- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Mankalaza ny famerenam-pihavanan'ny Hamas/Fatah i Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2011)

Namarana ny fifandrafesany ireo antoko mpifandrafy Palestiniana Fatah [1] sy Hamas [2] androany, nandritra ny fifanarahana fampihavanam-pirenena natao tany Kairo, Ejipta.

Noraisina tamim-pankalazana tao Gaza ny vaovao momba ilay fifanarahana, izay hampiray an'i Gaza, teo ambany fifehezan'i Hamas, ary ny Morondrano Andrefana, izay teo ambany fifehezan'ny hetsika Fatah.

Palestinians attend a rally celebrating the planned signing of a reconciliation agreement between Fatah and Hamas, in Gaza City. Image by Nayef Hashlamoun - ALWATAN Center, copyright Demotix (04/05/2011). [3]

Ireo Palestiniana nanatrika ny famoriam-bahoaka nankalaza ny fanaovana sonia kasaina atao amin'ny fifanekena fampihavanana an'ny Fatah sy ny Hamas, tao an-tanànan'i Gaza. Sary avy amin'i Nayef Hashlamoun – Foibe ALWATAN, copyright Demotix (04/05/2011).

Ireto ny fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny Twitter.

Omar Gaza nitatitra [4] hoe:

Fire works in broad day light and till now sparkling in #Gaza sky celebrating the unity & #reconciliation

Afomanga amin'ny andro mazava ary mbola mamirapiratra ao amin'ny lanitry Gaza, mankalaza ny firaisana sy ny fampihavanana

Lina, avy ao amin'ny Live from Gaza nisioka hoe [5]:

Gaza is living the reconciliation euphoria #Hamas #fatah #Palestine

Miaina ny hafaliam-po noho ny fampihavanana i Gaza

Mahmoud Al Kahlout, avy ao amin'ny Al Nasr City, Gaza, nanampy  [6]hoe:

Division should go to hell forever #Gaza #WestBank #Fateh #Hamas #Palestine #PalUnity

Tokony ho any amin'ny helo mandrakizay ny fizarazarana

Mpianatra momba ny fitsaboana ao Gaza, Fatma F.Q. nilaza hoe [7]:

Congratulations to ALL PALESTINIAN for our UNITY 🙂 #Mosala7a

Arahabaina ny PALESTINIANA REHETRA noho ny FIRAISANTSIKA 🙂

ary nanontany [8] [ar] hoe:

#mosala7aطيب .. هل لرحيل مبارك عن الحكم ، دور بهالتطورات في الجهود المصريه! !
Mahafinaritra…..nisy ifandraisany tamin'ny ezaka haingana nataon'ny Ejiptiana ve ny fialan'i Mubarak?

Asmaa Al Ghoul mampahatsiahy [9] [ar] antsika hoe:

الناس بدها عُرس لتشبع فيه رقص..
Mila mariazy fotsiny ny olona mba hanatanteraka ny filan'izy ireo handihy

Notohizany [10] hoe:

مبروك الضفة ..مبروك غزة
Arahabaina i Morondrano Andrefana….Arahabaina i Gaza

Saingy toa tsy ny rehetra no faly.

Tamin'ny Hamas, Sam Halaby nanamarika  [11]hoe:

#Hamas: you're a headache. Maybe if you stopped giving #Israel every excuse to blockade you, like firing rockets, maybe you'd have peace.

Hamas: aretina an-doha ianao. Angamba raha mitsahatra tsy manome ny fialan-tsiny rehetra ho an'i Israely ianao hanakanana anao, tahaka ny fitifirana balafomanga, dia angamba hanana filaminana.

Sarah, misioka ao amin'ny @Jnobiyeh, nanampy [12] hoe:

Hamas didn't just sign a “unity” deal with collaborationist Fatah today, it signed the death certificate of its resistance to #Israel.

Tsy nanasonia fifanarahana “firaisankina” miaraka amin'ireo mpiara miasa Fatah fotsiny i Hamas androany, fa nanasonia ny taratasin'ny fahafatesana ho an'ny fanoherany an'i Israely