- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Notanana ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno 

Sokajy: Ekoatora, Fandrahonana-lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Notanana [1] ilay bilaogera Ekoadaoreana Paúl Moreno (@paulcoyote [2]) noho ny vesatra tamin'ny fidirana an-tsokosoko tamin'ny rafitra solosaina sy ny angondrakitra , rehefa avy namoaka lahatsoratra [3] iray izay nanazavany ny fomba nahazoany niditra tamin'ny resaka mikasika ny filoha Rafael Correa mba hanehoana ny lesoky ny tranonkala www.www.datoseguro.gob.ec [4] . Ny mpisera Twitter nanangana fanentanana niaraka tamin'ny tenirohy #LiberenaPaulCoyote [5] (afaho i PaulCoyote). Fanampim-baovao misimisy kokoa ato amin'ity lahatsoratra [6] nosoratan'i Carlos Correa ity (@calu [7]).

Fanavaozam-baovao: Nanome baiko [8] ny famotsorana an'ilay bilaogera ny Filoha Rafael Correa taorian'ny telo andro nitazonana azy.