- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'ny manampahefana Tajik ny Facebook ary nampanantsoiny ny filoha tale jeneraliny

Sokajy: Tajikistan, Fitsipika, Mediam-bahoaka, Solovava, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka ny 26 Novambra 2012, mpisera Facebook maherin'ny 41.000 [1] tany Tajikistan no tsy afaka niditra tamin'ny tranokalan'ny tambajotra sosialy. Fanindroany tao anatin'ny folo volana farany no nanomezan'ny ny manampahefana Tajik  baiko [2] ireo mpamatsy tolotra aterineto sy ny mpandraharaha finday ao amin'ny firenena mba hanakana ny Facebook noho ny ‘antony ara-teknika’.

Kanefa, araka ny soso-kevitra [3] nataon'i Farkhod tao amin'ny blogiston.tj hoe:

Самое страшное не то, что заблокировали Фейсбук, а то, как это объяснили…

Tsy ny fanakanana ny Facebook no  zavatra ratsy indrindra fa ny fanazavana …

Nilaza [2] i Beg Zukhurov, talen'ny sampan-draharahan'ny serasera tantanan'ny fanjakana raha niresaka tamin'ny fampitam-baovao fa maro ireo “akademika, dokotera, ary olona manan-danja ara-kolotsaina” no nangataka azy hanakana ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy noho ny “fanalam-baraka sy fanendrikendrehana” ao anatin'izany. Nilaza [4] ihany koa izy fa misy ireo mpisera Facebook no mahazo vola mitentina  5.000 dolara ka hatramin'ny 10.000 dolara amerikana amin'ny fandefasana fanehoan-kevitra  “miiba” sy “manevateva” momba ny fitondrana Tajik .

[5]

Beg Zukhurov, lehiben'ny sampan-draharahan'ny fifandraisandavitra tantanan’ fanjakana ao Tajikistan. Sary tao amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny yandexdisk ny volana 17 Aogositra 2012.

Nampiantso an'i Zuckerberg

Ny fanambaràn'i Zukhurov fa tiany ho tonga any Tajikistan ny mpanorina sady tale jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg no nahatonga ireo mpisera aterineto maro haneso. Nilaza [4] i Zukhurov araka ny filazan'ny BBC Rosiana  hoe:

Вообще хозяин у этого Facebook есть или нет? Он не может приехать в Таджикистан? Я бы с ним в дни приема встретился. Если у него нет времени, можно поговорить с кем-то из его помощников.

Manana tompony ve ity Facebook ity sa tsia? Afaka makaty Tajikistan ve izy? Te hihaona aminy aho mandritra ny ora fiasako. Raha tsy manam-potoana izy dia afaka mihaona amin'ny iray amin'ireo lefiny aho.

Nitatitra [6] avy eo ny masoivohom-baovao Asia-PLUS fa amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora tolakandro ny Asabotsy no ora fiasan'i Zukhurov ahafahany mihaona amin'i Zuckerberg na ny lefiny.

Namaly tamin'ny fanehoan-kevitra mahatsikaiky sy fanamarihana feno fahatezerana ireo mpisera. Ohatra, nanoratra [7] ilay bilaogera Iskandar Zarafshoni hoe:

Все таки лучше чтобы Цукерберг Зухурова послушал и приехал к нему на встречу как можно быстрее. Ато он разозлится и вызовет на встречу Бараку Обаму за то что он не контролирует фейсбук. Барак может придти к Захарову навстречу в приемные дни )))

Tsara kokoa ho an'i Zuckerberg ny manaraka izay fangatahana ary mihaona amin'i Zukurov faran'izay haingana. Raha tsy izany, mety ho tezitra izy [Zukhurov] ary hampiantso an'i Barack Obama satria tsy nanara-maso ny Facebook. Mety ho tonga hihaona amin'i Zukhurov mandritra ny ora fiasany i Barack [Obama])))

Manesoeso ny manampahefana

Ankoatra ny fanesoana ny tsy fahalalana hananan'i Zukhurov momba ny Facebook sy ny fanapaha-keviny hampiantso an'i Zuckerberg, dia tezitra ihany koa ny mpisera Tajik tamin'ny tsy fahaizan'ny manampahefana miteny araka ny tokony ho izy. Teny vary amin'akotry sady teny Rosiana no Tajik ny antsafany [8] tao amin'ny Radio Ozodi izay tsy toa tsy araka fomba fitenin'ny manampahefana rehefa miresaka amin'ny rakipeo.

Nanoratra [9] ilay bilaogera Shukufa hoe :

Он же разговаривает как человек, который даже в школу никогда не ходил. Я никогда не думала, что чиновник на такой высокой государственной должности может ТАК разговаривать – на уровне 10-летнего мальчика, продающего “салафан” на базаре.

Miteny toy ny olona tsy nianatra izy. Tsy noeritreretiko mihitsy fa TOY IZANY ny firesaky ny manampahefana mitana toerana lehibe ao amin'ny governemanta – tahaka ny zazalahy kely 10 taona mivarotra harona plastika eny an-tsena.

Nampiany [9] avy eo hoe:

То, что Бег клоун – это всем понятно. Но КАК такой человек, не умеющий говорить и скрывать свою придурковатость, попал на рыководящую правительственную должность? Он ведь позорит не только себя, но и все правительство Таджикистана. Да что там правительство – ВСЮ СТРАНУ!

Mazava ho an'ny rehetra fa mahatsikaiky izany Beg [Zukhurov] izany . Nefa ahoana ny olona tahaka izany izay tsy mahay miteny ara-dalana na manafina ny fahadalany no lasa manana asa fitantanam-panjakana ao amin'ny governemanta? Tsy manala baraka ny tenany ihany izy, fa manala baraka ny governemanta iray manontolo ao Tajikistan. Ary [nanala baraka] ny FIRENENA IRAY MANONTOLO IZY raha tsy lazaina ny governemanta!

Nanamarika [3] ilay bilaogera, Teocrat fa misy didim-panjakana maromaro izay tsy nankatoavin'i Zukhurov noho ny baiko fanakatonana ny Facebook. Nizara [10] teknika samihafa izay azo ampiasaina hidirana amin'ny Facebook na dia eo aza ny sakana ilay bilaogera Tajik iray hafa, KHURRSHED.

Nandritra izany fotoana izany, nanambara [8] tamin'ny mpanao gazety i Zukhurov telo andro taorian'ny nanakanana ny tambajotra sosialy fa nisy vondron'olona “mpilatsaka an-tsitrapo” izay manara-maso ny aterineto nangataka azy mba hitazona ny fanakatonana ny Facebook. Nitatitra [11] ny Global Voices ny volana Jolay 2012 fa nikasa ny hanangana fikambanana mpanara-maso i Zukhurov mba hanaraha-maso ireo famoahana fanehoan-kevitra an-tserasera sy ny tranonkala misy votoaty “maniratsira” sy “manala-baraka”. Raha ny hita dia efa natsangana sy miasa ny fikambanana toy izany ao Tajikistan. Na izany mihitsy no tadiavin'ny manampahefana hinoan'ny Tajiks.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Alexander Sodiqov [12].