- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dokambarotry ny Orinasa Bangladeshi Mpanao Loko, Nokianin'ireo Mpandàla ny Zavakanto Nentindrazana Alpana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Saripika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Mitovy kokoa amin'ny hosodoko atao eo ambony lamba fa tsy aminà rindrina. Afaka mahita azy ireny ianao ao Tikoil, Gosaipur, ary vohitra maro hafa any avaratr'i Bengal. Sary: Tareq Onu. fampiasàna nahazoana alàlana.

Ao Chapai Nawabganj, [2] distrika iray avaratra andrefan'i Bangladesh, toetra iray no ifampizaran'ireo vohitra rehetra — trano nentindrazana vita amin'ny feta [3] ary nolokoina hosodoko marevaka fantatra amin'ny hoe Alpana [4].  Tikoil dia iray amin'ireo vohitra nahazo laza ho Vohitry ny Alpana [5].

Rehefa tonga ny Taombaovao Bengali (fantatra amin'ny hoe Pahela Baisakh [6]), namoaka dokambarotra fanentanana iray vaovao ny “Berger Paints Bangladesh Limited”, orinasa iray sangany amin'ny fanamboarana loko ao amin'ny firenena, nanasongadinany ny vohitr'i Tikoil. Asongadin'ilay dokambarotra ny fomba iray afaka anoloana ireo loko nentindrazana fampiasan'ny Alpana mpanakanto, niteraka kiana niely be teny anatin'ny vondrom-piarahamonina anaty aterineto.

[7]

Trano feta iray mahazatra hita ao Bangladesh. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons, an'i Kayser Ahmad. CC: BY-SA 3.0

Singa iray tsy afaka misaraka amin'ny lova eny ambanivohitr'i Bangladesh ireo Trano Feta [3], ary hita any amin'ireo havoana sy faritra an-tendrombohitra. Toerana somary natao avo no ametrahana azy ireny, vita taminà feta sy mololo nafangaro sy nafatratra  mba ho ampiasaina amin'ny fanorenana ny rindrina sy ny gorodona. Tsy toy ny trano hafa, fa ny trano feta dia manome anao fahatsapana hoe afaka iainana foana ao anatiny, na ririnina na lohataona, satria tazoniny ho mangatsiatsiaka ny ao anatiny raha mafana be ny any ivelany, ary mafana kosa rehefa mangatsiaka ny any ivelany. Misy trano feta iray ao Naogaon, distrika any avaratr'i Bangladesh , mirehareha amin'ireo efitrano 108 ao aminy [8].

Tsy afaka apetraka tsara ny tena tantara marina momba ny fombandrazana Alpana ao amin'ity faritra ity, fantatra amin'ny hoe Varendra [9] . Na izany aza, lazain'ny olona fa efa taranaka maro mifandimby tamin-dry zareo no nitàna ity fondrandrazana ity tsy ho faty. Matetika no vehivavy ireo mpanakanto Alpana namorona ireny ravaka ireny, nandritra ireo fotoana toy ny lanonam-piderana na fampakarambady Silamo na Hindo. Atao sary any anaty trano ihany koa ny Alpana.

Ny dingana feno fahaizana mamorona ananan'ny taokanto Alpana dia mifototra amin'ireo teknika efa voasedran'ny taona maro nifandimby. Ny loko dia namboarina avy amin'ny ravina ‘curry’, fotaka mena, vary mena nampangotrahina, fasika ary ravina hafa.

Orinasa mpanao loko nitondra resabe tamin'ny taonkanto Alpana

Toy ny milaza ilay dokan'ny “Berger Paints Bangladesh Limited” fa tsy maharitra ela ireo loko voajanahary Alpana, fa azon'ny ranon'orana fafàna. Ho solony, atolotr'ilay orinasa ireo loko vokariny, ho azon'ireo mpanakanto Alpana hanoloana ny taloha mba hiantohana ny faharetan'ny sary ataon-dry zareo ho ela kokoa.

https://youtu.be/s_ClVEKkVnU[ [10]

Vantany vao nalefa ilay dokambarotra, betsaka no nanakiana ilay hevitra hampiasàna loko tsy voajanahary. Ilay mpanoratra miasa tena sady mpakasary, Apu Nazrul, [11] manoratra ao amin'ny  Facebook hoe:

সারা পৃথিবী যখন ইন-অর্গানিকের ধ্বংস থেকে বাঁচতে হন্য হয়ে অর্গানিক সোর্স খুঁজছে ঠিক সেই মুহুর্তে টিকোইল গ্রামে গিয়ে বার্জার অর্গানিক সোর্স থেকে রঙ তৈরী করা গ্রামবাসীর হাতে তুলে দিয়েছে নিজেদের সিনথেটিক রঙ। তার ফলে এখন নাকি আর কয়দিন পর পর রঙ করা লাগবেনা, রঙ স্থায়ী হবে৷ কি ভয়াবহ কথা! আলপনা ঘন ঘন আঁকা হতো বলেই না গ্রামবাসী এত দক্ষ হয়ে উঠেছে। স্থায়ী আলপনা বসে গেলে আর প্র্যাক্টিসের সুযোগ কই আর বৈচিত্র্যই আসবে কোত্থেকে?

Raha izao tontolo izao miverina mampiasa vokatra voajanahary, ny Berger kosa manolotra ny loko voatrolombelona novokariny ho an'ireo mpanakanto Alpana ao amin'ny vohitr'i Tikoil . Vokany, tsy ilain'ireo mpankanto intsony ny handoko manaraka ny vanintaona tsirairay, haharitra mandrakizay ny loko. Zava-doza! Nivoatra ny traikefan'ireny mpanakanto ireny satria nilain-dry zareo foana ny nanao sary Alpanas. Rehefa lasa maharitra ela ny loko eny amin'ny rindrina, ahoana ny hahafahan-dry zareo mahazo fotoana hampiharana ary avy aiza no hiavian'ireo hevitra vaovao samihafa?

Ao amin'ny Twitter, Chowdhury Ripon nanakiana ny Berger ho manimba ny fombandrazana famoronana sary Alpana nampiasàna loko voajanahary, izay efa naharitra taonjato maro:

Ry @BergerPaintsBD [12] mahantra, tsy mahavita akory na dia ny manoratra tsara ny #চাঁপাই [13] #শিল্পী [14] #বাঙালি [15]  aza, ankehitriny manala baraka tena manolo ny #kolontsaina efa an-jato taona maro nataon'ireo mponina am-bohitra manao sary Alpana amin'ny fampiasàna loko voajanahary.

Farjana K. Tithi, mpampiasa Facebook , dia miantso [26] ny “Berger Paints Bangladesh Limited”  mba hiasa amin'ny fikarohana sy fampandrosoana hahatonga ny loko voajanahary ho lovainjafy.

Tsy Tikoil irery ao amin'ny faritra no vohitra malaza amin'ny asa kantony Alpana. Gosaipur koa, vohitra mifanila aminy, dia voalokon'ireo mpanakanto. Sady bilaogera, mpivenjivenjy ary mpihanika tendrombohitra i Tareq Onu, nizara tao amin'ny andian-tsary Facebook ny [27] vitsivitsy tamin'ireo sary tao Gosipur

[28]

Tsy mpanao hosodoko matihanina ry zareo; kanefa, lasa tena marevaka ny rindrin'ireo trano, miharo ny fahaizana mamorona ananan'ireo vehivavy ao an-trano. Sary: Tareq Onu . Fampiasàna nahazoana alàlana

[29]

Tsy hoe asa kanto fotsiny izy itony fa sady fampianarana ihany koa ireo fotoan-dehibe manandanja teo amin'ny tantara, toy ny Ady Fanafahana an'i Bangladesh. Sary: Tareq Onu . Fampiasàna nahazoana alàlana

[30]

Dinozaoro efa ringana natao sary teo amin'ity rindrina ity ihany koa. Ankizivavy mpianatra no nanao azy io. Sary: Tareq Onu . Fampiasàna nahazoana alàlana.

[31]

Sary: Tareq Onu . Fampiasàna nahazoana alàlana.

Mbola tsy naharaisana valiny momba ireny kiana ireny ny Berger. Fa, nanohana [32] ny fandokoana Alpana ny faritra iray mirefy 27.871 metatra toradroa ao amin'ireo araben'i Manik Mia Avenue ao Dhaka renivohitr'i Bangladesh izy ny 14 Aprily 2019, mba hankalazana ny Taombaovao Bengali.