- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Mpianatra nogadraina noho ny faniratsirana ny mpanjaka tao anaty lahatsary

Sokajy: Fandrahonana-lalàna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navoaka [1] ihany koa ato amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity .

Nanameloka an'i Abdelsamad Haydour, mpianatra 24 taona, higadra telo taona an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.200 dolara Amerikana noho ny fitsikerana ny mpanjakan'i Maraoka tao anaty lahatsary [2] nalefa tao amin'ny YouTube ny fitsarana tao an-tanànan'i Taza ao Maraoka. Voaheloka tamin'ny “fanevatevana ny hasin'ny firenena” Atoa Haydour araka ny filazan'ny masoivohom-baovaom-panjakana [3] ofisialy.

Araka ny tranonkalam-baovao Maraokana [4], tsy nanana mpisolovava Atoa Haydour nandritra ny fakana am-bavany azy ary tsy nanendry mpisolovava hiaro ilay voampanga araka ny voafaritry ny lalàna Maraokana ny Fitsarana .

Heverina ho “tsy azo tevatevaina” ny mpanjaka araka ny lalàna Maraokana. Nefa manome antoka (Andininy faha-25) ny “Fahalalahana ara-tsaina, ara-kevitra ary ara-pitenenana amin'ny endriny rehetra” ihany koa ny lalàmpanorenana Maraokana.

Navoaka tamin'ny voalohandohan'ny volana Janoary 2012 ilay lahatsary [2] maharitra efatra minitra nahatonga ny fanamelohana, nandritra ny herinandro nisian'ny korontana ara-tsosialy sy ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka tao amin'ny tanàndehiben'i Taza anjakan'ny tsy fisian'ny asa.

Ao anatin'ilay lahatsary, hita niresaka tamin'ny vondron'olona teny an-dalambe i Abdelsamad Haydour, nanakiana mafy ny mpanjaka sy ny manodidina azy (lahatsary nalefan'i zawali66 [5]):

Tao anatin'ny herinandro latsaka no nitontona ny didim-pitsarana taorian'ny nisehoan'ity [6] tovolahy 18 taona ity teo anoloan'ny fitsarana ao an-drenivohitra Rabat izay voampanga ho nandika ny lalanan'ny lèse majesté tamin'ny alalan'ny fandefasana-sary sy lahatsary tao amin'ny Facebook maneso ny mpanjaka Mohammed VI.

Niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika tao amin'ny tambajotra sosialy ny vaovaon'ny didim-pitsarana nanamelohana an'Atoa Haydour .

Nisioka i Rasta Basta hoe:

@Basta [7]: just a thought: in #Morocco defaming God does not lead to prison, defaming the king does, for 3 yrs; any conclusions? #HR #ArabSpring

@Basta [7]: eritreritra fotsiny ihany: ao Maraoka, tsy mampigadra ny manala-baraka an'Andriamanitra fa mampigadra mandritra ny 3 taona kosa ny manala-baraka ny mpanjaka; inona no azo hamintinana azy ? #HR #LohataonaArabo

Nisioka i Samia Errazzouki hoe:

@Charquaouia [8]: I've lost count of the people jailed in Morocco since the new constitution and elections for merely expressing themselves with words.

@Charquaouia [8]: Tsy hitako intsony ny kaontin'ireo olona nigadra tany Maraoka noho ny fanehoan-kevitr'izy ireo fotsiny hatramin'ny nisian'ny lalàm-panorenana vaovao sy ny fifidianana.

Nisioka i Burrito hoe:

@Burrito_SB [9]: How many people should get arrested for simply expressing their opinion do we need to realize that nothing has changed in #morocco #maroc

@Burrito_SB [9]: Firy ny olona tokony hosamborina noho ny fanehoan-keviny fotsiny, ilaintsika ve ny mahatsapa fa tsy nisy niova eto Maraoka

Mbola mijaly noho ny tsy fisian'ny asa ambony i Maraoka na dia eo aza ny fitomboan'ny fandrosoana, indrindra fa ho an'ny tanora izay mihoatra ny ampahaefatra amin'izy ireo no manana diplaoma kanefa tsy mahita asa.

Maro ireo tanàndehibe Maraokana no manatri-maso isan'andro ny fihetsiketsehana noho ny tsy fisian'ny asa izay matetika tarihin'ireo nahazo diplaoma avy any amin'ny oniversite ary maniry ny hiditra amin'ny sehatra ara-panjakana. Ny volana lasa (Janoary 2012), nandoro ny tenany tao Rabat renivohitra ny efatra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo .

Saingy tao an-tanàndehiben'i Taza no nahitana ny fihenjanana ara-tsosialy mahery vaika indrindra. Nanatri-maso fifandonana mahery vaika nandritra ny herinandro maromaro teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy misahana ny rotaka ny tanàndehibe, ka nifarana ny 1 Febroary rehefa nikaroka isan-trano ny mpitandro filaminana ary nisambotra ny maro tamin'ireo noahiahiana ho mpanao fihetsiketsehana.

Ny Talata, olona miisa 17 avy ao Taza no voaheloka hatramin'ny 8 volana an-tranomaizina noho ny “fandrobana sy fanimbana ny fananam-bahoaka”, hoy ny tatitry ny fampitam-baovao tao an-toerana.