- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpisera Twitter Koesiana nogadraina noho ny faniratsirana ny Emir

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fandrahonana-lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 31 Martsa 2013, nodidian'ny fitsarana Koesiana ambaratonga voalohany higadra roa taona an-tranomaizina i Hamad Al Khalidi (@HAMED_ALKHALDI [1]) noho ny faniratsirana ny Emir ao Koety tao amin'ny Twitter. Efa nanomboka ny saziny izy, na dia nikasa ny hampakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony aza ny mpisolovavany ny  8 Aprily 2013.

I Al Khalidi tenany no nanambara ny saziny tamin'ny alalan'ny Twitter [2]:

تم الحكم على نواياي بالسجن سنتين مع الشغل والنفاذ !

Because of my opinions I'm sentenced to two years imprisonment with forced labour!

Voasazy aho higadra roa taona an-tranomaizina miaraka amin'ny asa an-terivozona noho ny hevitro !

Hamad Al Khalidi (Image Credit: Courtesy: Al Aan) [3]

Hamad Al Khalidi (Sary natolotr'i Al Aan)

Nisioka [4] avy hatrany taorian'ny fanambarana ny didim-pitsarana ihany koa ny mpisolovavan'i Al Kahlidi, Jasser Aljade (@jasser_aljade [5]):
سأستأنف حكم حامد الخالدي بعد قليل وسنحدد جلسة استئناف في
أقرب فرصة ومتوقع تغيره بإذن الله
We are requesting an appeal hearing at the earliest opportunity and expect this sentence to change, God willing.

Mangataka ny fampiakarana ny didim-pitsarana ao anatin'ny fe-potoana faran'izay haingana izahay ary manantena fa hiova izany didy izany, raha sitrapon'Andriamanitra .

Nitatitra ny Gulf News [3] fa nitarin'ny governemanta Koesiana ny famoretana amin'ny sioka izay voalaza fa manevateva ny mpitondra ny firenena Hoala ny  :

Al Khalidi is one of dozens of opposition activists and former MPs who have either been sentenced to various jail terms or are on trial on similar charges…More than a dozen youth activists and former MPs have so far been handed down jail terms following a clamp-down on opposition social network users and activists. Criticising the emir is illegal in Kuwait and is considered to be an offence against state security.

Iray amin'ireo mpikatroka mpanohitra am-polony sady solombavambahoaka teo aloha i Al Khalidi izay na nigadra tamina sazy isankarazany na  niatrika fitsarana tamina fiampangana mitovy amin'izany … Tanora mpikatroka mafàna fo sy solombavambahoaka teo aloha am-polony mahery no efa nogadraina taorian'ny famoretana natao tamin'ireo mpisera sy mpikatroka mpanohitra  ao amin'ny tambajotra sosialy . Tsy ara-dalàna ny manakiana ny emir ao Koety ary heverina ho manohintohina ny fiarovam-panjakana.