- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sambany hisy vehivavy hitarika oniversite eo amin'ny tantaran'ny firenena mozambikana

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Emília Nhalevilo, lehiben'ny Oniversiten'i Púnguè. Saripikan'i Emília Nhalevilo, nahazoana alalana.

Tamin'ny volana Martsa 2019, nandray ny asany ho lehiben'ny Oniversite Púnguè [2] izay vao naorina vao haingana ilay mpampianatra Mozambikana, Emília Nhalevilo [3] ka nahatonga azy ho vehivavy voalohany hitarika  oniversitem-panjakana ao amin'ity firenena Afrikana ity.

Ny filoha Filipe Nyusi no nanendry [4] azy saingy nambara tamin'ny Filankevitry ny Minisitra tamin'ny 29 Janoary ny fanapahan-kevitra momba ny fanokafana vao haingana ity oniversite ity. Hanatontosa ny asany mandritra ny efa-taona i Nhalevilo araka ny fitsipika, .

Teraka tao Nampula, faritany be mponina indrindra ao Mozambika i Nhalevilo ary nahazo diplaoma doktorà sy mari-pahaizana maîtrise momba ny fanabeazana avy amin'ny Oniversiten'i Perth, Aostralia, ary nahazo mari-pahaizana lisansa momba ny siansa avy amin'ny Oniversite Pedagojika [5] (UP).

Niasa ho mpampianatra tao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojia ao Curtin, any Aostralia izy nanomboka tamin'ny taona 2005 ka hatramin'ny taona 2007. Tamin'ny taona 2008, Nhalevilo no lasa lehiben'ny departemantan'ny shimia tao amin'ny UP, ary avy eo nandray ny asany ho tale lefitry ny Ivontoerana ho an'ny Fanabeazana sy ny Etnosiansa Mozambikana izay foibem-pikarohana iray ao amin'io ivontoerana io ihany izy.

Mpikambana tao amin'ny Fandaharanasa Fulbright Visiting Scholar [6] tao amin'ny Sekoly Steinhardt ho an'ny Kolontsaina, Fanabeazana ary ny Fampandrosoana ny Maha-olombelona ao amin'ny Oniversiten'i New York, any Etazonia izy tamin'ny taona 2017.

Nhalevilo no filoha lefitra ho an'ny fikarohana sy fanitarana ny UP nanomboka hatramin'ny taona 2018.

Mitovy amin'ny an'ny minisitra any Mozambika ny toerany ankehitriny amin'ny maha-lehiben'ny oniversitem-panjakana azy.

Nilaza i Eliana Nzualo [7] , mpikatroka sady bilaogera feminisita [8] fa fotoana manan-tantara ny fanendrena an'i Nhalevilo:

UM DIA NA HISTÓRIA

Professora Doutora Emília Nhalevilo é a primeira mulher na liderança de uma Universidade Pública em Moçambique. Parabéns à Magnífica Reitora!

Por mais mulheres nas Universidades,
Por mais mulheres na liderança!

ANDRO MANAN-TANTARA

Profesora Emília Nhalevilo no vehivavy voalohany hitarika Oniversitem-panjakana ao Mozambika.

Arahabaina ry Rektora Mamirapiratra !

Ho amin'ny vehivavy maro any amin'ny Oniversite,

Ho amin'ny vehivavy maro eo amin'ny fitarihana!

Any Mozambika, mbola miatrika fanamby ny vehivavy amin'ny fidirana amin'ny toerana ho mpitarika na amin'ny fitantanana. Saingy nisy ny fivoarana: tao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana izao, ohatra, vehivavy avokoa ny filohan'ny antenimiera sy ny lehiben'ny mpikambana politika lehibe indrindra miisa roa.

Saingy mbola hita any amin'ny firenena Afrikana atsimo ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy.

Nanambara ny tatitry ny PNUD 2016 momba ny Fampandrosoana ny Maha-Olombelona aty Afrika [9], izay mitondra ny lohateny hoe “Fanafainganana ny Fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy aty Afrika,” fa mbola mijaly noho ny tsy fitoviana ireo vehivavy sy tovovavy Mozambikana, toy ny tsy fahafahana miditra amin'ny fitsarana, ny tsy fahafahana miditra amin'ny sekoly sy ny fikarakarana ara-pahasalamana ary ny fisian'ny herisetra miverimberina.

Tamin'ny taona 2018, nisy tranganà herisetra an-tokantrano miisa 25.356 tao Mozambika [10], izay 12.500 tamin'ireo no natao tamin'ny vehivavy ary 9.000 tamin'ny ankizy.

Laharana faha-10 [11] manerantany i Mozambika amin'ny fampanambadiana ankizy, araka ny tatitra nataon'ny UNICEF tamin'ny taona 2015. Faritan'ny fikambanana [12] ho misy ny “fampanambadiana ankizy” raha misy latsaky ny 18 taona farafahakeliny ny iray amin'ny hivady.

Tamin'ny tapaky ny taona 2018, ilay mpanamory fiaramanidina Admira António no vehivavy voalohany kapiteny nanamory fiaramanidina [13] tao Mozambika, raha tamin'ny volana Desambra 2018 kosa no nisy ekipanà fiaramanidina izay vehivavy avokoa nisidina voalohany teny an'habakabaka.

Tamin'ny taona 2014, raha feno 39 taona ny Polisy ao amin'ny Repoblikan'i Mozambika dia  i Arsenia Massingue no vehivavy notendrena jeneraly voalohany [14] tao amin'izany sampan-draharaha izany.