Shina: Lany andro ny bilaogy?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Hotontosaina amin'ny 15-16 novambra ao Guangzhou, Shina ny fihaonamben'ny bilaogera Shinoa faha-4.

Na dia izany aza, tamin'ny taon-dasa, misy ny adihevitra mitohy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Shinoa mikasika ny hoe maty sa tsia ny kolontsaina bilaogy. Ankoatra izay, vao haingana ny bokee.com sy blogchina.com, BSPs roa voalohany indrindra natsangan'i Fang dong-xing (solon'anarana mpialoha lalana tamin'ny bilaogy) ao Shina no tafiditra anaty olana ara-barotra. Mitady fampiasam-bola hamadika ny tranonkala ho seha-piarahamonina media marolafy i Fang.

Tamin'ny volana jolay, nanambara i Maitian, bilaogera mavitrika fa lany daty ny fibilaogina ary nanapa-kevitra hivadika ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy izy mba hifandraisana amin'ny namany.

作为一个活跃的博客(Blog)作者,三年多以来,我一直坚持更新一个专业博客《麦田的读书生活》。在这份基本上保持每周更新的博客上,我一直以“自媒体”的模式,几乎全部文章都围绕互联网网站运营,尤其是社区和电子商务方面内容。这份博客给我带来了一些所谓“名声”和快乐,带来了非常高的访问量——但现在,我却在认真思考一个问题:是不是应该关了这个博客。

因为,博客(Blog)已经过时了。

Amin'ny maha bilaogera mavitrika ahy, tao anatin'ny telo taona lasa, nanizingizina hanavao ny bilaogiko “Maitians's reading life” saika isan-kerinandro aho. Mampihatra ny modely “me the media (izaho media)” aho ary manohy manoratra momba ny fiarahamonina sy ny orinasan'ny aterineto. Nanome laza ahy sy fitsidihana tena betsaka izany bilaogy izany. Na izany aza, mandinika mafy aho raha tokony hakatona ity bilaogy ity.

Satria efa lany andro ny bilaogy..

Ankoatra ny hoe resin'ny orinasan'ny aterineto, tahaka ny SINA ny ankamaroan'ny sehatra famahanam-bilaogy tsy miankina, mahita ilay bilaogera fa tsy afaka mifaninana amin'ny fitaovana hafa, toy ny QQ ny endrika fifandraisana amin'ny bilaogy. Na izany aza, ny fanamby lehibe indrindra dia ny firongatry ny SNS.

但我现在认为,以Facebook为代表的SNS的真正力量,是“博客终结者”——SNS应用在“自媒体”和“交互”两方面,都比博客应用更具有效率。博客完成了网民的“主体性”,SNS将完成网民的“主体间性”。

Ankehitriny dia mahatsapa aho fa ny SNS, atolotry ny Facebook, no fiafaran'ny bilaogy – ny SNS, rehefa ampitahaina amin'ny fomba fiasan'ny “media” sy ny “ifanatrehana” dia mahomby lavitra noho ny bilaogy. Raha milaza isika fa manome feo tsy miankina ho an'ny mpiserasera ny bilaogy, ny SNS kosa hanatanteraka ny hevitry ny “inter-subjectivité” eo amin'ny mpiserasera.

Ankoatra ny fanoratana ity lahatsoratra ity, nijanona tamin'ny fanoratana tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera ary nifindra tany amin'ny SNS telo hafa. Na dia izany aza, notononina matetika ho manazava ny olana ara-barotra vao haingana ao amin'ny BSP ao Shina ny lahatsorany.

William long, bilaogera teknolojia malaza, nanondro ilay lahatsoratra ihany koa mba haneho hevitra momba ny fanjavonan'ireo tolotra maro hafa momba ny blaogy, toy ny fanangonam-baovao BSP sy RSS ao Shina:

我们看到的现象是,BSP以及和博客相关的第三方服务正在一个接一个的消失,博客已经度过了其最辉煌的日子,正慢慢走向一个黑暗的未来,其最主要的原因,我看是因为这些博客第三方服务无法从中盈利。

为什么无法盈利呢?以内容建设的观点看,博客自身的内容质量应该比SNS、Twitter、DIGG等要高,流量也不算少,借助广告实现规模收入也是有 可能的,但是目前博客广告盈利的方式非常单一,基本上集中在Google AdSense上,这也导致了博客的盈利预期受到了Google的控制和影响。

Ny zavatra hitanay dia manjavona tsikelikely ny BSP sy ireo tolotra mifandraika amin'ny bilaogy, nandao ny andro volamenany ny bilaogy ary nandeha tanaty hoavy maizina. Ny antony lehibe dia satria tsy mety hahazoana tombombarotra ireo tolotra manodidina ny bilaogy.

Nahoana no tsy mahazo tombombarotra izy ireo? Ny hatsaràn'ny votoatin'ny bilaogy dia tsara kokoa noho ny SNS, Twitter ary Digg, avo lenta ny mpamaky azy. Tokony hahazo fidiram-bola avy amin'ny dokam-barotra izy ireo. Na eo aza izany, amin'izao fotoana izao, tsy dia misy loatra ny fidiram-bolan'ny bilaogera. Amin'ny ankapobeny, miankina amin'ny Google AdSense izy ireo. Izay midika fa misy lasan'ny Google ny tombombarotr'y ry zareo.

Google一上来就收购或者开发了一大堆免费的博客工具如Google Reader、FeedBurner、Blogsearch等等,将这些第三方博客服务的盈利梦想彻底打破,使得类似FeedDemon的服务只好免费, 但市场份额依旧被Google Reader占领,从而导致第三方博客服务无法实现盈利,最终转向Google一家独大的局面。

Rehefa niditra ny sehatra ny Google, dia namolavola fitaovana fibilaogina goavana marobe, toy ny google reader, feedburner, blogsearch, sns … izay nanimba ny nofinofin'ny BSP amin'ny fidiram-bola ary manana sata ampihimamba amin'ny tsena ny google.

Na dia izany aza, manantena kokoa ny hoavin'ny bilaogy izy ary tsy miombon-kevitra fa hosoloan'ny SNS ny bilaogy:

博客的特点就是个性化和开放性,其内容质量相对较高,而SNS相对来说较为封闭,特别是对搜索引擎封闭,这和博客的开放形成鲜明对比,SNS的封闭 性不利于信息的传播,一篇好文章难以在SNS中广泛传播,而目前国内SNS普遍都是复制美国Facebook的模式,这条路非死不可。依我看来,国内 SNS做的最好的是腾讯QQ,但你几乎找不到QQ和Facebook的任何一个相同点,更绝的是腾讯从来不说自己搞得是SNS。

Misokatra kokoa sy manokana kokoa ny bilaogy, ambony kokoa ny kalitaony. Mikatona kokoa ny SNS, indrindra manoloana ny milina fikarohana. Mifanohitra amin'ny fisokafan'ny bilaogy izany ary misy fiantraikany amin'ny fampielezam-baovao. Tena sarotra haely amin'ny SNS ny lahatsoratra tsara. Ankehitriny, maka tahaka facebook ny ankamaroan'ny SNS any Shina, izay fara-vahaolana. Ny SNS tsara indrindra dia ny QQ an'ny Tencent, saingy tsy mahita fitoviana eo amin'ny QQ sy ny facebook ianao. Ny zavatra mahatsikaiky dia tsy nanambara mihitsy ny Tencent fa SNS.

Namintina ilay bilaogera fa tsy fiafaran'ny bilaogy ny tsy fahombiazan'ny BSP sy ny tolotra hafa momba ny bilaogy, etsy ankilany, afaka manangana bilaogy mahaleotena manokana ny bilaogera.

Andao hiandry ary hijery izay horesahan'ireo bilaogera Shinoa momba izany ao amin'ny fihaonamben'ny bilaogera Shinoa atsy ho atsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.