Ny Fahitan'i Isaac Mao ireo Hetsipanoherana tany Sina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

Mino i Isaac Mao fa tsy zavatra hafa ankoatra ny fanodinkodinam-bahoaka ataon'ny governemanta tsotra fotsiny ihany ilay hetsi-panoherana an'i Japana:

Tao anatin'izay roa andro monja izay, nanamafy ny fanarahamaso ny aterineto ny governemanta Sinoa mba hisorohana ireo antso rehetra hanao hetsika vaovao. Omaly, nampitandrina ny mpitondratenin'ny Ministeran'ny Fiarovam-bahoaka fa tsy ara-dalàna avokoa ny fikonokononana an-tambajotra na ny fosafosa mikasika ny fivoriana. Teboka iray avokoa ireo feo ofisialy rehetra nandritra ireo roa andro ireo: laharam-pahamehana ny tsy tokony hihetsehan'ny vahoaka rehetra. Midika izany fa manahy ny mety hivoaran'ilay hetsipanoherana ho lasa hetsika enti-manohitra azy ny governemanta.

Izany no angano ao amin'i Sina ankehitriny. Te hampiasa ny hetsipanoheran'ny olompirenena  hamoretana ny governemanta JP ny governemanta Sinoa. Hanara-maso ny vaovao ihany koa izy ireo mba tsy hanabaribariana afa-tsy ireo manohana ny politikany ary mba hanivanana ireo hevitra hafa. Azo antoka fa efa voafolaka avokoa ireo haino amanjery ofisialy rehetra. Miezaka mafy hanao toy izany ao amin'ny tontolon'ny aterineto izy ireo na dia eo aza ireo fitapitaka maro tsy mitsinjo lavitra. Na izany na tsy izany, mazava be fa afaka fintinina ao anaty sokajy efatra ny asa tsy mety tanteraka ankehitriny, izay efa niteraka fanehoankevitra maro be sahady tao amin'ny tontolon'ny blaogy (tena voaara-maso tanteraka ireo BBS nandritra izay andro vitsivitsy izay):

  1. Tsy afaka manao na inona na inona isika olontsotra amin'izao fotoana izao, fa dia miankina amin'ny governemanta irery ihany
  2. Ilaina mba hamahàna ny olana ny governemanta, ho takany izany ary hanao sorona ny tombontsoan'ny vahoaka mba hitazonany ny fitondrany izy
  3. Voafetra ihany ireo zavatra vitan'ny governemanta mba hanatrarana fifankahazoana tena izy, tsy azo ihodivirana ny fiitaran'ny elanelana misy eo amin'ny vahoakan'ireo firenena roa tonta
  4. Tsy hahatoky ny governemanta intsony isika, tsy noho ity olana ity irery ihany, fa maro ireo olana mifandray ato amin'ity firenena ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.