Shina : Tsy fahazoana miasa amin’ny alina ho an’ireo cybercafés?

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Vao nanolotra lalana manokana ny solombavambahoaka iray avy ao amin’ny Kongresim-bahoaka Nasionaly ny 6 Martsa (2010) momba ny fanapahan-kevitra hanakatonana ireo cybercafés Shinoa eo anelanelan’ny misasak’alina sy amin’ny 8 ora maraina.

Nitaky ny ‘’fanapahana ireo cybercafés amin’ny misasakalina’’ ny solombavambahoaka Gao Wanneng noho ny fiakinan-doha maharitra amin’ny Aterineto ho an’ireo tanora Shinoa. Nanambara i Atoa Gao fa ny fiankinan-doha toy izany no mahatonga ny fitomboan’ny ankizy miala amin’ny fianarana sy ny heloka an-tserasera ary nangataka ny Kongresim-bahoaka Nasionaly izy mba handany ny lalàna mametra ny lalao an-tserasera, hoy ny tatitry ny gazety Fiainana Andavanandron’ny Mpiasa.

Tsy vao voalohany izao no natolo-kevitra ny fanakatonana ny cybercafé amin’ny alina. Tamin’ny volana Novambra 2005, nahitana fampiharana tsikelikely ny politikan’ny ‘’fahatapahana amin’ny misasak’alina’’ tao amin’ny tananan’i Chongqing , tahaka ny any amin’ireo tanandehibe hafa manerana ny firenena. Nampiasaina mba hifehezana izany ny fomba fanaraha-maso toy ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiseran’ny cybercafé sy ny fanakatonana ireo orinasa tsy voasoratra anarana, saingy tsy nahitana fahombiazana izany matetika.

Nanoratra ilay bilaogera Li Lijun fa nitondra vazivazy kely tamin’ny rivo-piainana izay matetika matotra dia matotra tao amin’ny Kongresim-bahoaka Nasionaly, fanao isa-taona isaky ny volana Martsa, ny soso-kevitry ny solombavambahoaka Gao.

你肯定奇怪这有什么好乐的,那您就顺着这种思维方式想下去:为了防止青少年犯罪,把青少年关笼子里;为了防止家庭暴力,禁止大家结婚;为了防止食物中毒,禁止买卖任何事物…防止学生沉迷于网络的最好方法,就是限制孩子上网时间,我觉得还不如直接消灭电脑,这一点还得请兄弟国家朝鲜的专家来指导。

Mazava ho azy fa mahita izany ho hafahafa ianao. Inona no mampihomehy amin’izany? Jereo ny lojikan’I [Atoa Gao] ary jereo fa : mba hanakanana ny tanora tsy hanao heloka bevava, dia hidio ao anaty makarakara vy izy ireo, mba hisorohana ny herisetra an-tokantrano, rarao ny mariazy; mba hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo, rarao ny fivarotana sakafo… tsy azo ampitahaina, araka ny hevitro, amin’ny fanafoanana tsotra izao ireo solosaina ny fisorohana tsara indrindra amin’ny fiakinan-dohan’ny mpianatra amin’ny Aterineto, izany hoe ny hamerana ny fotoana lanin’ny ankizy amin’ny Aterineto. Tokony hanasa ny firenena Korea Avaratra rahalahintsika aloha isika amin’ny fanofanana matihanina mba ahatongavana amin’izany.

Niaiky ilay bilaogera Shan Cha fa tsy hahavita hamaha mihitsy ny olana fototra ny fepetra henjana toy izany, ary tsy isalasalana fa hametraka olana goavana amin’ny asan’ny cybercafé .

当山茶看到有个别委员提出“关闭全国的网吧”、“实行零点断网政策”的提案时,心里不免产生一点忧虑,委员们你们可知否提案一旦被执行,那将对全国的网吧从业者们带来多大的冲击?你们又可知关闭了网吧和零点断了网就真的能从根源上杜绝眼下所出现的青少年问题吗?

Tsy haiko ny tsy hahatsapa ho tsy nahazo aina kely rehefa naheno [aho] fa mpikambana iray ao amin’ny Vaomiera no nanolotra ‘’ny fanakatonana ny cybercafé ao amin’ny firenena” na “hampihatra ny fanapahana amin’ny misasak’alina”. Tsy fantatrao, fa ao amin’ny vaomiera, inona no hitranga raha hampiharina ny lalana toy izany ho an’ireo izay mitantana cybercafés manerana ny firenena? Heverinao ve fa hamaha tokoa ny fototry ny olana, izay hitantsika eo amin’ny tanora ny fanakatonana ny cybercafés na ny fanapahana ny asa ataon’izy ireo amin’ny misasakalina?

Nitatitra i Caijing fa nisy cybercafé lehibe iray tao an-tanànan’i Chongqing, matiantoka 10.000 Yuan ( na 1000 euros) izay eo ho eo amin’ny ampahatelon’ny tombombarotra isam-bolana ho amin’ity toeram-piasana ity, tamin’ny taona 2005, noho ny fampiharana ny politikan’ny ‘’fanapahana amin’ny misasakalina’’.

Nanamarika ny lahatsoratra tao amin’ny Pesea Gaming Blog fa hametra tanteraka ny fikojakojana any amin’ireo cybercafé ny fanapahana ny tolotra Aterineto amin’ny misasakalina ka hatramin’ny 8 ora maraina. Nanamafy ny bilaogy fa matetika alaina sy havaozina amin’ny ora vao maraina ny lalao, ny fitaovana ary ny rindrambaiko antivirosy. Manery ireo mpitantana hanao ny fanamboarana mandritra ny ora maha-betsaka ny olona mivezivezy ny fitsipika vaovao.

Tamin’ny taona 2006, nanao fanentanana hanafoanana ireo cybercafé tsy manana lisansa na ‘’cybercafé maizina’’ araka ny niantsoana azy amin’ny teny Shinoa ny tanandehibe toa an’i Shezhen. Matahotra ny olona sasany fa hanery ireo cybercafé tsy manana lisansa sy tsy ara-dalana hiasa tara amin’ny alina ny politikan’ny ‘’fanapahana amin’ny misasakalina’’ .

Nanoratra ny mpandray anjara ao amin’ny Pesea Gaming Blog hoe :

零点断网的政策一出台,国家电信部门就会积极配合,在规定的零点至八点的时间内就会中断网吧的网络接入服务。但是电信部门所能够中断的只是在有关部门合法登记的白网吧而已,那些屡禁不止的黑网吧因为没有合法的登记在案从而根本不会受到影响。

Raha vantany vao lany ny fepetra mikasika ny ’’fanapahana amin’ny misasakalina’’ dia hiara-hiasa amim-pahavitrihana amin’ny fanapahana ny fifandraisana eny amin’ny cybercafé ny tolotra nasionaly ho an’ny fifandraisandavitra , eo anelanelan’ny ora voatondro amin’ny misasakalina sy amin’ny 8 ora maraina. Saingy ireo cybercafés izay voasoratra anarana ara-dalana ihany no azon'ny departementan'ny fifandraisandavitra tapahina ny fifandraisany. Tsy hiantraika  amin’ny ankamaroan’ny cybercafé voarara izany satria tsy manana dosie ara-dalàna izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.