- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Daroka baomba tamin'ny fiangonana sy hotely maro niteraka horohoro tao Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Voina, Zon'olombelona
[1]

Ilay fiangonana manantantaran'i St Anthony ao Kochikade ao Colombo izay faleha malaza ho an'ny Sri Lankey sy ny mpizahatany. Mihoatra ny 50 ny olona maty tao tamin'ny marainan'ny Alahady 21 avrily 2019. Saripikan'i AntanO via Wikimedia Commons CC: BY-SA 4.0.

Voadaroky [2] ny andiam-pipoahana miisa valo tamin'ny marainan'ny alahadin'ny Paska (21 avrily 2019) tany amin'ireo faritra betsaka fiangonana sy hotely manerana ny firenena i Sri Lanka, ka farafahavitsiny olona 207 no maty ary mihoatra ny 450 no naratra.

Lasibatr'ireo fipoahana miisa enina voaomana sy niara-nirefotra ny fiangonana feno mpivavaka manatrika ny fotoanan'ny alahady marainan'ny Paska. Tafiditra ao anatin'izany ny fiangonana St. Anthony [3] ao Kochchikade ao Colombo, ny fiangonana St. Sebastian ao Negombo, ary ny fiangonana Ziona amin'ny tanàna betsaka Tamil ao Batticaloa. Farafahakeliny olona 67 no maty tao amin'ny fiangonana St Sebastian fotsiny.

Singan'horohoro Srilanka

Nokendren'ny fipoahana baomba ihany koa ireo hotely mirentirenty ao an-drenivohitra, Colombo, tafiditra amin'izany ny Cinnamon Grand, ny Kingsbury, ary ny Shangri-La, izay farafahakeliny 35 ny vahiny maty tamin'izany.

Vahiny 35 tao anatin'ireo tratran'ny fipoahan'ny baomba tao Sri Lanka. Ao anatin'ireo lasibatra ireo ny avy any Etazonia, Danemarka, Shina, Japan, Pakistan, Maraoka, India ary Bangladesh – Mpitondratenin'ny hopitalim-Pirenena.

Tao amin'ny hotely kely iray tao Dehiwala itatry ny renivohitra Colombo ny fipoahana fahavalo:

Ny fipoahana fahavalo dia fanaovana vivery ny ainy nanapoaka ny tenany tao amin'ny distrikan'i Dematagoda ao Colombo izay nahafatesana polisy telo.

Miteny amin'ny gazety ny minisitra amin'izao fotoana izao hoe hisy ny hetsika hatao hampitsaharana ny asan'ny vondrona mahery fihetsika rehetra ao amin'ny firenena. Voarara vonjimaika ny media sosialy. Manaron'afo mandritra ny 12 ora manomboka amin'ny 6 ora hariva. Heverina ho avy amin'ireo sehatra mivoaka ny lalàna ny fipoahana tao Dehiwela sy Dematagoda

Mbola tsy nisy ireo nilaza ho tompon'antoka tamin'ity fanafihana ity. Na izany aza, mihevitra ireo tatitra fa ireo mpanao vivery ny ainy no nanao izao zavatra izao [21].

Nambaran [22]‘ny governemanta Srilankey ny tsy fahazoana mivezivezy manerana ny nosy manomboka amin'ny enina ora hariva ka mandra-maraina. Ankoatra izay, nobahanana [23] vonjimaika ny habaka media sosialy tahaka ny Facebook sy ny Instagram isorohana an'izay mety ho fampielezana vaovao sandoka.

Voamarina: Voasakana eto Srilanka ny Facebook, WhatsApp, Instagram, YouTube, Viber, Snapchat ary Messenger taorian'ny andiam-panafihana fiangonana sy fandraisam-bahiny nahafatesana olona maro; mbola mitohy ny raharaha

Miangavy mba hieritreritra mialoha ny hizaranao azy – indro misy sary omban-torohay hanampy anao hamantatra ireo faikam-baovao sy fandisoam-baovao.

Na izany aza tsy voasakana ny Twitter ary manolotra torohay tena ilaina.

Arisivan'ny fanafihana rehetra nandritra ny paska sy ny siokan'ny fanafihana rehetra ao amin'ny [rohy] izay misy fanavaozam-baovao isan'ora, mandra-pahatongan'ny amin'ny herinandro manaraka farafahakeliny.

Firenena marofoko sy ahitana fivavahana isankarazany i Sri Lanka [37]. Sinhalese (74,8%) no mandrafitra ny vondrom-poko lehibe indrindra ao amin'ny firenena, arahan'ny Tamil Sri Lankey (11,2%) ary ny Moor Sri Lankey (9,2%). Eo amin'ny sehatry ny fivavahana indray, Boddhista (saika avy amin'ny vondrom-poko Sinhalese) ahitana ny 70 isanjaton'ny mponina 22 tapitrisa arahin'ny Haindò (13%), Miozolomana (10%) ary Kristiana (7%).

Efa niaretan'ny firenena ny ady an-trano [38] naharitra telopolo taona nifanaovan'ny tafiky ny governemanta tamin'ny milisy mitam-piadian'ny mpisintaka Tamil Liberation Tigers of Tamil Eelam [39] (LTTE) nifarana tamin'ny taona 2009. Lasa nampahatsiaro [40] ny olompirenena ny fanafihana tamin'izany fotoana izany [41] izao fandarohana baomba izao.

Nianiana ny minisitry ny fiarovana Ruwan Wijewardane handray ny fepetra rehetra [42] sy izay tokony atao hiadiana amin'izay vondrona mahery fihetsika rehetra manao ny ataony ao amin'ny Firenena. Heno ihany koa ny valintenin'ny governemantan'i Zealand vaovao taorian'ny fitifirana tao Christchurch tamin'ny volana marsa farany teo:

Mandrisika ny media ny minisiteram-panjakana misahana ny fiarovana @RWijewardene [19] tsy hamoaka ny anaran'ireo nanafika androany. Mampitandrina izy fa mety hanararaotra ny toe-draharaha ny vondrona hafa mahery fihetsika ka hampisy fihenjanana eo amin'ny vondrom-pîarahamonina. “Aza manome feo ny ekstiremista. Aza manao izay hahatonga azy ireo ho maritiora”

Mandrisika ny vahoakan'i Srilanka tsy hampiely “honohono” ny Kardinaly Arshevekan'i Colombo Malcolm Ranjith ary “hiandry am-pitoniana sy hiasa ho amin'ny fandriampahalemana sy ny firindrana”.

Praiminisitra mihaona amin'ny minisitra sy manamboninahitra ambony ao amin'ny tafika; raisina ny fepetra rehetra hitazonana ny fandriampahalemana. Nohamfisina ny fiarovana. Miangavy mba ho tony. Miangavy hihetsika am-pisainana sy tompon'andraikitra. Miangavy aza miditra [adilahy] politika. Tsy maintsy miasa miaraka amin'ny maha-olompirenen'i Srilanka isika. Miara-ory amin'ireo fianakaviana rehetra namoy ny olo-tiany aho.

Mitovy hevitra amin'izany ny mpanao gazety mpanira-tena sady mpanabe, Kelum Samarasena:

Mihevitra aho fa tokony haka lesona avy amin'i Zealandy Vaovao i Srilanka. Aleo tsy misy mitantara maimaimpoana mihitsy ilay fankahalan'ny mpampihorohoro izay dokambarotra no tena tanjony ambony indrindra. Ny lasibatra sy ny firaisankinan'ny vahoaka no ifantohana. Andao [ny lasibatra] no vaovao ampitaina…

Mandrisika ny Srilankey rehetra ny praiminisitra Ranil Wickremesinghe ho tony sy hivondrona [48].

Nifamorivory nankany amin'ny hopitaly ny olona hanome ra:

Manaja ? ry Sri Lankey??!
Fahatsarampo tambabe, afa-mirehareha isika rehetra!
Mirohotra ireo mpanome ra, maro ny olon manome ra any amin'ny hopitaly araka ny fangatahan'ny governemanta!

 

Vao avy niverina tany amin'ny hopitalin'i Batticaloa izay nahitako maso ny alahelo tsy mampinosy nahitako ihany koa ireo olona avy amin'ny foko sy finoana rehetra miasa miaraka hamaly ireo lasibatry ny fandarohana baomba ny fiangonana androany. Maro ireo nanonona ny tantarany manokana sy iraisana amin'ny famoizana raha andalam-piasana ry zareo

Nanameloka [55] ny herisetra ny sehatra iraisampirenena ka anisan'ny iraisampirenena ny Papa Fransoà.

Tohina mahita ny fiaraha-miory avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.
Amin'izao toe-javatra izao, aoka isika Srilankey tsy ho tratran'ny fizarazarana.

[Tantara mbola mitohy izy ity ka hanome fanavaozam-baovao farany indrindra izahay raha azo atao.]