- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Paragoay: Nosakanan'ny mpamatsy tolotra aterineto tsy nisy fampilazana ny tranokalam-baovao

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Netizens in Paraguay. Picture By Librebus Cono Sur under a CC BY SA license.

Mpisera aterineto any Paragoay. Sary avy amin'ny Librebus Cono Sur amin'ny lisansa CC BY SA.

Nisy hetsika fibahanana mampiahiahy avy amin'ny orinasa tsy miankina natao ny 26 Septambra 2012 tany Paragoay. Mpamatsy tolotra aterineto roa (ISPs) no nanakana ny tranonkala AbcColor.me [1] tsy nisy didim-pitsarana.

Disclaimer from AbcColor.me

Fanamarihana tao amin'ny AbcColor.me

Sehatra iray ho an'ny mpisera mamoaka votoaty izay mitovy amin'ny gazety eo an-toerana, ABC Color [2] ity tranonkala niteraka resabe ity. Afaka mandefa vaovao (raisina an-tanandroa ny vaovao faikany sy ny fanarabirabiana ) ny mpisera rehetra ary sary mifandraika amin'ny vaovao ihany koa. Tahaka ny gazety ABC Colour ny endrik'ilay lahatsoratra raha vao mivoaka ny votoaty saingy misy fanamarihana eo ambanin'ny pejy milaza fa ahitana votoaty navoakan'ny mpisera sy vaovao diso ny tranonkala.

Nitatitra ny toe-draharaha [3] ny TEDIC ary nanakiana ireo hetsiky ny mpamatsy tolotra aterineto ho fanitsakitsahana ny zon'ny mpanjifa sy ho hetsika manohitra ny foto-pisainana an-tserasera tsy miandany [4] sy ny zon'ny mpanjifa.

Nahazo fampitandremana [5]  ireo ireo mpisera rehefa nikasa ny hiditra tao amin'ny tranonkala tamin'ny alàlan'ny mpamatsy tolotra aterineto Tigo izay mampahafantatra azy ireo fa naverin-dalana izy ireo satria nanasokajy ilay tranonkala ho toy ny misy rindrampisompatra ity orinasa ity ary nolavina [6] noho izany ny fidirana aminy. Voasakana [7] ihany koa izany tamin'ny finday.

Nanala ny sakana tamin'ny tranonkala ny mpamatsy tolotra aterineto rehefa tezitra ireo mpisera aterineto ary taitra momba ity hetsika sivana mazava nataon'ny orinasa tsy miankina iray ity, satria nampitomboin'izy ireo ny faneriterena tao amin'ny Twitter [8] ary na dia ny Antoko Piraty ao Arzantina aza dia naneho ny ahiahiny [9].

Niala tsiny ny ekipan'ny mpamatsy tolotra aterineto Personnal tamin'ny filazana fa nanakana ny tranonkala izy ireo ¨noho ny fahadisoana tamin'ny fomba fiasa [10] ¨. Sady tsy niala tsiny ny Tigo Paraguay [11] no tsy nanome fanazavana ho an'ny mpisera fa nesoriny fotsiny ny sakana tamin'ny tranonkala .

Noho ny fanatonan'ny fifidianana filoham-pirenena volana Aprily 2013 [12], taorian'ny fanalana [13] ny filoha teo aloha Lugo dia olana saro-pady sy marefo ao amin'ny firenena, izay tena mizarazara sy ahitana ny korontana ara-politika mahakasika olona maro, ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto. Ankehitriny, fantatr'ireo olom-pirenena Paragoaiana fa manana ny teknôlôjia hanivanana haingana ireo tranonkala ny mpamatsy tolotra aterineto ho azy ireo ary vonona ny hanao izany. Miteraka karazana olana izany ho an'ny mpanjifa sy ny olom-pirenena  .

Misaotra manokana an'i @marsebu noho ny fiaraha-miasa tamin'ity lahatsoratra ity.