- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana ny mpitarika ny hetsika “SOS Venezuela”

Sokajy: Venezoela, Fandrahonana-lalàna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Feo voarahona, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2014)

Ny takarivan'ny 7 mey, nosamborin'ny Sampan-draharahan'ny Fitsikilovam-pirenena Bolivariana ao Venezoela (SEBIN, fanafohezan-teny amin'ny teny espaniola) tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Caracas ilay mpahay toekarena sady mpikatroka zon'olombelona Rodrigo Diamanti, ary nentina tany amin'ny foiben-toeran'ny SEBIN. Notazonina nandritra ny 48 ora teo ho eo i Diamanti ary avy eo navotsotra taorian'ny fisedrana. Araka ny voalazan'ny mpisolovavany [1], Nizar El Fakih, voaràra tsy mahazo mivoaka ny firenena i Diamanti .

Protest in Venezuela. Photo by Gabriel Bastidas (@Gbastidas) via Twitter.

Fihetsiketsehana ao Venezoela. Sary avy amin'i Gabriel Bastidas (@Gbastidas) via Twitter. Protest in Venezuela. Photo by Gabriel Bastidas (@Gbastidas) via Twitter.

Araka ny voalazan'ny vavahadim-baovao mpomba ny governemanta [2]“La Iguana” [2], voampanga ho “tafiditra amin'ny fahasimban'ny làlam-bahoaka sy fihazonana baomba” tao amin'ny biraon'ny FTMF (ONG) ao Caracas i Diamanti. Diamanti no filoha sady mpanorina ny ONG “Un Mundo Sin Mordaza” (Tontolo Tsy misy Tampim-bava), ONg ambadiky ny fanentanana “SOS Venezuela” sy ny “Ny feonao no herinao.” Herinandro monja talohan'izay, nidiran'ireo manampahefanan'ny SEBIN an-keriny [3] ny biraon'ilay FTMF.

Mampiseho tranga hafa ao amin'ny krizy ara-tsosialy izay nanomboka tamin'ny nahafatesan'i Hugo Chavez tamin'ny taon-dasa ity fizaràna ity, izay indrisy fa mahazatra amin'ny tontolon'ny famoretana sy sivana amin'izao fotoana izao ao Venezoelà ary nitombo tamin'ny volana Febroary, raha nanomboka ny fihetsiketsehana, izay ao anatin'ny volana fahatelo amin'izao fotoana izao [4]. Ny Alakamisy maraina teo, nandrava toby roa tany Caracas izay nanaovan'ny mpianatra fihetsiketsehana nandritra ny herinandro maromaro ny mpiambina firenena ary nisambotra olona 243. Raha navotsotra taorian'ny fisedrana ny sasany, ny hafa kosa nogadraina ary namoahana fiampangana, notazonina kosa ny ankamaroan'izy ireo ary miandry ny fiampangana azy ireo. Mandritra izany, mbola manohy ny fivorian'izy ireo miaraka amin'ireo manampahefanan'ny governemanta amin'ilay lazaina hoe “latabatra fifanakalozan-kevitra” izay tsy dia nisy fivoarana loatra hatramin'izao ireo mpitarika mpanohitra ara-politika sy ny mpandraharaha .