Tantara tamin'ny 21 Avrily 2019
Bilaogeran'ny herinandro: Salam Adil
Taorian'ny lahatsoratra 90 nivoaka ara-potoana ao amin'ny Global Voices, dia nanjary fantatry ny rehetra ny fiangavian'i Salam Adil: Raha tsy mamaky lahatsoratra hafa ianao amin'ity herinandro ity, dia vakio ity. Bilaogera nanomboka tamin'ny volana Mey 2005, nanatevin-daharana ny GV niaraka tamin'i Iràka i Salam tamin'ny fiandohan'ny taona 2006.
Naneho hevitra momba ny horohorontany tany Haiti ny bilaogera Rosiana

Horohoron-tany mahery vaika tany Haïti no nanjary loza voalohany manerantany tamin'ny taona 2010. Na dia lavitry ny loza aza ireo bilaogera Rosiana, dia nirohotra naneho ny fanohanan'izy ireo [RUS] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany. Tsy ela dia nanjary iray tamin'ireo lohahevitra noresahana be indrindra tao amin'ny RuNet ny zava-doza tao Haiti.
Venezoela: Miroso ny lalàna mifehy ny aterineto, na dia misy fiovana aza

Ny lahatsoratra farany, izay tafaporitsaka tao amin'ny aterineto, dia mbola ahitana ny fitsipika milaza fa tompon'andraikitra amin'ny votoaty rehetra azo idiran'ny mpiseraserany ny mpamatsy tolotra aterineto ary tsy maintsy manana rafitra mba hamerana ireo hafatra voaràran'ny lalàna.





