- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny t-shirt hafahafa nanaovan'ilay mpilalao baseball malaza misotro ronono Ichiro Suzuki no vao maika nankafizan'ny mpankafy azy bebe kokoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fanatanjahantena, Hehy, Mediam-bahoaka
ichiro suzuki tshirt smiles are free [1]

“Mahazo mitsikitsiky malalaka.” Malaza amin'ny fananany t-shirt hafahafa maro i Ichiro Suzuki, ilay mpilalao baseball malaza efa misotro ronono. Sary niparitaka betsaka tao amin'ny tambajotra sosialy [1].

Ny Alakamisy 21 Martsa, nanambara ny fisotroan-dronony teo anoloan'ny mpankafy azy i Ichiro Suzuki [2], ilay mpanipy baolina baseball malaza indrindra teo amin'ny tantara nandritra ny lalao fifaninanan'ny Ligy Lehibe ho an'ny Baseball (MLB) tao amin'ny kianjaben'i Tokyo.

Samy nalahelo ny famaranan'ity olo-malaza ity ny lalao baseball avokoa na ny any Pasifika na ireo mpankafy Japoney ary mahatsiaro ny natioran'i Suzuki hafakely maroloko dia ny fahazarany manao t-shirts tena hafahafa rehefa milalao baseball.

Niseho indray ny tenirohy #イチローTシャツ [3] (” T-Shirt Ichiro”) fironana tao amin'ny Twitter ny ampitson'ilay andro nanambaràn'i Suzuki ny fisotroan-drononony.

Soratra eo amin'ny t-shirt: “Tsy hiasa ora mihoatra aho.”

Misaotra betsaka ry olo-malaza! ✨ #Ichiro #IchiroTShirt

Ankehitriny 45 taona i Suzuki, fantatra amin'ny fanampin'anarany fotsiny hoe “Ichiro” ho an'ireo mpankafy any Japana sy manerana izao tontolo izao. Nanomboka ny lalaony matihanina ho an'ny ORIX Buffaloes tao Kobe izy talohan'ny nilalaovany ho an'ny Seattle Mariners ao amin'ny ligy lehibe Amerikana. Nilalao fotoana fohy niaraka tamin'ny New York Yankees sy ny Miami Marlins i Suzuki talohan'ny niverenany tany Seattle mba hamaranany ny lalan'asany. Nandritra izany dia niha-nalaza tamin'ny nandaozany ny zava-drehetra tamin'ny fiainany izy [8] afa-tsy ny baseball [8] .

Efa nahatontosa zava-bita tsara indrindra maro [9] i Suzuki  noho ny fifantohany, ny asany mafy sy ny talentany voajanahary, anisan'izany ny zava-bita tsara indrindra tamin'ny American Major League Baseball (MLB) andiany tokana ho an'ny tifitra tsara indrindra, ary ny andiany folo misesy ho an'ny tifitra miisa 200, ny tifitra mahitsy lava indrindra [10] tsy mbola nataon'ny mpilalao baseball iray hafa teo amin'ny tantara.

Naha-lasa saina ireo mpankafy azy ihany koa i Suzuki tamin'ny t-shirt tsy mahazatra nanaovany rehefa any amin'ny kianja fanazarantena .

Soratra eo amin'ny T-shirt: “Andron'ny Hena Anio”

Nanangona andianà sioka [13] maromaro izay mamariparitra ny ankamaroan'ireo t-shirt tsy mahazatra nanaovan'i Suzuki nandritra ny taona maro ilay mpisera Twitter, Tatsuno Shinji.

Ireto ny karazana t-shirts nanaovan'i Ichiro nalefan'ny namana iray taty amiko (izay tsy manana fifandraisana amin'i Suzuki, sady tsy tompon'ireo sary ireo ihany koa)

Nanontaniana [16] mikasika ny dikan'ny t-shirts nanaovany i Echiro nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nanambarany ny fisotroan-drononony :

さらに、「キャンプなどでユニークなメッセージのTシャツを着ていたが、何か心情を表していた?」と聞かれたイチロー選手は、「そこを言うと急にやぼったくなるので、言わないほうがいいですね。それは見る側の解釈だから、そう捉えれば捉えることもできるし、全然関係ない可能性もあるし。だってそういうものでしょう」とコメントしました。

Rehefa nanontaniana izy hoe “Inona no hafatra tianao hampitaina rehefa tonga any amin'ny toerana fanazarantena ianao ka manao ny t-shirt tsy manan-tsahala anao manokana?” Hoy i Ichiro namaly, “Lasa manala ilay zavatra majika sy mahavariana aho raha vao miresaka momba ny t-shirts, noho izany dia heveriko fa tsara kokoa raha tsy milaza na inona na inona aho. Anjaran'ireo mpankafy ny mandinika ny hevitr'ireo t-shirts. Mahatakatra ny zavatra tiako holazaina indraindray ireo mpankafy ary manana ny fiheverany azy ireo miavaka manokana ihany koa izy ireo indraindray. “

Azo jerena ao amin'ny tranokalam-bilaogy Naver Matome [17], ao amin'ny Twitter [18] ary ao amin'ny bilaogy [19] isankarazany ny ankamaroan'ny t-shirts tsy manam-paharoa mahavariana anaovan'i Suzuki .