- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

The Public Voice: Fanamby manerantany ny zon'ny fiainana manokana

Sokajy: Fanarahamaso, Fiainana Manokana, Lahavolana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Andro manan-danja ho an'ny fiarahamonim-pirenena manerantany miaro ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana sy ny fahalalaham-pitenenana ny 22 Oktobra 2012 . Nampiantrano fihaonambe iraisam-pirenena tao Punta del Este, Orogoay, ny fiaraha-mientan'ny The Public Voice [1] (Feon'ny Vahoaka) ary nisy ny fanasana tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny resadresaka sy ny fifaneraserana tamin'ireo mpanentana.

CC BY The Public Voice

Afaka nanaraka ny resadresaka mivantana ny olona sy niditra nandray anjara tamin'ny resadresaka tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy # tpv12, nametraka fanontaniana, nandray anjara tamin'ny fitsapan-kevitra ary nifandray tamin'ireo izay nitantara ny hetsika tamin'ny fiteny maro. Ny tanjon'ity fihaonambe ity dia ny hamantatra ny fomba fijery momba ny kolontsaina sy ny fiainana manokan'ny olona manerana izao tontolo izao, ary nifanakalo hevitra momba ny fiparitahan'ny Teknoloijan'ny Fanaraha-maso sy ny fiantraikany eo amin'ny fiarahamonina ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena. Nanadihady ny politikan'ny Amerikana Latina sy ny lalàna ary ny fomba fijery mikasika ny teknolojia ny manam-pahaizana mikasika ny fitantanam-panjakana ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana ary nanolotra soso-kevitra ho an'ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina mba hiarovana ny fiainan'ny olom-pirenena manokana.

Azonao atao ny mamaky ilay fandaharana sy manaraka ny fitantarana mivantana tao amin'ny Webcast amin'ny teny Anglisy [3] sy Espaniola [4] .

Nandritra io andro io, namakafaka ny kolontsaina sy ny fomba fijery momba ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana manerantany ireo mpanentana. Nisarika ny sain'ny daholobe momba ny teknolojian'ny fanaraha-maso sy ny fiantraikan'izany ho an'ny mpanjifa, ho an'ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona ​​izy ireo ary nanadihady ny politikan'i Amerikana Latina sy ny lalàna ary ny fomba fijery mikasika ny teknolojia. Ity no varavarankely bitika hananan'ny fiarahamonim-pirenena manoloana ny Fihaonambe Iraisam-pirenena faha-34 momba ny Fiarovana ny Angondrakitra sy ny Vaomiera Mpiaro ny Tsiambaratelon'ny Fiainana Manokana [5] izay nahitana ny sampandraharaham-panjakana rehetra manerana izao tontolo izao. Azonao jerena eto [6] ny fitantarana an-tserasera. Azo antoka fa nitondra ny lohahevitra manan-danja ho an'ny olom-pirenena niaraka tamin'ny resadresaka ambony latabatra izany.