] malaza an-gazety».

Yoani Sánchez a été arrêtée hier à Bayamo, où elle se rendait dans le but de provoquer et de mener un cirque médiatique afin d’entraver la bonne marche du procès tenu demain contre le ressortissant espagnol Angel Francisco Carromero Barrios.

Nosamborina omaly tao Bayamo i Yoani Sànchez, tao ny toerana nalehany handrisihana sy hitarihana Fampisehoana [cirque] malaza an-gazety hanohintohinana ny fizotry ny fitsarana an'ilay ilay teratany Espaniola Angel Francisco Carromero Barrios izay hatao rahampitso, .

Nitatitra taty aoriana kely i Orlando Luis Pardo Lazo, bilaogera malaza iray hafa sady namana akaiky an’i Yoani Sànchez fa noahiahiany ho nalaina ny findain'i Sànchez.

‏@OLPL : Movil 52708611 de @YoaniSanchez est coupé, voilà pourquoi elle n’a pas pu dénoncer son arrestation.

@OLPL : Tsy mahazo ny Movil 52708611 an’I YoaniSànchez, izany no mahatonga azy tsy afaka nitantara ny fisamborana azy.

Nanambara ny fampahalalam-baovao vahiny fa naharay hafatra tonga ho azy izy ireo izay nanambara fa tsy azo antso ny findain’i Yaoni Sànchez, izay nampiasainy matetika mba hifandraisana amin’ireo mpanao gazety sy ireo mpanohana ivelan’ny firenena. Tsy vao voalohany izao no voasambotra ity mpanao gazety ity, na izany aza, dia navotsotra foana izy rehefa afaka ora vitsivitsy.  Afaka nifandray tamin’ireo namany sy ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny hafatra SMS izy tamin’ny taona 2010 raha nosamborina .

Tao amin’ny Twitter, nitatitra ity tranga ity ireo olona manerana izao tontolo izao ary niantso ny famotsorana azy miaraka amin’ny tenirohy #YoaniLibre.

Nanoratra tao amin’ny bilaogy Penúltimos Días i Ernesto Hernandez Busto hoe :

N’y a-t-il donc personne au @PPopular qui ait un peu honte et condamne la détention de Yoani Sánchez qui ne fait que son travail de journaliste indépendante ? #Cuba

Tsy misy ve olona mba menatra any @ PPopular ka manameloka ny fitazonana an’i Yoani Sànchez izay nanao ny asany fotsiny amin’ny maha mpanao gazety tsy miankina azy ?

Naneho hevitra tao amin’ny Facebook i Jose Conde  hoe :

Les autorités cubaines ont arrêtées Yoani Sánchez pour avoir exprimé son opinion. Il faut croire que rien n’a changé sur l’île… c’est triste et inquiétant.

Nosamborin’ny manampahefana Kiobana i Yoani Sànchez noho ny fanehoany ny heviny. Azo antoka fa tsy nisy fiovana tao amin’ny Nosy … Mampalahelo sady mampiahiahy izany.

Azonao jerena ny vaovao bebe kokoa momba an’ Kiobà ato amin’ny pejin’ny Global Voices natokana ho an’i Kioba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.