Rosia: Mahatsiaro ilay sangan'ny Rock ny bilaogera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)

Ilya Kormiltsev's LJ-avatar

Ilya Kormiltsev's LJ-avatar

Ny 4 Febroary 2010, nankalaza ny daty nampalahelo ireo bilaogera Rosiana. Telo taona lasa izay, maty noho ny homamiadan'ny hazon-damosina i Ilya Kormiltsev [amin'ny teny Anglisy], iray amin'ireo poeta sy mpanoratra tononkira mana-talenta indrindra sy mampiadi-hevitra indrindra ao Rosia. Tamin'ny taona 2007, nanjary fahafatesana voalohany nalaza indrindra tao amin'ny RuNet (aterineto Rosiana) ny fahafatesan'i Kormiltsev.

Nahatsiaro azy nandritra ny taona maro ny bilaogera taorian'ny famoahana sy famoahana indray ny tononkalony sy ny hirany, nankasitraka ny talentany sy izy tsy konformista, manaja ny hetahetany ho amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny maha-sivily mavitrika azy.

Nanomboka tamin'ny taona 80 tany amin'ny tanànan'i Sverdlovsk (Yekaterinburg ankehitriny) ny tantaran'ny fahombiazan'i Kormiltsev. Nanjary nalaza noho ny asany tamin'ny famoronan-kira tao amin'ny tarika “Nautilus Pompilius” [EN], iray amin'ireo tarika rock sangany nandritra ny vanim-potoana Perestroika [EN] ary avy eo ny Post-Sovietika i Kormiltsev.

Manohitra ny fitondrana komonista ny hiran'i Kormiltsev, na dia nofenoina endrika poetika be angesony aza ny tsikerany ka tsy dia tsikaritra nandritra ny vanim-potoan'ny sivana sovietika. Tamin'ny taona 1999, namoaka ny filaharan'ny “Hira Rock 100 voalohany Tsara indrindra tao anatin'ny taonjato” [RUS] ny radio “Nashe”, ka fito tamin'ireo hira 100 no nosoratan'i Kormiltsev.

Tamin'ny taona 2000, niala tamin'ny asany mpamoron-kira i Kormiltsev ary nanomboka nanangana trano famoahana “Ultra.Kultura” [RUS]. Amin'ny maha-mpandika teny matihanina azy, dia nandika sy namoaka ny sangan'asan'ireo mpanoratra malaza indrindra amin'izao fotoana izao (na Rosiana na vahiny) izy: William Burroughs [ENG], Ernesto Che Guevara, William Gibson [ENG], Huey P. Newton [ENG] sy ny hafa. Nitantara ireo lohahevitra goavana tahaka ny zava-mahadomelina, ny pôrnôgrafia, ny olana ara-poko, ny heloka bevava, sns ny bokin'i Ultra.Kultura.

Tamin'ny Novambra 2006, nandritra ny diany tany Londra, dia nanomboka narary i Kormiltsev. Tao amin'ny bilaoginy farany, nanoratra [RUS] izy hoe:

ЛИЧНАЯ ПРОСЬБА. Никто не едет в Лондон на днях? Надо отвести лекарства. Мне.

Fangatahana manokana. Misy olona mankany Londra ve amin'izao andro izao? Mila fanafody. Ho ahy.

Roa volana taty aoriana, tamin'ny volana Janoary 2007, voan'ny homamiadan'ny hazon-damosina izy. Tara loatra raha hanampy an'i Kormiltsev. Nanoratra ny namany, mpitsikera mozika, Boris Barabanov fa tsy mijaly ny aretiny ihany i Kormiltsev fa mijaly noho ny tsy fisian'ny aterineto sy ny tsy fahafahana manoratra “zava-dehibe” ho an'ny mpamaky azy. Nahazo fanehoan-kevitra 1720 ny lahatsoratra farany nataon'i Kormiltsev. Kivy noho ny tsy fahitana vaovao momba ity mpanoratra ankifizin'izy ireo fatratra ity, namela hafatra malahelo tao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra ireo mpankafy azy. Nanontany momba ny tononkira sy ny tononkalony kosa ny olona sasany, afaka nandre ireo hiran'ity mpanoratra ity.

Nanjary iray tamin'ireo zava-nitranga resahana be indrindra tao amin'ny tontolon'ny blaogy ny fahafatesan'i Kormiltsev, nitatitra ny gazety “Kommersant” hoe.

Amin'izao fotoana izao, manana sata “Gazety Fahatsiarovana” ny kaonty LiveJournal an'i Kormiltsev. Nakatona ireo fanehoan-kevitra hafa rehetra saingy misokatra ho an'ny rehetra kosa ny votoaty ao amin'ny diary. Nosoratan'ny namany ny lahatsoratra farany tao amin'ny gazetiny ary namerina ny  teny farany nataon'i Kormiltsev:

Был потрясен тем, что я вам так дорог, и что вы прониклись таким участием к моей судьбе. Огромное спасибо за поддержку. Постараюсь ответить всем лично.

Tohina aho fa tena sarobidy aminao aho ary niray tamin'ny fiainako ianao. Misaotra anao aho noho ny fanohananao. Hiezaka hamaly manokana ny tsirairay aminareo ny tenako.

Saingy tsy nanao izany mihitsy izy. Telo taona taorian'ny nahafatesan'i Kormiltsev, namoaka ny sariny, ny tononkalo tiany indrindra ary ny tafatafa farany niaraka taminy ireo bilaogera.

Bilaogera A.Monach nanoratra hoe:

для меня всегда было загадкой, как так человек может зацепить сотни мозгов и заставить петь миллионы свои песни, при этом почти вообще не используя рифмоплетения. Одинаково жестко с его уст слетала “социалка”, “политинформационное творчество”, любовь – смерть, которые всегда ходили в его произведениях рядом, разврат и боль, божественное и дьявольское и тд…

Ankamatantra ho ahy foana ny fomba ahafahan'ny olona mitarika olona hafa marobe ary mampihira ireo olona an-tapitrisany ny hirany tsy mampiasa gadona be angesony. Nanoratra mafy momba ireo olana ara-tsosialy, “zavakanto ara-politika”, “fitiavana sy fahafatesana” ihany koa izy, izay nifanakaiky tamin'ny rehetra teo amin'ny asany, ny faniriany ary ny fanaintainana, ny masina sy ny  devoly, sns …

Regul_leia nanoratra hoe:

Говорят, художник чувствует нить времени тоньше, чем все остальные и предугадывает ее. А поэт – как родитель над колыбелью малыша – нашептывает песню, по которой новый человек учится говорить и понимать мир.

Milaza izy ireo, fa mahatsapa ny fahamendrehan'ny fotoana bebe kokoa noho ny olon-kafa ny mpanakanto iray ary maminavina izany. Ny poeta dia toy ny ray aman-dreny eo amin'ny fandriana fatorian'ny zazakely – mihira malefaka, izay hilaza amin'ny lehilahy vaovao ny fomba fitenenana sy ny fomba hahafantarana an'izao tontolo izao. They say, an artist feels the filament of time more delicately than anyone else and forsees it. A poet is like a parent over the baby’s cradle – whispers the song, which will tell a new man how to speak and how to understand the world.

All_decoded naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratry regul_leia:

Но если Вам нравится Кормильцев (а это нормально !) Вы начинаете диссидентствовать по отношению к сегодняшней власти

Saingy raha tianao i Kormiltsev (izay OK!) Dia lasa mpanohitra ny fahefana ankehitriny ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.