Libya: Rice, solika sy ny fampiasam-bola vahiny

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2008)

Tonga ao Libya androany ny sekreteram-panjakana Amerikana, Condoleeza Rice, ary hihaona amin'ny mpitarika Libyana, Muammar Al Gaddafi, izay efa nofaritan'ny filoha Ronald Reagan indray andro hoe “alika lahy ao Afovoany Atsinanana.” Nankasitrahan'ilay bilaogera ny fitsidihana, izay voalohany nataon'ny sekreteram-panjakana Amerikana tao anatin'ny 50 taona mahery, saingy nametraka fanontaniana tahaka ny hafa ihany koa izy.

On the Edge ahitana ny lohateny hoe: Mihozongozona ihany ny helo nony farany.

Mitsidika an'i Libya androany ny sekeretam-panjakana amerikana Condoleeeza Rice mba hihaona amin'i Gaddafi, araka ny tatitry ny Reuters news service. Koa mino aho fa midika izany hoe mihozongozona ihany ny helo!

Miresaka ny tsaho mikasika ny fisokafan'ny ambasady Amerikana any Tripoli ilay bilaogera Amerikana manambady Libyana ary monina ao Libya.

There are all sorts of rumors of a embassy opening with a actual ambassador to go in it … soon . That's the what we have been told . It will be a full service embassy , that means women like me , married to a Libyan national will be able to get service too , not just the mainland US citizens that are working here for American companies

This will be a exciting improvement over the past , after the way we have been treated , like a step child hidden in the attic . If you can picture happy dancing , then you see many of the American women married to Libyans happy to know maybe now we be counted as a citizen again by our own country … even though we live here in Libya.

Misy ireo karazana tsaho fisokafan'ny ambasady sy ny ambasadaoro miaraka aminy … ho tonga tsy ho ela. Izany no resahanay. Ho ambasady ahitana ny tolotra rehetra izany, izay midika hoe ny vehivavy tahaka ahy, manambady Lybiana dia ho afaka hahazo tolotra ihany koa, fa tsy ny olom-pirenena Amerikana izay miasa any amin'ny orinasa amerikana ao ihany.

Ho fanatsarana mampientanentana manoloana ny lasa izany, satria noraisina ho ankizy miana-mandeha nafenina tany amin'ny sompitra izahay. Raha afaka maminavina sary dihy falifaly ianao, dia hahita ny ankamaroan'ny vehivavy Amerikana manambady Libyana faly mahafantatra fa angamba horaisin'ny firenenay manokana ho toy ny olom-pirenena indray izahay … na dia monina eto Libya aza.

Ejypsiana Mona Al Tahawy manana olana hafa ao an-tsainy nandritra ity fitsidihana mana-tantara ity. Manahy momba ny manjo ilay mpandala ny demaokrasia gadraina ao Lybia izy. Nanoratra izy hoe:

As Condoleezza Rice becomes the first U.S. secretary of state to visit Libya in 55 years, Fathi al-Jahmi will still remain in the cockroach-infested hospital room where he has been held against his will for months.

You don’t know who Fathi al-Jahmi is? Ask vice presidential candidate Joe Biden. In a statement to the Senate at the end of July, he called Jahmi “a courageous Libyan democracy advocate with serious health problems whose only crime was to speak truth to power.”

Rice knows who Jahmi is, because the State Department has issued various demands that Libya release him. But I wont hold my breath that she’ll make an issue of him during her visit.

Satria i Condoleezza Rice no sekreteram-panjakana Amerikana voalohany hitsidika an'i Libya tao anatin'ny 55 taona, dia mbola hijanona ao amin'ny efitry ny hopitaly feno kadradraka izay hitazonana azy mandritra ny volana maro tsy araka ny sitrapony i Fathi al-Jahmi.

Tsy fantatrao hoe iza i Fathi al-Jahmi? Anontanio ny kandika filoha-lefitra Joe Biden. Tamin'ny fanambarana tao amin'ny Senà tamin'ny faran'ny volana Jolay, niantso an'i Jahmi ho “mahery fo Lybiana mpiaro ny demaokrasia manana olana ara-pahasalamana goavana izay ny hany helony dia ny milaza ny marina amin'ny fahefana.”

Fantatr'i Rice hoe iza i Jahmi, satria namoaka fitakiana maro ho famotsoran'i Lybia azy ny departemantam-panjakana. Saingy mino aho fa tsy hiresaka momba azy mandritra ny fitsidihany izy

Ho an'i Al Tahawi, noho ny antony hafa ny fitsidihan'i Rice':

Rice joins a slew of western leaders and officials trekking to Tripoli with eyes on deals aimed at tapping into Libya’s oil wealth. One after another they’ve donned rose-tinted glasses to see how Gadhafi has improvised his role as the dictator who came in from the cold.

Nanatevin-daharana ireo mpitarika tandrefana sy manampahefana mankany Tripoli mba hanao fifampiraharahana amin'ny fanararaotana ny harena solitany ao Libya i Rice. Mifandimby tsirairay izy ireo miaraka amin'ny solomaso mipentina raozy mba hijery ny fomba nanomanan'i Gadhafi ny andraikiny amin'ny maha mpanao didy jadona izay nivoaka avy amin'ny kohaka.

Raha miresaka momba ny solika sy ny etona, harena ao Lybia, dia manontany tena i Saleem Al Ragihe [Ar] hoe ohatrinona no azon'ny fireneny avy amin'ny solika ary rahoviana vao havoaka ampahibemaso ny vaovaon'ny fidiram-bola avy amin'ny etona sy ny fampiasam-bola vahiny. Hoy izy nanoratra:

من المعروف أنه خلال العقود ( الإستثنائية !؟) الماضية – وإلى وقت قريب – كانت كمية النفط المصدر من ليبيا ودخل ليبيا اليومي أو السنوي من النفط من أسرار وألغاز الدولة الأمنية !! أو بمعنى أدق من أسرار الخيمة !! .. أما اليوم وبسبب ثورة المعلومات من جهة ومن جهة أخرى بسبب ضغوطات تقارير الشفافية العالمية المستمرة التي وضعت الجماهيرية (العظمى) على قائمة الدول الأكثر فسادا ً والأقل شفافية في العالم ! .. وبسب يقظة المواطن الليبي من جهة ثالثة .. فإن ( العقيد/ النظام) – لهذه الأسباب الثلاثة – إضطر أخيرا ً إلى الإفراج النسبي عن المعلومات فيما يتعلق بكمية النفط الليبي المصدر ودخل ليبيا من هذا النفط ! .. فقد ذكرت المؤسسة الوطنية الليبية للنفط أن الكميات المصدرة من النفط الخام الليبي خلال الفترة من 29 اغسطس الماضي وحتى 4 سبتمبر الجاري 2008 بلغت عشرة ملايين و955 ألف برميل .. وذكرت المؤسسة في نشرتها الأسبوعية اليوم ان متوسط سعر البرميل بالدولار بلغ 05ر107 دولار للبرميل الواحد.
ونحن إذ نشيد بهذه الخطوة الإنفتاحية وبداية الدخول إلى عصر الشفافية خصوصا ًفيما يتعلق بهذه الناحية البالغة الحساسية بالنسبة للمواطن الليبي – المالك الشرعي لا الفعلي للنفط – فإننا نطالب بالمزيد من الشفافية والإنكشاف وإظهار الحقائق بالأرقام سائلين المولى عز وجل ونحن نرفع أكف الضراعة في هذا الشهر الكريم أن يتم الإفراج قريبا ً عن المعلومات الإقتصادية الحساسة والمهمة الأخرى والمتعلقة بدخل ليبيا من الغاز (!؟؟؟) وكذلك دخل ليبيا من الإستثمارات الخارجية الضخمة (!؟؟؟) في أوروبا خصوصا ً وأن الكثير من الليبيين بات يتحدث اليوم على أن أبناء القايد وأبناء رفاق القايد يتمتعون بقضاء العطلات في النعيم الأوروبي البديع على حساب دخل وأرباح هذه الإستثمارات الخارجية !!؟؟

Fantatra fa nandritra ny taompolo maro miavaka teo aloha, hatramin'ny vao haingana, dia nijanona ho tsiambaratelo nasionaly sy ankamantatra ny habetsahan'ny solika naondrana avy any Libya sy ny fidiram-bolan'ny firenena avy amin'ny fivarotana solika! Na izany aza, amin'izao fotoana izao, noho ny fandrosoan'ny vaovao amin'ny lafiny iray; sy ny teritery apetraky ny  tatitra iraisam-pirenena momba ny mangarahara mikasika an'i Libya izay napetraka tao anatin'ny lisitry ny fanjakana mpanao kolikoly indrindra sy tsy mangarahara indrindra; sy ny fahamalinan'ny olom-pirenena Libyana, ny Kolonely / ny fitondrana – noho ireo antony telo ireo – dia nisy ny famoahana vaovao momba ny habetsaky ny solika Lybiana naondrana sy ny fidiram-bolan'i Lybia amin'ny fivarotana izany. Nanambara ny Orinasam-panjakana Lybiana momba ny solika fa ny habetsaky ny solika naondrana nanomboka ny 29 Aogositra hatramin'ny 4 Septambra dia mitotaly 10.955.000 arivo barika. Nilaza ihany koa ny gazety mpivoaka isa-kerinandron'ny Orinasa fa ny vidin'ny solika dia eo amin'ny 107.05 dolara isaky ny barika
Raha mankasitra izany dingana izany sy ny fidiran'i Libya ao amin'ny sehatry ny mangaraharaha isika, indrindra ao anatin'ity sehatra saro-pady ho an'ny Libyana – izay tena tompon'ny solika ara-dalàna fa tsy mivantana – mitaky fisokafana bebe kokoa sy vaovao bebe kokoa momba ireo vaovao saro-pady hafa ara-toekarena izahay, tahaka ny fidiram-bolan'i Libya avy amin'ny fivarotana etona voajanahary, ary koa ny fidiram-bola avy amin'ny fampiasam-bola vahiny goavana, indrindra ao Eoropa. Libyana marobe no miresaka momba ny zanaka lahin'ny mpitarika sy ny zanaka lahin'ireo namany, izay misitraka fialan-tsasatra any Eoropa, amin'ny alalan'ny volan'ireo fampiasam-bola vahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.