Kihon-dalana lehibe, nilaza ny tribonaly miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana

Mpanao hetsi-panoherana milanja sora-baventy fireharehana nandritra ny Diaben'ny vehivavy tao Beirota, Libanona, 10 Martsa 2019. Saripikan'i Beirut By Dyke. Nahazoana alalana.
Tamin'ny 30 martsa 2019, namoaka didy ny tribonaly miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana ary nolaviny ny hitsara ireo olona efatra voampanga tamin'ilay ‘heloka’. Ity fanapahan-kevitra manan-danja ity no tranga voalohany teo amin'ny tribonaly miaramila izay mandà ny hampitovy ny fahapelahana amin'ny heloka bevava, na dia efa nisy tahaka izany aza tao amin'ny fitsarana sivily.
Na dia teo aza ny didim-pitsarana, dia mbola [tsy] nanatsoaka ny vesatra tamin'ireo olona efatra tafiditra tamin'ilay raharaha ny tafika.
Ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Libaney, manome alalana ny fanenjehana pelaka ny andininy faha-534. Miasa mba hanafoana izany andininy izany ireo mpikatroka sy mpisolovava manohana ny zon'ny LGBTQ+.
Manasazy ny “firaisana mifanohitra amin'ny voajanahary” hatramin'ny herintaona an-tranomaizina ny andininy faha-534. Satria tsy voalaza mazava ny famaritana ny “fahapelahana”, dia maro ireo mpitsara liam-pandrosoana afaka mandray ny lalàna araka izay tiany ary miaro ireo voampanga tamin'ny fihetsika toy izany tahaka ny sodomia.

Pikantsary tamin'ny lahatsoratry ny Fikambanan'ny silamo manam-pahaizana talohan'ny nanesorana azy. Ny lohatenin'ilay lahatsoratra dia “Heloka bevava ny sodomia.” Ao anatin'izany, nangatahana ny fitsarana mba handinika indray ny didim-pitsarana mba hiarovana ireo lehilahy efatra ny fikambanana.
Na dia izany aza, tsy manohana izany fanapahan-kevitra izany ireo manampahefana Libaney sy ny mpitondra fivavahana maro, fa misafidy ny hanenjika sy hanilika ny vahoaka LBGTQ + Libaney. Ohatra, namoaka lahatsoratra tao amin'ny pejiny Facebook ny Ligin'ny Manam-pahaizana Miozolomana (Ulemas) any Liban, milaza fa “heloka bevava ny sodomia.”
Nandrahona ny hiditra an-tsehatra amin'ny hetsi-panoherana ity ligy ity raha atao ny diabem-pireharehana ao Beirota 2017. Natao ihany izany tao anatin'ny endrika voafetra kokoa ary voatery nofoanana tamin'ny taona 2018 taorian'ny fampiantranoana hetsika vitsivitsy.
Mikasa hitondra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ankehitriny ny tafika mba hiampangana ireo olona efatra tafiditra amin'ity raharaha ity amin'ny “heloka bevava”.
Nanaraka ny didim-pitsarana tany amin'ny fitsarana ambany kokoa tamin'ny volana Jolay 2018 ny ohatra voalohany tamin'ny fitsarana ambony.
Nanafaka lehilahy telo niatrika fiampangana noho ny heloka mifandraika amin'ny fahapelahana ihany koa ny fitsarana ambony iray hafa tamin'ny 14 Novambra 2018. Tao anatin'izany, nampijaliana nandritra ny fisamborana ny iray tamin'ireo olona, Syriana, araka ny fanamarihan'ilay mpitsara tamin'ilay raharaha.
Legal Agenda, fikambanana iray tsy miankina ao Libanona, nanasongadina hoe:
وفيما تضمن قرار المحكمة حيثيات هامة على صعيد حماية الفئات المهمشة، فإن أحد أعضائها (وهو القاضي ربيع معلوف) ارتأى الذهاب أبعد من ذلك، وذلك في المخالفة التي دوّنها في أسفله. وقد تميزت المخالفة في جانبين: الأول، التأكيد صراحة على عدم جواز تجريم المثليّة في لبنان، والثاني، التأكيد على وجوب إبطال إجراءات التحقيق في محاولة لمواءمة أصول المحاكمات الجزائية مع الحقوق الأساسية، لا سيما الحق بالخصوصية والحماية من التعذيب.
Raha ny mikasika ny didim-pitsarana momba ny fiantraikany lehibe amin'ny fiarovana ny vondrona atao an-jorom-bala, nanapa-kevitra handeha lavitra amin'ny fanitsakitsahana voalaza etsy ambany ny iray tamin'ireo mpikambana [ny Mpitsara Rabih Maalouf].
Nosokajiana lafiny roa ny fandikan-dalàna: Voalohany, manamarina mazava fa tsy azo atao ny manameloka ny fahapelahana; ary ny faharoa, mba hanamafisana fa tokony hofoanana ireo fepetra fanadihadiana mba hifanaraka amin'ny zon'olombelona ny dingana ara-pitsarana momba ny heloka bevava, indrindra ny zo ho fanajana ny fiainana manokana sy ny fiarovana manoloana ny fampijaliana.
Mitohy ny tolona LGBTQ + mankany amin'ny ara-dalàna
Tsy momba ny lalàna ihany ireo sakana atrehin'ny olona LGBTQ + any Libanona. Araka ny tatitra nataon'ny Global Voices, miatrika fanavakavahana ara-tsosialy goavana, fomba fitsaboana lany daty tahaka ilay antsoina hoe fitsaboana fanovana ny olona LGBTQ+, raisina ho endrika fampijaliana ataon'ny ankamaroan'ny matihanina amin'ny fitsaboana ara-pananahana.
Na dia eo aza ny endrika manavakavaka amin'ny fomba fanao toy izany, nitatitra ny Fikambanana Ara-pitsaboana Libaney ho an'ny Fahasalamana ara-pananahana (LebMASH) nandritra ny fihaonambe fahatelo momba ny fahasalamana (fanao isan-taona ) tamin'ny martsa 2019 fa mbola manohy mandà ny fitsaboana ho an'ny olona LGBTQ + ny dokotera Libaney:
حتى اليوم يوجد أطباء وممرضون ومعالجون نفسيّون يرفضون تقديم الخدمات الصحية والرعاية لمجتمع الميم معرضين أفراد هذا المجتمع للتمييز
Hatramin”izao, misy ireo dokotera, mpanampy mpitsabo sy mpitsabo ara-tsaina mandà tsy hanome fanampiana ara-pitsaboana sy fikarakarana ireo olona avy amin'ny fiarahamonina LGBTQ+, mampihatra fanavakavahana amin'izy ireo.
Voalaza ihany koa fa ny 60% -n'ny dokotera Libaney dia mihevitra fa aretina ny fahapelahana, mifanaraka amin'ny toe-tsaina hita ao amin'ny fiarahamonina manontolo. Araka ny fanadihadiana tamin'ny taona 2015 nataon'ny Gender and Sexuality Resource Center (GSRC) sy ny Arab Foundation for Freedoms and Equality (AFE): “nahatsapa ny 64,6% fa tsy tokony horaisina ho isan'ny fiarahamonina ny pelaka ary ny ankamaroany – 75,9% – dia tsy nanaiky fa mahasoa ny fiarahamonina ny mankatoa ny fahapelahana ho toy ny ara-dalàna ary tena resy lahatra tanteraka tamin'ny fomba fijeriny ny antsasany mahery -51,5%.
Na dia teo aza ireo vato misakana ireo, dia nisy ny fandrosoana sasantsasany teo amin'ny fitovian-jo amin'ny lalàna sy ny fanekena ao amin'ny fiarahamonina. Araka ny voalaza etsy ambony, namoaka didim-pitsarana mitovy ireo mpitsara ao amin'ny fitsarana sivily taloha.
Ankoatra izany, tamin'ny taona 2013, ny Fikambanan'ny Psykiatira ao Libanona no nametraka ny firenena ho firenena Arabo voalohany miampanga ny finoana fa fikorontanana ara-tsaina ny fahapelahana. Saingy nitatitra tamin'ny taona 2014 ny Tondro momba ny Sivana fa: “Ao anatin'ny firenena iray tafalatsaka anaty sekta, mora esorina amin'ny anaran'ny fivavahana ny adihevitra momba ny fahapelahana ary voampanga ho mandrisika fahavetavetana ny fahapelahana”.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...