- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naneho hevitra momba ny horohorontany tany Haiti ny bilaogera Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Karaiba, Haiti, Rosia, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Voina, Akon'ny RuNet

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Horohoron-tany mahery vaika tany Haïti no nanjary loza voalohany manerantany tamin'ny taona 2010. Na dia lavitry ny loza aza ireo bilaogera Rosiana, dia nirohotra naneho ny fanohanan'izy ireo [1] [RUS] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany. Tsy ela dia nanjary iray tamin'ireo lohahevitra noresahana be indrindra tao amin'ny RuNet ny zava-doza tao Haiti. Na dia maro aza ireo bilaogera nitanisa ny vaovao farany mifandraika amin'ilay loza  [2][RUS], dia vitsy ireo nihoatra lavitry ny lohatenin'ny masoivohom-baovao. Manome songadina sasantsasany avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana ny GV .

Mpisera LJ dainik [3] [RUS] nanoratra hoe:

Потрясен новостями с Гаити, чтобы так разворотило страну… Видел кадры в новостях, правительство не справляется с бедствием. Говорят, что это самое сильное землетрясение в регионе за последние двести лет. 7 баллов.

Natahotra ny vaovao avy any Haiti aho, rava ny firenena … Nahita ny vaovao aho, tsy miatrika ny loza ny governemanta. Milaza izy ireo fa ity no horohoron-tany faran'izay ratsy indrindra nandritra ny 200 taona farany. Maridrefy 7,0.

Mpisera Twitter playpausenstop niaiky [4] [RUS] ihany koa fa natahotra izy nijery ireo sary avy any Haiti.

Bilaogera mgsupgs nampitaha [5] ny horohorontany tany Haiti tamin'ny horohorontany tany Spitak, Armenia, ny taona 1988 [6]. Nilaza izy fa marobe ireo niharam-boina noho ny faharatsian'ny fenitra fanorenana trano. Mitaky fahavononana maharitra amin'ny loza voajanahary mialoha ny hahatongavan'izany ity bilaogera ity, no sady nandinika manokana ny kalitaon'ireo tranobe (efa ratsy). Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny bilaogin'ilay mpampiasa LJ germanych [7] ny fenitra ratsy amin'ny fanorenana trano any amin'ny repoblika sovietika taloha.

Ho an'ny bilaogera sasany, nanome antony hijerena ny herin'ny natiora ny horohorontany. Hilarios, mpisera LJ, ohatra, nanoratra [8] hoe [RUS]:

Как бы человечество не старалось бы обуздать капризы природы, все эти попытки заканчивались провалом. Огромный багаж знаний, колоссальные средства – ни что простив разбушевавшейся стихии.

Afaka manao araka izay vitany handresena ireo haitraitran'ny natiora ny zanak'olombelona, saingy tsy mahomby foana ireo ezaka ireo. Tsy misy dikany ny fahalalana midadasika sy ny harena goavambe manoloana ny loza mahatsiravina.

Bilaogera iray hafa nanasongadina ny mihoatra ny zava-misy mampihoro-koditra amin'ny zava-mitranga. Vladimir Milov (mpampiasa LJ v-milov) nanoratra [9] hoe [RUS]:

Картинка разрушенного президентского дворца в Порт-о-Пренсе – как будто сошедший с экранов голливудский апокалиптический фильм. Помните, по-моему, “Крепкий орешек” четвертый, где они симулировали разрушение вашингтонского Капитолия? А тут – всё в реальности.

Ny sarin'ny lapam-panjakana ao Port-au-Prince mitovy amin'ny horonantsary Apokalipitika Hollywood hafa nivoaka ny efijery. Tadidinao ve, mino aho, ny sarimihetsika “Die Hard 4″ izay naka tahaka ny fahasimban'ny Capitol any Washington, D.C.? Ary eto – tena izy izany.

Anton Maliavski (mpampiasa LJ maliavski) nanamarika [10] tsara fa mitady hahatsiaro an'i Haiti ny olona rehefa misy zavatra ratsy mitranga any:

Среди современных государств Гаити, пожалуй, рекордсмен в области плохих новостей. Вообще новости из Гаити приходят редко, но всегда только плохие. Все последние десятилетия человечество вспоминает об этом тропическом острове с веселым населением исключительно по причине каких-то происходящих там кошмаров. То диктатура мрачных Дювалье (сначала папа Док, потом бэби Док), потом правление бесноватого попа Аристида, военный переворот, резня, перманентные беспорядки и т.д. И все это параллельно с тотальной бедностью местного населения. Теперь вот еще землетрясение. […]

Кино про Гаити тоже всегда с плохим концом. “Комедианты” с Бартоном и Тэйлор, “На Юг” с Шарлоттой Рэмплинг, – везде failed love, смерть и насилие.

Жалко их. И ведь даже непонятно, чем можно помочь этой стране. Хотя, по большому счету, ведь и России непонятно чем можно помочь… Заколдованы.

Amin'ireo firenena amin'izao fotoana izao, i Haiti, no heveriko, fa ahitana vaovao ratsy be indrindra. Amin'ny ankapobeny, vitsy ny vaovao avy any Haïti, saingy vaovao ratsy foana. Nandritra ny folo taona farany, nahatsiaro ity nosy trôpikaly manana mponina falifaly ity ny olona noho ny zava-nitranga nampihoron-koditra tao. Tamin'ny voalohany, dia ny didy jadon'i Duvalier (Papa Doc [11] [EN], avy eo Baby Doc [12] [EN]), avy eo ny fitondran'i Aristide [13] [EN], fanonganam-panjakana, vono olona, ​fitroarana sivily naharitra, sns. Izany rehetra izany miampy ny fahantrana tanteraka eo amin'ny vahoaka. Ankehitriny, misy ny horohoron-tany. […] Matetika tsy mifarana mahafinaritra ny sarimihetsika momba an'i Haiti.  “The Comedians [14]” [EN] miaraka amin'i Burton sy Taylor, “Heading South [15]” miaraka amin'i Charlotte Rampling – fitiavana tsy nahomby, fahafatesana ary herisetra no hita eny rehetra eny. Miala tsiny ho azy ireo aho. Ary tsy mazava ny fomba ahafahan'ny olona manampy ity firenena ity. Na dia izany aza, amin'ny ankapobeny, tsy mazava koa ny fomba hanampiana an'i Rosia…  tratran'ny fandraikiraikena

Mpisera Mail.ru user elekorostele naneho hevitra hoe [16] [RUS]:

Ужасно…Вот когда понимаешь,насколько смешны наши повседневные капризы.

Mampihoron-koditra … Ity no fotoana ahatakaranao fa mampihomehy ny haitraitrantsika isan'andro.