- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Miroso ny lalàna mifehy ny aterineto, na dia misy fiovana aza

Sokajy: Venezoela, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010)

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra voalohany, ny 14 Desambra, nankatoavin'ny Antenimieram-pirenena Venezoeliana ny fanavaozana ny Lalàna momba ny andraikitra ara-tsosialy amin'ny Radio, Televiziona ary ny fampitam-baovao Elektronika [1] ary nahemotra androany ny amin'ny Lalàna momba ny Fifandraisan-davitra. Na izany aza, tsy nitovy tamin'ireo navoaka tao amin'ny tranokalan'ny Antenimiera ireo lahatsoratra izay nodinihina omaly, ary teboka maromaro no nesorina, anisan'izany ny fametrahana Network Access Point (Seha-pidirana tambajotra), ary nesorina ihany koa ny fomba fiteny hoe “fitondrantena sy fomba fanao tsara”.

Ny lahatsoratra farany, izay tafaporitsaka tao amin'ny aterineto, dia mbola ahitana ny fitsipika milaza fa tompon'andraikitra amin'ny votoaty rehetra azo idiran'ny mpiseraserany ny mpamatsy tolotra aterineto ary tsy maintsy manana rafitra mba hamerana ireo hafatra voaràran'ny lalàna.

Eo koa ny fandraràna ny votoaty rehetra izay:

1. Inciten y promuevan el odio y la intolerancia por razones religiosas, políticas, por diferencia de género, por racismo o xenofobia.
2. Inciten o promuevan y/o hagan apología al delito.
3. Constituyan propaganda de Guerra.
4. Fomenten zozobra en la ciudadanía o alteren el orden público.
5. Desconozcan a las autoridades legítimamente constituidas.
6. Induzcan al homicidio.
7. Inciten o promuevan el incumplimiento del ordenamiento jurídico vigente.

1. Mandrisika sy mampiroborobo ny fankahalana sy ny tsy fandeferana amin'ny fivavahana, ny politika ary ny fahasamihafana eo amin'ny lahy sy ny vavy, amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra na fankahalana vahiny.
2. Mandrisika na mampiroborobo sy/na manamarina heloka.
3. Manangana fanentanana ady.
4. Mandrisika korontana eo amin'ny olom-pirenena na manelingelina ny filaminam-bahoaka.
5. Tsy mety mankatoa ny fahefan'ny governemanta.
6. Mitarika vono olona.
7. Mandrisika na mampiroborobo ny fanitsakitsahana ny lalàna misy.

Nohazavaina ihany koa fa ny fandraràna ireo votoaty mikasika ny firaisana ara-nofo sy ny herisetra dia mihatra amin'ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra ihany. Ankoatra izay, mbola mitoetra ny fandraràna ny tsy fitononana anarana sy ny “hafatra manohitra ny fiarovana ny Firenena”.

Araka ny Lalàmpanorenana Venezoeliana, mba hankatoavana ity volavolan-dalàna ity, dia tsy maintsy manao famakiana faharoa ny Antenimiera, izay efa nomanina androany. Hanan-kery ny lalàna ny ampitso amin'ny famoahana azy ao amin'ny Gazetim-Pirenena, satria tsy ahitana ny ” vacatio legis”.

Ao amin'ny Twitter, ampiasain'ny olona ny tenirohy #SOSInternetVE  [2]mba hanoherana ity lalàna ity.

Rohy:
(Venezoela: famakiana faharoa ny lalàna mba hifehezana ny aterineto [ES] [3]
Volavolan-dalàna ao amin'ny Scribd [ES] [4]