- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana desambra 2009)

Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov [1]. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.

Ny 2 Desambra, niady hevitra be ireo bilaogera Rosiana mikasika ny filazana fa mponina maro tao Saratov no voan'ny virosy H1N1. Nilaza ny tsaho fa nanafina vatana mangatsiaka marobe matin'ny gripan-kisoa ny manampahefana ary hikatona hanao fanadiovana be  [2]ny tanàna manontolo. Tatỳ aoriana, dia nanomboka niresaka momba ny tranga voalaza fa pesta areti-tratra ny olona, ka nanome tsiny ny ivon-toeram-pikarohana eo an-toerana ” miady amin'ny pesta”. Nanjary niha-sarotra ny toe-draharaha ka nampiato ny fitsidihany tany Belarosia ny governoran'i Saratov, Pavel Ipatov [3] [ENG] ary niverina tany an-tanàna mba hiatrika ny tabatabam-bahoaka.

Manonona lahatsoratra avy amin'ny tranonkalam-baovaon'ny tambajotra sosialy Rosiana, nanohitra fanambarana ofisialy izay nandà ny mety hisian'ny pesta amin'ny tratra i Ivan Peregorodiev, antsoina hoe iperegorodiev (naato ny kaontiny amin'izao fotoana izao):

Turns out we may have a plague. “The results of the autopsy of people that died of swine flu – that became publicly available – caused panic. According to witnesses, the results of lung destruction resembled the cases of pneumonic plague described in medical literature.” (http://smi2.ru/saratoff/c243648 [4]) [RUS] Do our authorities tell the ruth when they dismiss this information? Today they plan to spray disinfectant solution against pneumonic plague from helicopters… P.S. And here is another one http://www.epidemiolog.ru/prof/index.php?SECTION_ID=&ELEMENT_ID=3868 [5] [RUS]

Mety ho voan'ny pesta isika. “Niteraka savorovoro ny vokatry ny fandidiam-paty natao tamin'ny olona matin'ny gripan-kisoa – izay nanjary hitan'ny vahoaka. Araka ny filazan'ny vavolombelona, nitovy tamin'ireo tranganà pesta areti-tratra voasoritra tao anatin'ny fanambarana ara-pitsaboana ​​ny vokatry ny fahasimban'ny havokavoka.” (http://smi2.ru/saratoff/c243648 [4]) Milaza ny marina ve ny manampahefana rehefa manafoana ity vaovao ity izy ireo? Mikasa handraraka fanafody fanadiovana mikraoba miady amin'ny pesta areti-tratra avy eny ambonin'ny angidimby izy ireo … P.S. Ary eto ny iray hafa http://www.epidemiolog.ru/prof/index.php?SECTION_ID=&ELEMENT_ID=3868 [5] [RUS]:

Notohizany tamin'ny lahatsoratra hafa ora vitsy taorian'ilay voalohany:

What is going on?

Gentlemen, here is the latest news from an epidemic station: helicopters are loaded with disinfectant solution. P.S. Plots of American movies about the Apocalypse become reality.

Fa misy inona?

Ry tompokolahy, ity no vaovao farany avy amin'ny toeran'ny areti-mifindra: nofenoina fanafody manadio mikraoba ireo angindimby. Fanamarihana. Lasa tena zava-misy ireo tetikady amin'ny horonantsarimihetsika Amerikana momba ny Apokalypsy.

Nolavin'ny manampahefana ao an-tanàna ny tsaho rehetra momba ny pesta saingy nanamarina ireo tranga fahafatesana 17 tamin'ny gripan-kisoa izy ireo. Niaiky ihany koa ireo manampahefana fa hipoka olona ny hôpitaly ary tsy ampy hividianana vaksiny H1N1 ny tetibolan'i Saratov.

Nahita ireo bilaogera sasany [6] fa mitovy ilay hafatra nampitombo ny tahotry ny gripan-kisoa tany Okraina, iray volana lasa ny hafatr'i Peregorodiev. Tahaka ny tranga tamin'i Saratov, nahatonga “ireo angindimby handraraka fanafody” ihany koa ny honohono tany Okraina.”.

Nanambara  [7]haingana ny fikasany hitady ireo mpampiely tsabo ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Saratov ary i Ivan Peregorodiev no voalohany nosamborina. Voampanga ho namoaka “vaovao tsy marina tanteraka mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana” (andininy faha-207 amin'ny Fehezan-dalàna Heloka Bevava Rosiana) izy. Tsy nanazava izay vaovao voalaza tao amin'ny lahatsoratra bilaogin'i Peregorodiev amin'izay mampifandray ny asa fampihorohoroana amin'ny tsahon'ny pesta areti-tratra ny biraon'ny mpampanoa lalàna .

Nanomboka fanentanana [8] mba hamotsorana an'i Peregorodiev ny Ivon-toerana ho an'ny Hetsika Iombonana (Collective Action), fikambanana Rosiana tsy mitady tombontsoa. Milaza ireo mpikatroka fa, tamin'ny fanontaniana momba ny fanambarana ofisialy nataon'ny manampahefana ao Saratov, nampihatra ny zony haneho hevitra malalaka ilay bilaogera.

Vaovao farany: Navoaka am-ponja i Ivan tamin'ny 4 Desambra saingy mbola ahiahiana ho manao heloka bevava, hoy ny tatitry [9] Novaya Gazeta.