- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Rodrigo Pérez Ramírez, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 15-21 avrily 2019

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Sary natolotr'i Rodrigo Pérez

Mandritra izao taona 2019 izao izahay manasa olona maro hifandimby hitantana [1] ny kaonty Twitter @ActLenguas (Fahavitrihana ara-piteny) sy hizara ny niainan-dry zareo tamin'ny famelomana indray sy tamin'ny fampiroboroboana ny fitenin-drazan-dry zareo. Miresaka momba an'i Rodrigo Pérez Ramírez (@Zapoteco_3_0 [2]) ity lahatsoratra ity sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiatrano azy.

Rising Voices (RV): lazalazao anay ny momba anao azafady.

Ná nák Z@p0tec0 [3] ɛ.ʘ, ná n-gòl Lô-Là, Thîb Yéz lé San Andrés Paxtlán, léʔn lô Yéz Mdàn. Ná m-bé Firefox lô dìʔztéʔ lìn 2007. Zé-rá m-bén Tux4Kids, ndé-dìʔs-náʔ lô Youtube, n-tǒs kúen Yéz lô Internet, léʔn Twitter n-túb dìʔztéʔ -kén. Nú-kén dìʔz bésta šaʔb, mtó-léʔn ní #DadaísmoZapotecano. Tîd n-šón lízná, nóʔ láʔsná n-gúchén léʔn dìʔztéʔ, kó ná lîn kúe.

Izaho no Zapoteco 3.0, teraka tao Oaxaca, ao amin'ny tanàna iray antsoina hoe San Andrés Paxtlán, ao Meksika aho. Tamin'ny taona 2007 aho nitondra ny Zapotec ho ao amin'ny Firefox, ary taona maromaro taty aoriana aho nanao toy izany indray tamin'ny rindrambaiko Tux4Kids. Miresaka ao amin'ny fantsona Youtube iray aho, nanangana tranonkala maromaro aho ary ao amin'ny Twitter aho amin'ny fiteny Zapotec ihany no anoratako. Manoratra poezia ihany koa aho izay antsoiko hoe #DadaísmoZapotecano. Miaina lavitry ny fonenana aho ary tiako ny hifoha maraina ao anatin'ny fiteny Zapotec, izany no antony anaovako izao rehetra izao.

RV: manao ahoana ary ny fiteninareo an-tserasera sy andavanandro?

Lùd mèn ndé dìʔz dìʔztéʔ lénʔ Yéz-ná (4,000), šáʔ kó ták n-wì Internet pénta 200 šáʔ. Ré m-bìet m-bǐs ndé-lày, ndé-lǔs nté ták lí ché mén ná. N-génta Internet léʔn nté n-golná né. Zé 10 lìn ná n-gén kúan nsò dìʔztéʔ lô Internet, nál nsò Firefox, Youtube, Software, WebPage, Twitter.

Vitsy dia vitsy ny olona (4000) miteny amin'ilay firokiko, ary mbola 200 ihany raha be indrindra no afa-miditra amin'ny aterineto. Efa tsy miteny azy intsony moa ny vao teraka taty aoriana. Tsy misy intsony ny seha-bahoaka azo ampiasana azy, ary tsy misy ny aterineto any amin'ny toerana nahaterahako. Folo taona lasa izay tsy nisy na inona na inona mihitsy tamin'ny fiteniko, saingy ankehitriny efa azo atao ihany ny mahita sy maheno fiteny Zapotec amin'ny Firefox, fantsona YouTube, rindrambaiko, tranonkala ary Twitter.

RV: Lohahevitra manao ahoana no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @ActLenguas?

Làs-ná -kèʔn tùb dìʔztéʔ. Líʔn šgab né nakîn-tá -lì ché mèn dìʔztíl zé ndé kùaʔn mèn gák nàbán dìʔz-mèn. Lôn lô góʔ ré=tá kó nsò lô Internet léʔn dìʔztéʔ.

Tiako ho amin'ny teny Zapotec ihany no anoratako. Mihevitra aho hoe tsy mila mampiasa ny teny espaniola (fiteny manjaka) raha te-hamelona indray ny fiteninao. Ka dia ho avoakako amin'ny aterineto ny zava-drehetra momba ny fiteny Zapotec.

RV: Inona no tena nandrisika anao havitrika ara-nomerika ho an'ny fiteninareo? Inona avy ny fanantenanao sy ny nofinofinao ho amin'ny fiteninareo?

Dìʔztéʔ n-díe làd ná. Kó ná nák ná, ná-lát ní-et wìz tîs ná nšon níe, ná -láb ní, ná nwìn ní. Káp ns̀o lô lázóʔn tîs láʔn lús-šàʔ.

Mikoriana manerana ny vatako manontolo ny Zapotec. Izay no maha-izaho ahy, halahelo ny andro raha tsy mahita an'io aho, mihaino an'io, mamaky aminy na miresaka aminy. Ho feno alahelo ny foko raha mamela an'io hanjavona aho.