- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao gazety Grika nosamborina noho ny famoahana ny lisitr'ireo olona voalaza fa tsy nandoa hetra  

Sokajy: Gresy, Fandrahonana-lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Feo voarahona, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisioka ny fisamborana azy [1] ilay mpanao gazety Grika sady toniandahatsoratry ny gazetiboky Hot Doc, Kostas Vaxevanis, ary nandefa hafatra tao anaty lahatsary [2] ora vitsy taorian'ny namoahan'ny gazetibokiny ny lisitra tafaporitsaka nahitana ny anaran'ireo Grika maherin'ny 2.000 sy ny kaontin'ny banky any Soisa, izay voalaza fa “lisitra Lagarde ” efa tsy hitan'ny fitondrana Grika nandritra ny taona maro.

Nitaky ny famotsorana an'i Vaxevanis [3] ny Reporters Sans Frontieres ary namoaka ampahana antsafa [4], ary niray hina tamin'ny fanohanana azy tao amin'ny Twitter ireo mpisera aterineto, ka nahavory fangonan-tsonia [5] maherin'ny 16.000 nitaky ny fanafoanana ny fiampangana azy.

Fanavaozam-baovao: Tamin'ny 1 Novambra 2012 dia nafahan'ny fitsarana madiodio [6] tany Athena Atoa Vaxevanis tamin'ny fiampangana azy ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny tsiambaratelon'ny angondrakitra.