- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Mandrahona hampandoa onitra ireo fampahalalam-baovao mitantara ny hetsi-panoherana ny manampahefana

Sokajy: Venezoela, Fitsipika, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana febroary 2014)

[Mankany amin'ny tranonkala amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy tsy misy fanamarihana manokana]

Nandrahona ireo fampahalalam-baovao izay mitantara ireo andiana fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fanagadrana vondrona mpianatry ny oniversite ny manampahefana omaly.

Nanambara i William Castillo, filohan'ny Vaomieran'ny Fifandraisan-davitra Venezoelana, CONATEL tamin'ny Alakamisy 11 Febroary fa “azo sokajiana ho toy ny fanitsakitsahana ny andininy faha-27 ao amin'ny Lalàna mikasika ny andraikitra ara-tsosialy amin'ny Radio, Televiziona sy ny fampitam-baovao Elektronika [1][es], ny fitantaran'ny fampitam-baovao ireo hetsika feno herisetra mahatsiravina natao tany amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena, lalàna izay mandràra mazava ny fampielezam-baovao ahitana kabarim-pankahalàna sy herisetra, [sy ireo] miantso ny tsy firaharahiana ny manampahefana sy manelingelina ny filaminam-bahoaka. “

A poster depicting the conflict between free expression and media regulation in Venezuela, at a 2007 student demonstration. Photo by Luis Carlos Diaz via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0) [2]

Afisy mampiseho ny fifandirana eo amin'ny fanehoan-kevitra malalaka sy ny fifehezana ny media ao Venezoela, nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpianatra 2007. Sary avy amin'i Luis Carlos Diaz tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Nandritra ny herinandro maromaro, notontosaina teny amin'ireo  tanàna maro ny fihetsiketsehana mifototra amin'ny olana manomboka amin'ny fanavaozana ara-politika ka hatramin'ny fepetra ratsy ao amin'ny trano fonenana eny amin'ny oniversite. Nihamafy ny hetsi-panoherana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny nisamborana mpianatra maromaro [3] noho ny fiampangana fa “fikambanana mpanao heloka bevava” izy ireo, ankoatra ireo fiampangana hafa, nandritra ny fihetsiketsehana tao an-tanànan'i San Cristóbal. Mbola any am-ponja ireo mpianatra. Azo jerena ao amin'ny Últimas Noticias [4] ireo sary maromaro avy amin'ny hetsi-panoherana vao haingana.

Tao anatin'ny krizin'ny fampahalalam-baovao izay nahatonga ny fikatonan'ireo gazety sivy [5]sy ny fampihenana ny isan'ny pejin'ny gazety miisa 20 mahery, ary raha iharan'ny fitsipika henjana momba ny votoaty ny fahitalavitra nasionaly, izay nohamafisin'ny Filoha Nicolas Maduro sy ilay antsoina hoe “ady amin'ny fampitalanjonana” [6] herinandro vitsy lasa izay, dia hita fa tena manan-danja ny fampitam-baovao nomerika amin'ny fandefasana vaovao izay tsy tantarain'ny fampahalalam-baovao mahazatra intsony. Androany, satria miantso famoriam-bahoaka manerana ny firenena ny mpitarika mpanohitra, dia antenaina hiditra media sosialy ny olona mba hahafantatra momba ny fivoaran'ny fihetsiketsehana, izay azo antoka fa tsy hotantaraina ao amin'ny fampahalalam-baovaom-bahoaka na ny fampahalalam-baovao mahazatra mihitsy.