Mety hampiditra anao am-ponja ny ‘J'aime’ Facebook any Thailandy

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nampiaka-peo nanohitra mafy ny drafitry ny governemanta hanara-maso ny resadresaka an-tserasera ao amin'ny LINE, fampiasa hafatra malaza ny mpisera finday any Thailandy. Namaly ny praiminisitra Thailandey Yingluck Shinawatra tamin'ny fanomezan-toky ireo mpifidy fa ho hajaina ny fahalalahan'ny tsirairay ary nampanantena izy fa handinika akaiky ny tolo-dalàna momba ny sosokevitry ny fanaraha-maso navoakan'ny Sampana Manafoana ny Heloka Teknolojika (TCSD).

Raha te hanafoana ny fiheverana i Yingluck fa mametra ny fahalalahana an-tserasera ny governemantany dia tokony hanome baiko ny Jeneraly Lehiben'ny Polisy Pisit Pao-in, mpanome baiko ny Sampana Manafoana ny Heloka Teknolojika, mba hanatsahatra ny fandrahonana ireo mpisera aterineto.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny gazety Thailandey mpivoaka isan'andro The Nation, nampitandrina ireo mpisera Facebook i Pisit fa azo samborina izy ireo raha toa ka manao ‘j'aime’ ny lahatsoratra izay manohintohina ny fiarovam-pirenena:

[You could be arrested] if you ‘like’ a message deemed damaging to national security. If you press ‘like’, it means you are accepting that message, which is tantamount to supporting it. By doing so, you help increase the credibility of the message and hence you should also be held responsible.

I'm not prohibiting from pressing ‘like’. But if you ‘like’ this kind of message, you will be arrested.

[Mety ho voasambotra ianao] raha toa ka manao ‘j'aime’ ny hafatra heverina fa manimba ny fiarovam-pirenena. Raha toa ka manendry ny ‘j'aime’ ianao, midika izany fa manaiky an'io hafatra io ianao, izay mitovy amin'ny hoe manohana azy ihany. Mampitombo ny fahamarinan'ny hafatra ianao raha manao izany ary tompon'andraikitra ihany koa ianao noho izany.

Tsy mandrara ny fanendrena ny ‘j'aime’ aho. Saingy hosamborina ianao raha toa ka ataonao ‘j'aime’ ny karazana hafatra toy izany.

Avy eo nampiany fa heloka ihany koa ny “zara” (partage):

If you share in a way to support the original message, this is wrong. But if you comment against the message, this is okay.

Tsy mety raha mizara izany ianao mba hanohanana ilay hafatra ôrizinaly. Saingy mety kosa raha manakiana ilay hafatra ianao .

Nolazainy fa “mikendry indrindra ny fandriampahalemana ara-tsosialy” izy raha nampiantso ny mpisera Facebook miisa efatra ny sampan-draharahany noho ny fandefasana hafatra izay nampilaza momba ny fikasana hanongam-panjakana.

Adinon'i Pisit ny nilaza fa mety vokatry ny fisian'ny fiaraben'ny tafika tsy mahazatra tao Bangkok, renivohitry ny firenena no nahatonga ny tsaho niparitaka momba ny fanonganam-panjakana. Nisy ihany koa ny adihevitra mafana tao amin'ny Parlemanta mikasika ny volavolan-dalàna famotsoran-keloka izay nampizara ny firenena nandritra ny volana maromaro izay. Raha jerena ny zava-misy, sy ny fisian'ny fanonganam-panjakana teo amin'ny tantara Thailandey vao haingana dia tsy mahagaga ny mahita ny fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto mikasika ny mety hisian'ny fanonganam-panjakana .

Misy ireo manampahefana sasany no nampitandrina ireo mpisera aterineto mba tsy hanohana ny fanambarana manohintohina ny filaminam-pirenena, saingy manjavozavo sady mampametra-panontaniana ny famaritan'ny governemanta ny atao hoe fikomiana, ny fanakorontanana, ary ny fiarovam-pirenena. Azonao alaina sary an-tsaina ny fanehoan-kevitra marobe tsy misy atahorana na ny hanihany izay azo heverina ho toy izany. Nanambara i Pisit tao anatin'ny antsafa hafa fa efa mijery ny hetsika ataon'ny olom-pireneny amin'ny aterineto ny sampan-draharahany, amin'ny alàlan'ny fampiasana ny rindrambaiko “hanaraha-maso ny hafatra miaraka amin'ny teny izay manohintohina ny filaminam-pirenena, toy ny fanonganam-panjakana, ny fanjakana, ny lese majeste, ny zava-mahadomelina, ny vokatra sandoka ary ny fivarotan-tena.”

Fanambarana tsy fahita firy avy amin'ny ampahany amin'ny governemanta izany. Mahagaga ihany koa fa heverina ho loza mitatao ho an'ny fiarovam-pirenena ny fivarotan-tena ankehitriny. Angamba ny hanakanana ireo Thailandey tsy hiresaka mivantana mikasika olana ara-politika izay mety hanimba ny endrika sy ny lazan'ny mpitondra politika sangany ao amin'ny firenena no tena tanjon'i Pisit.

Tokony hanaraka ny torohevitr'i Rtoa Surangkana, lehiben'ny Minisiteran'ny Serasera i Pisit izay nandrafitra ny Lalàna momba ny Heloka Amin'ny Aterineto, izay nilaza fa  tsy manome fahefana tsy misy fetra ny manampahefana ity lalàna ity mba hanaraha-maso ny hetsika ataon'ny mpisera aterineto Thailandey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.