Tantara tamin'ny 19 Avrily 2019
Fantaro i Emeka Ezeibe, mitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 17-23 avrily 2019

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Emeka Ezeibe, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang Twitter mandritra ny herinandron'ny 17-23 Aprily 2019. Hozarainy amintsika ny fijeriny momba ny fiteny Igbo ao amin'ny fanentanana media sosialy mifantoka amin'ny fimaroam-piteny an-tserasera eto Afrika.
Côte d'Ivoire: Lahatsary vaovao manome ny antsipirian'ny fisamborana ny filoha teo aloha
Asehon'ny lahatsary ny ampahany tamin'ireo fizotran'ny raharaha nisamborana an'i Gbagbo, nanomboka hatrany amin'ny nidarohan'ny Tafika Manokana Frantsay ny tranony ka hatrany amin'ny famindrana ny fianakavian'i Gbagbo ho ao amin'ny Hotel du Golf.
Notanan’ny Fampanoavana miaramila vonjimaika nandritra ny 15 andro ilay bilaogera Ejipsiana Alaa Abdel Fattah

Notanana ny Alahady 30 Oktobra (2011) ilay bilaogera Ejipsiana efa tranainy Alaa Abdel Fattah (@alaa) nandritra ny 15 andro taorian’ny nandàvany ny fakàn’ny miaramila mpanao fanadihadiana am-bavany azy , izay nitakiany ny zony hotsaraina eo anoloan’ny fitsarana sivily.
Venezoela: Nampiadi-hevitra be ny lalàna mifehy ny aterineto

Volana maromaro taorian'ny nielezan'ny tsaho, nohamafisina tamin'ny zoma lasa teo fa manomana fanavaozan-dalàna ny governemanta Venezoelana mba hifehezana ny fidirana sy ny fampiasana ny aterineto ao amin'ny firenena.