- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena

Sokajy: Angola, Paortiogaly, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sakafo
[1]

João Lourenço, Filohan'i Angola. Sary: Wikimedia Commons CC BY-SA 2.0

Niteraka fahatezerana [2] teo amin'ny olom-pirenena ny antsafa [3] nataon'ny Filohan'i Angola João Lourenço tao amin'ny RTP, fahitalavi-panjakana ao Portiogaly, izay nanambaràny fa tsy misy hanoanana ao amin'ny fireneny .

Nandritra ny antsafa nifanaovana naharitra 30 minitra tamin'ny 4 Martsa,nanondro ny tatitra ofisialin'ny UNICEF ilay mpanao gazety Portiogey ao amin'ny RTP África izay nilaza fa matin'ny hanoanana ny vahoaka any Angola. Nandà ny fisian'ny mosary ao amin'ny firenena i Lourenço , ary niaiky fa nisy ny tsy fahampian-tsakafo . Hoy izy:

A nossa luta é lutar para reduzir os índices de pobreza, devido aos longos anos de conflito armado. Hoje há oferta de bens alimentares em Angola, não se pode dizer que existe hoje fome em Angola, é uma questão de alguma má nutrição.

Ny hampihenana ny tahan'ny fahantrana, noho ny taona maro nifandonana tamin'ny ady mitam-piadiana no tolona ataonay. Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy.

Nilaza izany ny filoha João Lourenço talohan'ilay fitsidihan'ny filoha Portiogey Marcelo Rebelo de Sousa tany Angola ary andro vitsy talohan'ny nanakianan'ny [4] pretra Katolika sy ny mpikatroka mpiaro zon'olombelona ny fahafatesan'ireo Angoley tamin'ny hanoanana tany amin'ny faritra iray mijaly noho ny hain-tany.

Nametra-panontaniana [5] momba ny fanehoan-kevitry ny filoha ilay mpikatroka Manuel Mapanda, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Dago Nível:

Como é que o senhor vai dizer que não existe fome em Angola? Não leu a Denúncia do padre Jacinto Wacussanga sobre a morte de um Angolano por fome? Será que nos Gambos e no Curoca já não há fome? Assim que Jlo assumiu a presidência a maioria dos Angolanos passou a ter a cesta básica, e a fome foi eliminada?

Ahoana no hilazan'ilay rangahy fa tsy misy ny hanoanana any Angola? Tsy namaky ny tsikera nataon'ny mopera Jacinto Wacussanga momba ny fahafatesan'ny Angoley iray tamin'ny hanoanana ve izy? Midika ve izany fa tsy misy hanoanana ankehitriny ao Gambos sy Curoca? Raha vantany vao nandray ny fahefan'ny filoham-pirenena i Jlo [João Lourenço] dia nahazo ny fitaovana fototra tena ilaina ny ankamaroan'ireo Angoley, ary foana ny hanoanana?

Nanambara mazava ny fikasany hiady amin'ny kolikoly ihany koa ny filoham-pirenena Angoley, izay ao anatin'ny fandaharan'asan'ny antoko nandritra ilay antsafa nahitana ity resaka ity:

Ninguém pode garantir que daqui para a frente não haverá corrupção e, que não haverá corruptos, mas que não ficarão impunes tal como sempre foi. Não haverá mais intocáveis, segundo João Lourenço. Esse tempo ficou para trás.

Tsy misy olona afaka manome antoka fa tsy hisy kolikoly manomboka eto na hoe tsy hisy ny olona mpanao kolikoly, fa saingy tsy hijanona ho tsimatimanota izy ireo. Tsy hisy intsony ny tsy azo kitihina, araka ny filazan'i João Lourenço. Efa lasa izany fotoana izany.

Tamin'ny taona 2018, namokatra fanadihadiana (tsy misy amin'ny aterineto) mitondra ny lohateny hoe “Angola, firenena tandindonin-doza” ny Zaikaben'ny Faritra ho an'ny Fampandrosoana ny Anjerimanontolo (FORDU) [6], fikambanana sivily eo amin'ny sehatry ny fanabeazana izay manana ny foibeny any atsimon'i Angola. Manasongadina ny habetsahan'ny vahoaka mitady sakafo ao anaty fako, na io ao afovoan'ny renivohitry ny faritany ao Huambo, izay lohahevitry ny fanadihadiana, na ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Luanda .

Captura de imagens do vídeo que existe apenas em DVD físico | Foto do autor, Simão Hossi -- usada com permissão [7]

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana, azo jerena amin'ny DVD fotsiny ihany | Sarin'ny mpanoratra, Simão Hossi — nahazoana alalana

Nisy fanakianana mazava momba ny fanamarihan'ny filoha tao amin'ny JM. Notícias [8] , pejy Facebook natokana hizarana vaovao:

Precisamos reconhecer que ainda há muita gente em Angola vivendo á [sic] margem da sociedade, problema que dificilmente se resolverá se não haver uma promoção de programas de inclusão social credíveis, onde é cobrado e prestado contas. E não com este nascer de uma nova elite de gatunos tipo quem não se safou no outro tempo, que aproveite á [sic] brecha agora em que o artista principal e financeiro da nação é o J.Lourenço.

Olha que os principais desafios estão ai mesmo diante dos vossos próprios olhos, em vencer os problemas nas áreas da saúde, educação, habitação, etc, que pelo menos já deveriam dar alguns sinais mesmo que tímidos, mais [sic] nada se vê .

Mila manaiky isika fa mbola maro ireo olona any Angola no miaina any ivelan'ny fiarahamonina, olana izay sarotra vahàna raha tsy misy ny fampiroboroboana ny fandaharan'asa azo itokisana amin'ny fampiatiana ara-tsosialy, izay itazonana azy ho tompon'andraikitra. Fa tsy amin'ny fisandratan'ny sangany vaovao amin'ny mpisoloky vaovao izay tsy tafala tamin'ity teo aloha, izay nahazo tombony amin'ny fisokafana ankehitriny izay i J.Lourenço no mpandray anjara fototra sady mpitambolan'ny firenena.

Jereo izay tena fanamby lehibe eo anoloan'ny masonao, mba handresena ireo olana eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fonenana, sns., izay tokony farafaharatsiny mba efa nahitana marika na dia kely aza, saingy tsy nisy izany.