- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanasongadina ny mpitantana ny Lingua Yoruba ny Vovonana Manerantany Creative Commons !

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Nampivondrona mpitarika vondrom-piarahamonina miisa enina hiakatra an-tsehatra ho an'ny lahateny fohy momba ny asany sy ny traikefany, ary nahitana an'i Ọmọ Yoòbá avy ao Nizeria ny Vovonana Creative Commons Manerantany [1], izay atao isan-taona any amin'ny firenena samihafa manerana izao tontolo izao.

Mpanao gazety manana traikefa 11 taona amin'ny haino aman-jery Nizeriana i Ọmọ ankoatra ny fitantanany ny Lingua Yorùbá [2]. Nanokana valo taona izy ho fampielezana ny fahalalana ara-ekolojika sy ara-kolontsaina amin'ny fiteny Yorùbá tao amin'ny sehatra nomerika. Amin'ny maha-mpiaro ny fampiasana fiteny maro sy ny fampiasana tsy misy fetra ny aterineto azy dia niara-niasa tamin'ireo mpiara-miombon'antoka i Yoobá mba hampitohizana ny hantsana nomerika, hanomezana ireo fiteny vitsy an'isa feo ao amin'ny Fifaneraserana amin'ny Aterineto, ary ny fiarahamonina voahilikilika mba ho afaka miditra amin'ny loharanom-baovao nomerika. Ankoatra ny fampianarana ny fiteny Yorùbá ao amin'ny tribalingua.com [3], niara-niasa tamin'ny Localization Lab [4] izy mba hametrahana ny fitaovam-piarovana nomerika sy ny fitaovana fandinganana ny aterineto (EFF) [5]. Tamin'ny taona 2018, nanangona literatiora am-bava an-jatony mahery avy amin'ny fiteny Yorùbá izy izay hita ao amin'ny tahirin'ny Orina Mpanasoa Firebird ho an'ny Fikarohana Anthropolojika ao Phillips, Maine, Etazonia.