Venezoela: Nampiadi-hevitra be ny lalàna mifehy ny aterineto

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010)

Volana maromaro taorian'ny nielezan'ny tsaho, nohamafisina tamin'ny zoma lasa teo fa manomana fanavaozan-dalàna ny governemanta Venezoelana mba hifehezana ny fidirana sy ny fampiasana ny aterineto ao amin'ny firenena.

Ny lalàna izay havaozina dia ny Lalàna momba ny andraikitra ara-tsosialy amin'ny Radio sy ny Televiziona (fantatra amin'ny hoe Resorte Law). Nampahafantarina tao amin'ny Antenimieram-pirenena ity volavolan-dalàna ity tamin'ny zoma lasa teo ary horesahana amin'ny alakamisy ny toa  fankatoavan'ny mpikambana amin'izao fotoana azy nandritra ny herinandro farany, izay hosoloina ny 5 janoary manaraka. Ankoatra izany, horesahana ny fanavaozana vaovao ny Lalànan'ny fifandraisandavitra, mba hanambaràna fa tolotra ho an'ny vahoaka ny tolotra amin'ny radio, fahitalavitra sy ny fifandraisan-davitra.

Ny volavolan-dalàna dia mikasa hampiditra ny fampitam-baovao elektronika ho toy ny lohahevitra iray amin'ny lalàna, ny fanovana ny fotoana malalaka amin'ny fandefasan-kafatra, ny fampidirana ny lisitr'ireo hafatra tsy ho avelan'ny fitaovana rehetra ny fandefasana azy, ary fanovana maromaro momba ny dingana amin'ny sazy ara-panjakana, ary tsinjovin'ny andininy faha-212 amin'ilay lalàna novolavolaina ny fananganana Toeram-Pidirana Tambajotra nasionaly fehezin'ny governemanta :

El Estado creará un punto de interconexión o punto de acceso a la red de los proveedores de servicios de Internet en Venezuela con la finalidad de manejar el tráfico con origen y destino en Venezuela, con el objeto de utilizar de manera más eficiente las redes del país dado el carácter estratégico del sector.

Hanangana seha-pifaneraserana na Toeram-Pidirana Tambajotra (Network Access Point NAP) amin'ny mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Venezoela ny fanjakana, mba hitantanana ny fifamoivoizana rehetra miainga sy miafara eto Venezoelà, mba hampahomby kokoa ny tambajotra eto amin'ny firenena, noho ny toetra ara-stratejika an'ity sehatra ity.

Na dia tsy nanome fanazavana betsaka momba ny volavolan-dalàna aza ny manampahefana, dia fantatra fa, raha jerena ny hevi-baventy teo aloha, dia azo ampiharina amin'ny NAP ireo antsoina hoe “fotoana malalaka”, izay mety hampiato ny fifamoivoizana rehetra voaràran'ny lalàna, araka ny votoatiny

Tsy naneho ny tsy fanekeny ihany ireo mpiserasera, fa ny hevitr'izy ireo koa fa tsy azo ampiasaina ilay lalàna ary mampiseho tsy fahalalana goavana momba ny aterineto sy ny rafitra ao aminy ary ny fomba fiasany. Espacio Público (ONG natokana ho an'ny zo sivily ao Venezuela) nanambara hoe:

El proyecto incurre en graves deficiencias de técnica legislativa que permiten que los funcionarios que tengan la responsabilidad de aplicar este instrumento legal puedan actuar arbitraria y discrecionalmente, lo que constituye en sí mismo una vulneración del derecho humano a la libertad de expresión y permite su aplicación selectiva e interesada.

Miteraka fahabangana goavana ara-teknika ilay volavolan-dalàna satria hamela ireo manampahefana hisahana ny fampiharana an'ity lalàna ity hiasa amin'ny fomba tsy ara-dalàna sy mangingina, izay manitsakitsaka ny zon'olombelona haneho hevitra malalaka ary hiteraka fampiharana misy fifantenana (mitanila).

Nilaza ihany koa izy ireo fa ny fandraràna ankapobeny ao amin'ny lalàna dia manitsakitsaka ny Fifanarahana Amerikanina, izay mametra ny fahalalaham-pitenenana amin'ny hafatra manentana ady sy herisetra ihany. Ny lalàna, miaraka amin'ny lisitra lavabe feno fandraràna, dia ahitàna, ohatra hoe “izay hafatra rehetra miezaka manohitra ny fitsipi-pitondrantena“.

Ankoatra izany, manipika ny fandraràna ny tsy fitononana anarana ilay volavolan-dalàna. Nilaza ireo mpitondratenin'ny governemanta fa ezahana amin'ny lalàna ny mametra ny fandefasan-kafatra ” izay mety ho fanodikodinana fampahalalam-baovao natao handrisika korontana na manelingelina ny filaminam-bahoaka”. Na izany aza, tsy mazava ny fandraisan'ny governemanta Venezoeliana ny hoe “fandrisihana korontana” satria nosamborina noho ny fitondrantenany antserasera ireo mpiserasera.

Mandritra izany, nampiasa ny tenirohy #internetlibre (aterineto malalaka) ny mpisera twitter mba hanehoana ny fomba fijeriny sy ny adihevitra momba ireo fepetra ireo.

Rohy: Atontan-taratasy fampahafantarana ny volavolan-dalàna eo anoloan'ny Antenimieram-pirenena (ES-PDF), ao amin'ny tranonkala Espacio Público (ES).

El Universal: Kasain'ny governemanta Venezoeliana hifehezana ny aterineto ny lalànan'ny fampitam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.