- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy navela hiditra an'i Koety i Ahmad Mansoor , bilaogera Emirà Arabo Mitambatra  

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Koety, Fandrahonana-lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

[1]

Bilaogera sady mpikatroka Ahmad Mansoor taorian'ny famoahana azy tamin'ny volana Novambra 2011

Tsy navela niditra tao Koety i Ahmad Mansoor, bilaogera [2] malaza indrindra any Emirà Arabo Mitambatra izay notazonina nandritra ny volana maromaro tamin'ny taona 2011 niaraka tamin'ireo mpikatroka miisa efatra hafa noho ny famenoana fanangonan-tsonia an-tserasera izay nangataka ny fanavaozana tao amin'ny fireneny. Navotsotra [3] tamin'ny famotsoran-keloka tamin'ny 28 Novambra 2011 ny Emiraty Arabo Mitambatra miisa 5, anisan'izany i Mansoor. Nanaovan'ny mpitandro ny filaminana bemidina [4] ary nofoanana ny valan-dresaka nataon'ny Human Right Watch tany Dubai izay saika hamoahana ny tatitry ny fikambanana momba ny fitotongan'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny fanjakana Hoala manankarena.

Tamin'ny alàlan'ny kaontiny Twitter, no nitateran'i Mansoor ny antsipirian'ity bemidina ity tao amin'ny valan-dresaka nataon'ny HRW ity. Herinandro mahery taorian'izay dia nandeha tany Koety i Mansoor ary nolavina ny fidirany tao an-toerana, izay nahatonga azy ho ilay mpiaro ny zon'olombelona faharoa nolavina fidirana tao Koety tao anatin'ny fotoana fohy nanaraka an'i Kassab Al-Otaibi (@Dr_Kassab [5]) Saodiana mpanohitra mpikatroka monina any amin'ny Fanjakana Britanika. Nitatitra ny zava-nitranga taminy tao amin'ny seranam-piaramanidina i Mansoor tamin'ny alàlan'ny twitter, koa satria nanao fifidianana parlemantera i Koety dia izany no iray amin'ireo antony tsy naharototra loatra ny tranga nahazo ity bilaogera Emiraty Arabo Mitambatra ity.

Nisioka i Mansoor hoe:

Ato amin'ny seranam-piaramanidin'i Koety aho izao. Tsy navela hiditra. Mampalahelo fa mitranga eto  Koety izany; ny hany demaokrasia tokana ao amin'ny #gcc !!

#gcc: taorian'ny fakàna am-bavany nandritra ny adiny iray dia nilazana aho fa tsy afaka miditra noho ireo manampahefana ao amin'ny Fiarovam-panjakana # koety #eam

#gcc #koet#eam nilaza taty aoriana fa raha tsy mahita tapakila miverina aho dia ho tanana mandrapahatongan'izany.

#gcc #koety#eam: mazava ho azy fa avy amin'ny baikon'ny manampahefana Emiraty Arabo Mitambatra ny fanakanana ahy tsy hiditra an'i Koety.

Tsy azoko antoka anefa hoe nahoana ny manampahefana any Emirà Arabo Mitambatra no namela ahy niala ny seranam-piaramanidin'i Sharjah tamin'ny voalohany ary nampiditra an'i Koety amin'ity toe-draharaha ity