- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Lahatsary vaovao manome ny antsipirian'ny fisamborana ny filoha teo aloha

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 4 mey 2011)
Ao anatin'ny fitantaranay manokana ny rotaka tao Côte d'Ivoire tamin'ny taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Mbola misy ihany ny fanjavozavoana tamin'ny fizotran'ny toe-draharaha nahatonga ny fahazoana an'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha tao Cote d'Ivoire, sy ny vadiny Simone, taorian'ny fisamborana [2] tao an-tanànan'i Abidjan tamin'ny 11 Avrily 2011.

Navoakan'ny tranonkala Abidjan.net [3] [fr] ireo andian-dahatsary [4] [fr] mitondra ny lohateny hoe, “Ny filman'ny fisamborana an'i Laurent Gbagbo: Singa vaovao” (”Le Film de l'arrestation de Laurent Gbagbo: De nouveaux Éléments”), izay nozaraina ho lahatsary efatra samy manana 10-14 minitra avy. Asehon'ny lahatsary ny ampahany tamin'ireo fizotran'ny raharaha nisamborana an'i Gbagbo, nanomboka hatrany amin'ny nidarohan'ny Tafika Manokana Frantsay ny tranony ka hatrany amin'ny famindrana ny fianakavian'i Gbagbo ho ao amin'ny Hotel du Golf.

Singa vaovao

Asehon'ny lahatsary voalohany [5] [fr] tamin'ny andiany izay nitranga tao an'efitrano taoriana kely monja ny fisamborana an-dry Gbagbo. Niteny teo anoloan'ny fakantsary mihitsy aza i Simone Gbagbo, ny vadin'ny filoha teo aloha; momba ireo miaramila mitam-piadiana sy ireo Liberiana mpikarama an'ady izay mbola mifandramatra ao Abidjan tamin'izany fotoana, hoe:

Les tirs ce n'est pas bon.

Tsy tsara ny fifampitifirana.

Nilazàna izy ny hiteny mafimafy kokoa, saingy namaly hoe:

I cannot, I am out of breath.

Tsy afaka aho, tsy azoko ny aiko.

Tsy nokitakitaina loatra izy mivady, ary nantsoina hoe “Maman” mihitsy aza i Simone, izay mari-panajana any amin'ny ankamaroan'ny fiarahamonina afrikana. Manamafy izany fa nohajaina ny fanorotoroana avy amin'i Alassane Ouattara, izay prezidà ofisialin'ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire amin'izao fotoana.

Tao amin'ny lahatsary farany, nanazava izay nitranga tao amin'ny “bunker” ny iray amin'ireo miaramila ivoariana nandray anjara tamin'ny fisamborana ny filoha teo aloha:

Désiré Tagro a appelé pour dire qu'il va sortir avec un drapeau blanc, (…) de ne pas tirer. (…) On a arrêté de tirer, et ils sont tous sortis en rang comme des rats. Gbagbo en tête dans un gilet pare-balle français. Nous avons pris Gbagbo seul, on l'a mis dans la voiture du Gal Wattao, direction le Golf

Niantso i Désire Tagro (iray amin'ireo minisitr'i Gbagbo, izay maty [6] [fr] taoriana kelin'ny toe-draharaha) fa hivoaka miaraka amin'ny saina fotsy izy, […] miangavy anay tsy hitifitra. […] Ary dia nitsahatra izahay tsy nitifitra, ary nilahatra nivoaka tahaka ny voalavo ry zareo. Gbagbo no teo aloha indrindra tamin'ny filaharana, manao arobala frantsay. Gbagbo ihany no nalainay, nampidirinay tao amin'ny fiaran'ny Jeneraly Wattao izy, ary nizotra nankany amin'ny [Hotel du] Golf izahay.

Nasehon'ny lahatsary ihany koa ireo ao amin'ny fianakaviana, izay niara-nosamborina tamin'izy mivady, ary natoby tao amin'ny efitra hafa tao amin'ny trano fandraisam-bahiny (hotel):

Ilay lazaina ho antsafan'i Gbagbo

Taorian'ny fisamborana an'i Laurent Gbagbo, nafindra [7] [fr] ho any Korhogo, any avaratr'i Côte d'Ivoire, izay iainany ao amin'ny trano tsy azony ivoahana, izy. Mbola manana mpanohana ihany izy, indrindra eo amin'ny Ivoariana, sy ireo Afrikana ampielezana [8] [fr].

Nisy mihitsy aza moa ny fielezan'ny vaovao fisian'izay lazaina ho antsafa [9] [fr] nomen'i Laurent Gbagbo mangingina tamin'ny mpanao gazety iray any Geneva. Nanazava moa ilay mpanao gazety voalaza fa nahazo hafatra an-tsoratra avy amin'ny filoha teo aloha, izay nampiasa ny finday adinon'iray amin'ireo mpitazona azy.

Nanesoeso amin'izany vaovao izany ny Ivoariana mpiserasera. Nilaza i Yopougon10, momba ity lazaina ho antsafa teo ambanin'ny lahatsoratra bilaogy [10] [fr] iray hoe:

mdr !!! Gbagbo a certainement autant gagné ces élections qu'il a réalisé cette interview !!

tpt!!! Mety ho nandresy tamin'ny fifidianana mihitsy i Gbagbo raha nanao io antsafa io!!

Araka an'i @Woizo_SP [11] tao amin'ny tambajotra sosialy Twitter:

Lol le sms de gbagbo pour interview: “c'est Laurent Gbagbo. Appelez-moi si vous pouvez, c'est pas une blague” mdrr ça sent le faux

tpt, ny sms an'i Gbagbo hanaovana ilay antsafa: “Laurent Gbagbo ity, antsoy aho raha afaka ianao, tsy vazivazy” tpt, tahaka ny hoe hosoka

Tsy voamarina ny mahatena izy ilay antsafa, ary araka ireo manampahaizana manokana, azo itokisana fa tsy nisy mihitsy izany antsafa izany.

Filoha teo aloha nokarakaraina tsara

Tamin'ny alatsinainy 2 Mey 2011, notsidihan'ireo mpikambana telo avy amin'ny vondrona “The Elders [12]” i Laurent Gbagbo, ireto avy izany: Koffi Anan, Desmond Tutu ary i Mary Robinson. Nolazainy fa tiany ny firenena “hiverina amin'ny laoniny”.

Namoaka sary vitsivitsy tamin'izany fitsidihana izany i John James, solontenan'ny BBC ao  Côte d'Ivoire, tao amin'ny Facebook [13].

Lauren Gbagbo and Koffi Anan in Korhogo, Côte d'Ivoire. Image by John James, posted on Facebook. [14]

Lauren Gbagbo sy i Koffi Anan tao Korhogo, Côte d'Ivoire. Sary avy amin'i John James, nivoaka tao amin'ny Facebook.

Nokasaina [15] [fr] hotontosaina amin'ny 4 mey 2011 ny fihainoana savaranonando an'i Laurent Gbagbo, saingy nahemotra ho amin'ny 6 mey izany araka ny nosoratan'ny mpanao gazety Théophile Kouamouo tao amin'ny bilaoginy [16] [fr].

Ao anatin'ny fitantaranay manokana ny rotaka tao Côte d'Ivoire tamin'ny taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity.